Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-12

1 Nony vita ny fanekena, Lisiasa niverina nankany amin'ny mpanjaka, ary ny Jody nandroso niasa ny taniny.

2 Kanefa ireo jeneraly teo amin'ny tany, Timoteo sy Apolloniosa, zanak'i Gennea, mbamin'i Heronima sy Demofona, nanampy ireo koa Nikanora governoran'i Sipra, dia ny namela azy ireo handry fahizay, na hiaina amim-piadanana. 3 Tamin'izany, nanao heloka be vava ny mponina tao Jope. Nasain'izy ireo niakatra teo amin'ny lakan-drafitra nomanin'izy ireo, ny Jody nonina teo aminy, mbamin'ny vady aman-janany,

4 mova tsy ny tsy nanam-pankahalana azy ireo akory izy, fa hevitra niarahan'ny tao an-tanàna rehetra notapahina no nanaovany an'izany. Ny Jody araka ny faniriany te-hihavana, dia nanaiky tsy nanana ahiahy kely akory. Kanjo nony tonga teny afovoany izy ireo, dia nalentiny, nisy roan-jato mahery no isany raha dia kely. 5 Vao nandre ny halozana natao tamin'ireo olona iray firenena aminy Jodasa, dia nomeny teny ireo namany, ka nony avy niantso an'Andriamanitra mpitsara marina izy, 6 dia niroso hamely ny mpamono ireo rahalahiny: nodorany alina ireo trano tao an-tseranana, notsoloany koa ny sambo, ary novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ireo nitady fialofana tao. 7 Nilaozany ny tanàna, fa nihidy, nefa ny hiverina handrava ny tanànan'ny Jopita manontolo no fikasany. 8 Reny koa fa ny olona ao Jamnia, mikasa hanao toy izany amin'ny Jody monina ao aminy,

9 ka nasiany torak'izany tamin'ny alina koa, ny mponina tao Jamnia; nodorany ny seranana mbamin'ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana avy amin'ny fandoroana, nefa efapolo sy roan-jato stady no elanelany. 10 Nony avy eo izy, ka efa lasa sivy stady, ndeha hamely an'i Timoteo, dia nisy Arabo nirotsaka tamin'i Jodasa; dimy arivo izy no miaramila an-tongotra, ary diman-jato ny an-tsoavaly.

11 Mafy ny ady, nefa nahery Jodasa sy ny namany, noho ny fanampian'Andriamanitra; nony resy ireo mpifindrafindra, dia nangataka tamin'i Jodasa hanolotra ny tànany havanana amin'izy ireo, sady nanome toky hanome azy biby fiompy sy hanampy azy amin'ny zavatra sasany. 12 Hitan'i Jodasa fa be tokoa ny zavatra azon'ireo anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; nony avy nifandray tànana, dia nody ho any an-dainy izy ireo. 13 Taorian'izany Jodasa nananika tanàna mafy anankiray voahodidina manda sy voaisy tetezan-kady azo hingaina, ary onenan'olona samihafa firenena; Kaspina no anarany.

14 Nitoky tamin'ny hamafin'ny mandany sy ny habetsahan'ny hanina nananany ny nafahirano, ka nanao toetry ny tsy mahalala fomba, naniratsira an'i Jodasa sy ny namany, nanonona teny fanaratsiana an'Andriamanitra aza sy fankahalana ny fivavahana. 15 Jodasa sy ny namany kosa, niantso ilay Tompo ambony indrindra amin'izao tontolo izao, izay nampianjera ny mandan'i Jerikao, tsy tamin'ny milina fandonana manda na milina hafa, tamin'ny andron'i Josoe, vao niantoraka tamin'ny manda, mova tsy ny liona mitroatra. 16 Nony azony, araka ny sitra-pon'Andriamanitra ny tanàna, dia vonoan'olona maro, hoatran'ny fatim-balala no nataony tao, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, misy roa stady ny habeny. 17 Avy eo izy, dia nandeha dimampolo sy fiton-jato stady, ka nahatratra an'i Karaksa, izay nonenan'ny Jody atao hoe Tobiana.

18 Tsy hitan'izy ireo tao amin'izany tany izany Timoteo; fa lasa niala teo izy, satria tsy nahavatra nanao na inona na inona teo, fa toerana anankiray izay no nametrahany miaramila mpiandry tany maro dia maro. 19 Ny roa tamin'ireo jeneralin'i Makabeo anefa, dia Dositeo sy Sosipatera nandeha nananika io tanàna mimanda io, ka namono ny olona navelan'i Timoteo tao, nisy iray alina mahery ny isany. 20 Makabeo kosa tetsy an-daniny, nampilahatra ny tafiny araka ny antokony, ary nasainy hotarihiny ireo antokony ireo, dia nandroso hamely an'i Timoteo izay nitondra miaramila an-tongotra roa alina amby iray hetsy, sy an-tsoavaly diman-jato amby roa arivo.

