Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-14

1 Nony afaka telo taona, ren'i Jodasa sy ny namany fa hoe: niondrana avy ao amin'ny fitodian-tsambon'i Tripoli Demetriosa zanak'i Seleokosa, nitondra miaramila maro sy andian-tsambo,

2 ka nahalasa ny tany, sy namono an'i Antiokosa mbamin'i Lisiasa mpiahy azy. 3 Nisy anankiray izay atao hoe Alsima izay efa tonga mpisorona lehibe teo aloha, saingy nandoto tena an-tsitra-po, tamin'ny andron'ny fikorontanana, ka nahalala fa tsy misy azony anatonana ny otely masina intsony, 4 ka tonga nihaona tamin'ny mpanjaka Demetriosa izy, tamin'ny taona fahadimampolo amby zato, nanolotra izao ho azy: satrok'andriana volamena iray mbamin'ny sampan-drofia iray ary koa sampan'oliva vitsivitsy, araka ny fanatitra fanao amin'ny tempoly; ary tsy nanao afa-tsy izany izy aloha, tamin'io andro io. 5 Nahita fotoana azon'ny haratsiam-panahiny hararaotiny anefa izy, dia tamin'ny niantsoan'ny mpanjaka azy ho ao amin'ny fivorian'ny mpanolo-tsaina sy nanontaniany azy ny amin'ny toetra aman-kevitry ny Jody. 6 Ka hoy ny navaliny: Ireo Jody atao hoe Asideana, tarik'i Makabeo, no mpamelona ady amam-pikomiana, ary tsy zakany raha mandry fahizay ny fanjakana. 7 Ka noho izany, rahefa voaongana tamin'ny voninahitro lovako amin'ny razako aho, izany hoe, tamin'ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe, dia tonga teto, ary 8 velom-paniriana marina hanohana ny hajan'ny mpanjaka aho aloha; manaraka izany, mikendry izay mba hiadanan'ny iray tanindrazana amiko aho; fa loza loatra no manjo ny firenenay manontolo, azon'ny hasahian'ireo olona ireo loatra. 9 Ary hianao, ry mpanjaka, rahefa fantatrao izany rehetra izany izao, ataovy izay hamonjena ity taninay amam-pirenenay tra-pahoriana; araka ny hamoram-po izay mahatonga anao ho mora mifankahazo amin'ny olona rehetra. 10 Fa raha velona koa Jodasa, tsy mety ho vita ny mampandry fehizay ny fanjakana indray. 11 Vao niteny toy izany izy, ny sakaizan'ny mpanjaka sisa izay nankahala an'i Jodasa vao mainka koa nampirehitra fatratra ny hatezeran'i Demetriosa.

12 Nantsoin'io niaraka tamin'izay Nikanora, izay efa nifehy ny antokon'ny elefanta, notendreny ho jeneralin'ny tafik'i Jodea, dia nasainy nandeha; 13 nomeny teny an-tsoratra hampamono an'i Jodasa, hampiparitaka ireo namany ary hametraka an'i Alsima ho mpisorona lehibe amin'ny tempoly mendrika hohajaina. 14 Nanao andiany nivory nanaraka an'i Nikanora avokoa ireo Jentily nandositra niala tamin'i Jodea teo anoloan'i Jodasa, matoky marina fa ny voina aman-doza manjò ny Jody, dia hody soa ho azy ireo kosa. 15 Nony ren'ny Jody ny hihavian'i Nikanora sy hamelezan'ny Jentily dia nihosim-bovoka izy, sy nivavaka tamin'ilay nanorina ny vahoakany ho mandrakizay sy niaro tsy tapaka ny lovany, tamin'ny famantarana miharihary.

16 Vao nobaikoin'ny lehibeny izy dia niainga niaraka tamin'izay, ka nandraikitra ady tamin'ny fahavalo tao am-bohitr'i Desao. 17 Simona rahalahin'i Jodasa no nandrafitra ny ady tamin'i Nikanora, nefa tratry ny fisehoan'ny fahavalo tampoka ka voan'ny faharesena kely ihany izy. 18 Nikanora anefa nandre ny herim-pon'i Jodasa sy ny namany, mbamin'ny fahasahiana niadian'izy ireo ho an'ny tanindrazany, ka natahotra ny hanankina ny raharaha amin'ny fitsarana amin'ny ady. 19 Dia nirahiny Posidoniosa sy Teodota ary Matatiasa hanolotra ny tànany amin'ny Jody sy handray ny azy. 20 Nony ela no nandinihan'ny jeneraly ny fanekena naposaka dia nambarany tamin'ny tafika rehetra, ka rahefa niharihary fa miray hevitra avokoa izy rehetra no vao nekena ny hifampiraharahana. 21 Nisy andro anankiray notendrena hihaonan'izy roa lahy samy lohany mitokana, dia nankao Jodasa ary sezam-boninahitra no napetraka ho azy ireo. 22 Nisy miaramila mitam-piadiana anefa, napetrak'i Jodasa tao amin'ny fitoerana tsara rahateo, fandrao misy famadihana tampoka avy amin'ny fahavalo. 23 Nitoetra andro vitsivitsy tao Jerosalema Nikanora, tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza, nalefany hody avokoa ny vahoaka nivory nitsitokotoko. 24 Nifankahazo toy ny sakaiza fatratra tamin'i Jodasa izy ary voasintona hiraiki-po aminy mihitsy aza. 25 Notaritiny hanam-bady izy mba hiteraka; dia nanambady tokoa Jodasa ka nivelona tamim-piadanana sy niarana tamin'ny fiainana. 26 Nahita ity fisakaizana nanjaka tamin'izy ireo Alsima, ka nokopiaziny ny fanekena natao, dia lasa izy nankany amin'i Demetriosa nilaza taminy fa manao hevitra mifanohitra amin'izay hanasoa ny fanjakana Nikanora, satria Jodasa fahavalon'ny fanjakana indray no notendreny hisolo azy.

