Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Faharoan'ny Makabeo

2 Makabeo toko 11
Manafika an'i Jodea Lisiasa, ka resy, dia manao fanekem-pihavanana amin'ny Jody - Taratasin'i Lisiasa sy Eopatora ary ny Romana.

       1Andro vitsy foana taorian'izany, Lisiasa mpiahy sy havan'ny mpanjaka, sady solon'andriana teo amin'ny fanjakana, dia nahatsiaro mangirifiry tamin'ilay zava-nidona teo, 2ka namory miaramila sahabo ho valo arivo, mbamin'ny an-tsoavaly rehetra, dia niroso hamely ny Jody, nanantena mihitsy fa hamponina ny Greka ao amin'ny tanàna masina, 3sy hampandoa hetra ny tempoly, toraky ny fitoerana masin'ny firenena rehetra, ary hivarotra isan-taona ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe; 4tsy noheveriny akory tamin'izany izay fahefan'Andriamanitra fa ny miaramilany an-tongotra alinalina, sy ny an-tsoavaly arivoarivo, ary elefantany valopolo no nireharehany fatratra. 5Nony tafiditra an'i Jodea izy, dia nanatona an'i Betsora, tanàna sarotra hatonina, sahabo ho dimy stady raha eo Jerosalema, ka nanery azy mafy. 6Vao nandre Makabeo sy ny namany fa hoe: ataon'i Lisiasa fahirano ny trano mimanda, dia nivavaka tamim-pisentoana aman-dranomaso tamin'ny Tompo izy narahin'ny vahoaka rehetra mba haniraka anjely tsara hamonjy an'Israely. 7Dia Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy namporisika ireto sisa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo rahalahiny. 8Niroso tamin-kafanam-po sy herim-po avokoa izy rehetra; ary mbola teo am-pahatazanana an'i Jerosalema ihany izy, dia indro nisy mpitaingin-tsoavaly niseho teo alohany, nampandihy fiadiana volamena. 9Ka dia niara-nisaotra an'Andriamanitra mpamindra fo izy rehetra, sady samy vonon-kiady tsy hoe amin'ny olona ihany, fa amin'ny biby faran'izay masiaka koa, ary hamaky ny manda vy aza. 10Nandroso tamim-pilaharana hiady izy ireo, nanan-panampy avy any an-danitra, ary ny Tompo nangoraka azy. 11Niantoraka toy ny liona tamin'ny fahavalo, ka miaramila an-tongotra arivo amby iray alina, sy an-tsoavaly enimpolo amby arivo no natsingidiny tamin'ny tany, 12ary ny sisa nataony vaky nandositra. Ny ankabeazany nandositra efa voaratra sy nanary fiadiana; ny tenan'i Lisiasa aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin'ny lositra mahamenatra.
       13Nefa noho nizy nanan-tsaina ihany, dia nandinika ity fahareseny, ary fantany fa tsy azo resena ny Hebrio, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no miara-miady aminy, 14ka dia naniraka ho any amin'izy ireo izy, hanolotra fihavanana araka izay famarafarana marina rehetra, ka dia nanolo-tena amin'izany hampanaiky ny mpanjaka ny tokony hihavanany amin'izy ireo. 15Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an'ny vahoaka Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naposak'i Lisiasa, satria neken'ny mpanjaka avokoa ny famarafaram-panekena nalefan'i Makabeo an-tsoratra tany amin'i Lisiasa momba ny Jody.
       16Toy izao no teny amin'ny taratasy nosoratan'i Lisiasa ho an'ny Jody:
       17Lisiasa manoratra ho an'ny Jody: Arahaba! Voatolotr'i Joany sy Absaloma izay nirahinareo ho atý amiko ny fanekena nosoniavinareo ka dia nangataka izy ireo ny hanatanterahana ny zavatra ao amin'ny fanekena. 18Ary efa nampahafantariko ny mpanjaka, izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nekeny izay azo ekena. 19Koa raha mbola maharitra koa ny fankasitrahanareo ny fanjakana, dia hikely aina aho izao sisa izao hanao izay hiadananareo. 20Ny amin'ny anidinidininy sasany dia nohazavaiko tamin'ny irakareo sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo. 21Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, andro fahefatra amby roapolon'ny volana Dioskorinta.
       22Toy izao kosa no ao amin'ny taratasin'ny mpanjaka:
Antiokosa mpanjaka manoratra ho an'i Lisiasa rahalahiny: Arahaba! 23Rahefa voafindra any amin'ireo andriamanitra ny rainay, ny irinay dia ny hifotoran'izay eto amin'ny fanjakanay amin'ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina; 24ary efa renay fa ny Jody dia tsy manaiky izay notadiavin'ny rainay dia ny hanaraka ny fomba greka, fa aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy, araka izany, havela hiaina araka ny lalàny. 25Koa noho ny fanirianay ny tsy hisy fitabatabana amin'izany firenena izany intsony, dia mandidy ny hamerenana ny tempoly amin'izy ireo izahay sy ny hamelana azy hanaraka ny fomban-drazany. 26Koa tsara raha maniraka ho any amin'izy ireo hianao, sy mandray tànana azy, mba hahazoany toky sy hifotorany amin'ny fanaovana ny raharaha fanaony, rahefa fantany ny hevitray.
       27Toy izao no ao amin'ny taratasin'ny mpanjaka ho an'ny firenena Jody: Antiokosa mpanjaka, maniry fiadanana ho an'ny parlemantan'ny Jody sy ny Jody hafa. 28Raha salama tsara hianareo, dia mifanaraka amin'ny irinay izay; izahay koa dia salama tsara. 29Nampandrenesin'i Menelasa anay, ny fanirianareo hiverina sy hanao ny raharaha fanaonareo. 30Koa izay miroso hatramin'ny andro fahatelopolon'ny volana Ksantika, dia hahazo mitoetra fahizay sy amim-piadanana. 31Ka aoka ny Jody hihinana izay fihinany sy hanaraka ny lalàny tahaka ny taloha, ka aza misy homena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana. 32Naniraka an'i Menelasa aho, hanome toky hiadananareo. 33Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana Ksantika.
       34Ny Romana koa nampitondra taratasy ho an'ny Jody, araka izao:
Kointosa Memmiosa sy Titosa Manliosa, iraky ny Romana, maniry fiadanana ho an'ny Jody. 35Ireo zavatra efa neken'i Lisiasa havan'ny mpanjaka, taminareo, dia ekenay aminareo koa. 36Ary ny amin'ireo nataony ho tsy maintsy alefa ho dinihin'ny mpanjaka, rahefa voadinikareo tsara, dia aza angatahan'andro, fa maniraha olona ho atý aminay hampandrosoinay ao amin'ny mpanjaka, araka ny mety ataonay ho anareo, fa ho any Antiokia izahay. 37Ka faingàna dia alefaso handeha ny irakareo, mba hahalalanay izay irinareo koa. 38Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, fahadimy ambin'ny folon'ny volana Ksantika. >