21 Nony ren'i Timoteo fa tamy Jodasa dia nasainy nentina ny zaza amam-behivavy mbamin'ny fananany ho ao amin'ny fitoerana anankiray, atao hoe Kariniona, fa fitoerana tsy azo anihina sy sarotra hatonina io, satria hety ny làlana faleha amin'io faritany io. 22 Vao niposaka ny antokony voalohany momba an'i Jodasa, dia nivadi-po ny fahavalo, fa niseho nahatsiravina tamin'izy ireo ny fahefan'ilay mahita ny zavatra rehetra, ka vaky nandositra izy, ny sasany nankatsý, ny sasany nankarý, hany ka izy samy izy ihany no nifandratra sy nifanatrobaka tamin'ny sabatry ny tenany. 23 Nilozoka nanenjika azy ireo Jodasa, nasiany avokoa ireo olona meloka ireo, ka nahafatesany hatramin'ny telo alina, 24 Ny tenan'i Timoteo aza, latsaka eo an-tanan'ny miaramilan'i Dositeo sy Sosipatera ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy tamin'izy ireo, handefa azy soa aman-tsara, nilaza fa eo am-pelatanany ny havana sy ny rahalahin'ny ankabeazan'izy ireo. 25 Nomeny toky tamin'ny teny lava teo izy ireo fa tapa-kevitra ny handefa ireo olona ireo izy, sady tsy haninomaninona azy akory, hany ka dia nalefan'ny Jody izy, mba hamonjeny an'ireo rahalahiny. 26 Jodasa kosa tamin'izany, niroso nankao Kariniona sy amin'ny fitoera-masin'i Atargatisa, ka nahafaty dimy arivo amby roa alin-dahy tao. 27 Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo Jodasa, dia nitondra ny tafiny hamely an'i Efrona, tanàna mafy onenan'olona maro samihafa firenena; zatovo matanjaka avokoa, voalahatra eo anoloan'ny manda, no niaro azy tamin-kerim-po; ary milina aman-java-maranitra sesehena no efa niatrana teo amin'ny tanàna.

28 Nefa, nony avy niantso ny Tsitoha ilay manorotoro amin'ny fahefany ny herin'ny fahavalo, ny Jody, dia azony ny tanàna ary dimy arivo sy roa alin-dahy tamin'ireo nonina tao, no nataony niampatra amin'ny tany. 29 Niala tao izy, dia nandroso hamely ny tanànan'ny Sita, enin-jato stady avy ao Jerosalema. 30 Nilaza anefa ireo Jody nonina tao, fa tsara no nitondran'ny mponina azy, ary nahazo fanampiana tamin'izy ireo aza izy, tamin'ny andron'ny tsy fananany; 31 ka dia nisaotra ny Sitapolitana, ry Jodasa mbamin'ireo nomba azy, sady namporisika azy ireo hanohy ny fitiavany an'ireo iray razana aminy, amin'ny ho avy koa. Rahefa izany, dia niditra tao Jerosalema izy ireo, tamin'ny fotoana efa hiantombohan'ny fetin'ny Herinandro. 32 Taorian'ny Pantekoty izy ireo dia nandroso hamely an'i Gorjiasa izay komandy tao Idomea;

33 ka nivoaka io, nitondra miaramila an-tongotra telo arivo sy an-tsoavaly efa-jato. 34 Rafitra ny ady, ary tamin'izay, nisy potraka vitsivitsy ny Jody. 35 Ny lehilahy mahery anankiray atao hoe Dositeo mpitaingin-tsoavaly tamin'ny antokon'i Basenoro nisambotra an'i Gorjiasa, dia nitarika azy tamin'ny kapaotiny sy nifaoka azy mafy, fa ny hahazo sambo-belona an'io olona voaozona io no niriny: kanjo niantoraka tamin'i Dositeo ity mpitaingin-tsoavaly Trasa anankiray, dia nanapaka ny sorony, ka afa-nandositra tany Maresa Gorjiasa. 36 Tamin'izany kosa efa niady ela ny miaramilan'i Esdrina ka reraky ny havizanana, koa nitaraina tamin'ny Tompo Jodasa mba hiseho ho mpanampy azy ireo, sy ho filohany amin'ny ady. 37 Izay, dia noventensiny tamim-peo avo amin'ny tenin-drazany ny akoran'ady sy ny hira, ka nirotsaka tampoka tamin'ny miaramilan'i Gorjiasa izy, nataony vaky nandositra ireo. 38 Nanaraka izany, novorin'i Jodasa ny tafiny, dia nentiny ho ao an-tanànan'i Odolama, ary tonga ny andro fahafito amin'ny herinandro, ka nandio tena araka ny fanao izy ireo, dia nankalaza ny sabata teo amin'izany toerana izany.

39 Nony ampitso, tonga araka ny tsy maintsy ataony Jodasa sy ny namany naka ny vatan'ireo novonoina halevina ao amin'ny havany, amin'ny fasan-drazany. 40 Isam-batan'olona tamin'izy ireo, samy nahitany tao ambanin'ny akanjo, zava-masina avy amin'ny sampin'i Jamnia, sy andraran'ny lalàna Jody. Ka niharihary tamin'izy rehetra fa izany no antony nahafatesan'ireo. 41 Dia izy rehetra no indray nisaotra ny Tompo, mpitsara marina izay mampiharihary ny zava-miafina. 42 Rahefa izany, dia nanomboka nivavaka izy ireo nangataka mba havela tokoa ny fahotana natao; Jodasa ilay mahery fo kosa, namporisika ny vahoaka hiaro tena ho tsy voalotom-pahotana, fa he ity hita maso ny vokatry ny fahotan'izay maty. 43 Rahefa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin'ny fiheverana ny fitsanganana amin'ny maty, izany. 44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty, ny miaramila maty an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty. 45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an'izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an'izany sorona fanonerana izany ho an'ny maty, mba ho afaka amin'ny fahotany izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0974