27 Nisamontitra ny mpanjaka tamin'izany; nentanin'ny endrikendrik'ilay tsy misoro-doza io izy, ka nanoratra ho an'i Nikanora nilaza ny tsy fankasitrahany velively ny fanekena natao, sy nandidy azy handefa faingana an'i Makabeo migadra, ho any Antiokia. 28 Nivarahontsana foana Nikanora no nandray izany taratasy izany; mafy aminy loatra ny hamadika ny fanekena efa raikitra, sady tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza Jodasa. 29 Tsy azony atao anefa ny manohitra ny mpanjaka, ka dia izay fotoana tsara hanatanterahany ny didiny, amin'ny tetik'ady, no notadiaviny. 30 Makabeo kosa tetsy an-daniny nahita fa niolonolona taminy Nikanora ary nihanangatsiaka ny fifankahazoany taminy an-davanandro; dia nahalala fa tsy fambara tsara velively izany fangatsiaham-po izany ka namory ny maro tamin'izay momba azy izy dia nihataka tamin'i Nikanora. 31 Vao hitan'i Nikanora fa voasingotry ny herim-pikasan'i Jodasa izy, dia nankao amin'ny tempoly mendrika hohajaina sy masina izy, raha ilay nanatitra ny sorona fanao iny ireo mpisorona ka nandidy azy ireo hanolotra izany lehilahy izany aminy. 32 Nony nilaza marina tamim-pianianana ireo fa tsy mahalala izay misy ny lehilahy tadiaviny akory, dia naninji-tànana tamin'ny tempoly Nikanora, 33 sady nianiana nanao hoe: Raha tsy atolotrareo ahy migadra Jodasa, ity fitoerana masin'Andriamanitra ity hofongorako hitovy amin'ny tany, ny otely ho ravako, ary tempoly kanto ho an'i Bakosa no hatsangako eto. 34 Avy niteny izany izy, dia lasa. Ny mpisorona kosa tetsy an-daniny nanangan-tànana niandrandra ny lanitra, niantso ilay niady ho an'ny firenentsika izay ela izay, nanao hoe: 35 Tompo ô, tsy mila na inona na inona hianao, nefa sitrakao ho eto afovoanay ny tempoly honenanao. 36 Koa ankehitriny, ry Tompo masina amin'ny fahamasinana rehetra, arovy tsy ho voan'ny loto na inona na inona ity fonenana vao avy nodiovina ity. 37 Ary nampangaina tamin'i Nikanora ity olona anankiray atao hoe Razisa, anankiray amin'ny loholon'i Jerosalema, lehilahy tia ny iray tanindrazana aminy izy io, sady tsara laza indrindra, ka natao hoe rain'ny Jody, noho ny soa nataony.

38 Fa tamin'ny andro tany aloha, izay tsy maintsy ho nihatahana tsy hifankahazoana akory amin'ny mpanompo sampy, dia nahatarika fiampangana azy ho manaraka ny fivavahan'ny Jody izy ary tamim-paharetana tsy azo nohozongozonina no nanaovany vy very ny tenany aman'ainy ho an'ny fivavahan'ny Jody. 39 Tian'i Nikanora ny haneho famantaran'ny fankahalany ny Jody, ka miaramila diman-jato lahy mahery no nirahiny hisambotra azy; 40 satria tsy nisalasalany akory fa fahavoazana lehibe ho an'ny Jody ny fisamborana azy. 41 Efa ho azon'io antoko-miaramila io ny tilikambo, efa hidirany an-keriny ny efitra fidirana ary efa nahazo baiko handoro azy sy hanakila ny varavarana izy ireo; kanjo nony efa ndeha hisambotra an-dRazisa izy, niantoraka tamin'ny sabany izy, 42 fa naleony maty amim-boninahitra toy izay voasambotry ny tanan'olo-meloka, sy iharan'ny fanevatevana tsy mendrika ny fiandrianany. 43 Nikoropaka loatra anefa izy, ka tsy voa tamin'ny faritra mety hahafaty ny tenany; nony nahita ity vahoaka nibosesika teo amin'ny varavarana izy, nihazakazaka tamin-kerim-po nankany an-tampon'ny manda, dia nivarina an-kasahiana teo amin'ny vahoaka. 44 Nisava niaraka tamin'izay izy rehetra, ka nisy fitoerana nanjary foana teo, dia teo afovoan'io izy no nianjera. 45 Mbola velona izy ary nirehitra ny fony, ka niarina, nanorika tamin'ny tenany rehetra ny ra, ary na dia voaràtra mahatsiravina aza izy dia nihazakazaka namakivaky ny vahoaka, nitsangana teo ambonin'ny vatolampy anankiray, nijoro teo, 46 ary efa lany ra mihitsy, dia noraotiny ny tsinainy ka natsipiny tamin'ny tànany tao amin'ny vahoaka, dia nangataka tamin'ny Tompon'ny aina amam-panahy izy, mba hamerina izany aminy, indray andro any; toy izany no nahafatesany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0435