Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-13

1 Tamin'ny taona fahasivy amby efapolo amby zato, ren'i Jodasa sy ny namany fa tamy hamely an'i Jodea Antiokosa Eopatora mitondra miaramila maro;

2 ary Lisiasa mpiahy amam-pandraharahany koa, nanaraka azy; izy roa lahy samy nitarika tafika greka, izay nisy miaramila an-tongotra iray alina amby iray hetsy, an-tsoavaly telon-jato amby dimy arivo, elefanta roa amby roapolo, ary kalesy misy antsy lava telon-jato. 3 Nikambana tamin'izy ireo koa Menelasa sady namporisika an'i Antiokosa tamim-pihatsaram-belatsihy lozan-tany, tsy mba ho famonjena ny tanindrazany anefa, fa noho ny fanantenany haverina amin'ny voninahiny indray.

4 Kanjo kosa, nampirehetin'ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, tamin'io tsy miroso-doza io, ny fahatezeran'i Antiokosa, fa nasehon'i Lisiasa tamin'ny mpanjaka fa Menelasa no fototr'izao loza rehetra izao, ka nasain'i Antiokosa nentina any Berea izy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin'izany fitoerana izany. 5 Fa nisy tilikambo anankiray tao, dimam-polo hakiho ny hahavony, feno lavenona voaisy milina mihodina eny an-tampony, ka hatraiza hatraiza, dia nampisisika ao anaty lavenona. 6 Ao no famarinan'ny vahoaka ao Berea ny olo-meloka nanao halatra sakrilezy, na diso tamin'ny heloka bevava sasany hafa koa. 7 Toy izany no nahafatesan'i Menelasa, ilay mpivadika ny lalana, ary rariny loatra ny tsy nandevenana azy. 8 Fa nanota imbetsaka tamin'ny otely izy, izay madio ny afo aman-davenony, ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana. 9 Dia nandroso ny mpanjaka; feno hevitra barbariana ny sainy, vonon-kamely mafy ny Jody mihoatra noho ny nataon-drainy izy.

10 Vao nahalala izany Jodasa dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman'alina mba hovonjeny amin'izao indray koa ireto olona 11 fa hoesorina amin'ny lalana, amin'ny tanindrazany, amin'ny tempoly masina; ary mba tsy havelany ho latsaka eo am-pela-tanan'ny firenena mankahala ny fivavahana ity vahoaka vao teo no nahita hiainana. 12 Nony efa niara-nivavaka toy izany sy nitaraina tamin'ny Tompo mpamindra fo izy rehetra nanao an-dranomaso sy nifady hanina sady nandohalika tsy tapaka nandritra ny hateloana, dia namporisihin'i Jodasa izy ireo ary nasainy hiomana mba ho vonona. 13 Ka niresaka manokana tamin'ny loholona izy aloha, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka, hitondra ny tafiny hiditra an'i Jodea, sy hahafaka an'i Jerosalema, fa hiroso miaraka amin'izay sy hamita ny raharaha amin'ny amin'ny fanampian'ny Tompo. 14 Koa nankininy tamin'ny Nahary an'izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran'ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin'ny fahafatesana, ho an'ny lalana, ho an'ny tempoly, ho an'ny tanana masina ary ho an'ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin'ny manodidina an'i Modina ny tafiny. 15 Izao aloha ny baiko nomeny: Fandresena amin'ny alalan'Andriamanitra, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin'ireo aztovo mpiady izy, dia namely tamin'ny alina ny lain'ny mpanjaka, nahafaty efatra arivo lahy izy tao an-toby; fanampin'ireo koa ny lehibe indrindra tamin'ny elefanta, mbamin'ny miaramila nentiny tao amin'ny tilikambo. 16 Hany ka nataony safotry ny fivadiham-po amam-pifanaritahana ny tao an-toby, vao nialany tamim-pahombiazana tanteraka. 17 Fa vita tomombana ny natao, vao nazava ratsy ny andro, noho ny fiarovana nomban'ny Tompo an'i Jodasa. 18 Nony nahatsapa ny herim-pon'ny Jody toy izany ny mpanjaka, dia izay hahazoana an-kafetsena ny tanàna indray no nandramany.

19 Niroso hamely an'i Betsora tanàna mimanda mafy an'ny Jody izy, kanjo voatosika, tsy nahomby, resy. 20 Nandefasan'i Jodasa izay nilainy ireo nafahirano tamin'izany. 21 Radokosa isan'ny tafiky ny Jody kosa anefa nilaza ny zava-miafina tamin'ny fahavalo; natao ny famotorana dia azo izy, ka natao an-tranomaizina. 22 Nifandrindra fanindroany tamin'ireo nafahirano ny mpanjaka, ka nanolotra tànana azy ireo, sy nandray ny azy, dia nihataka; 23 namely ny mpiadin'i Jodasa izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiokia, Filipo ilay navelan'i Epifana ho lohan'ny raharaha, ka niraviravy tànana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina, 24 ary noraisiny tsara Makabeo sady napetrany ho governoran'ny miaramila hatrany Ptolemaisa ka hatrany amin'ny Gereniana. 25 Kanjo nony tonga tao Ptolemaisa ny mpanjaka, nasehon'ny mponina tao ny fahasosorany noho ny fanekena, fa nahatezitra azy izany, sy tsy tiany akory ny hanatanteraka ny zavatra tapaka ao aminy. 26 Ka niakatra teo amin'ny fipetrahan'ny mpitsara Lisiasa niaro ny fanekena araka izay azo atao, dia nitaona sy nandamina tsara ny fon'ny olona, vao niainga ho any Antiokia. Toy izany no nalehan'ny famelezana sy fihatahan'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047