Boky Faharoan'ny Makabeo
2 Makabeo toko 15
Teny fanevatevana an'Andriamanitra nataon'i Nikanora - Fisehoan'i Oniasa sy Jeremia - Ny nandresena an'i Nikanora - Fanokanana fety fahatsiarovana amin'ny 13 Adara.
1Ren'i Nikanora tamin'izany fa naka toerana any akaikin'i Samaria Jodasa sy ny namany, ary nikasa hamely azy tsy amin'ahiahy izy amin'ny andro sabata. 2Nilazan'ireo Jody noterena hanaraka azy izy, nataony hoe: Aza mamono azy ireo, amin'ny fomba masiaka sy barbariana toy izany, fa omeo voninahitra ny andro izay efa nohajaina sy nohamasinin'ilay mitondra izao rehetra izao. 3Tamin'izay ity tsy misoro-doza fatin-tany, nanontany raha misy tompo nandidy ny hankalazana ny andro sabata. 4Ka hoy ireo namaly azy: Tsy iza fa ny Tompo Andriamanitra velona, ilay Tompo lehibe indrindra any an-danitra, dia izy no nandidy ny hankalazana ny andro fahafito. 5Fa hoy kosa izy: Izaho koa dia tompo lehibe indrindra eto an-tany ary mandidy handray fiadiana sy hanao ny fanompoana ny mpanjaka. Kanjo tsy nahazo nanatanteraka ny fikasan-dratsiny izy.
6Raha mbola nentanin'ny fitokiany feno avona teo Nikanora ka nihevitra hanangana fahatsiarovana ny indray namaboany an'i Jodasa sy ny namany, 7Makabeo kosa tsy nitsahatra ny nitoky tamin'ny fanantenana lavorary ny hahazo fanampiana avy amin'ny Tompo. 8Namporisika ireo nomba azy izy tsy hatahotra ny famelezan'izay firenena, fa hahatsiaro ny vonjy nomen'ny Lanitra azy ireo taloha, hatoky fa ilay mahefa ny zavatra rehetra, dia mbola hanome azy fanampiana amam-pandresena amin'izany fotoana izany. 9Nankahereziny izy ireo, tamin'ny teny nalainy tamin'ny lalàna sy ny mpaminany, mbamin'ny fampahatsiarovany azy ny ady efa voatohany, ka nataony feno harisihana mirehitra izy ireo. 10Nony avy namelona ny herim-pon'ireo indray izy, dia nomeny ny baikony, nasehony azy koa ny famitahan'ny Jentily sy ny fivadihany amin'ny fianianany. 11Rahefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin'ny toky avy amin'ny ampinga aman-defona ihany fa tamin'ny toky avy amin'ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoana, sy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra. 12Izao no hitany: Oniasa mpisorona lehibe ilay lehilahy mpanao soa mora hatonina, malemy fanahy, kanto raha handaha-teny, nikely aina hatramin'ny fahazazany amin'ny fanarahana ny hatsaram-panahy rehetra; naninji-tànana nivavaka ho an'ny firenena Jody manontolo, no nahitany azy. 13Nanaraka izany, niseho taminy torak'izany koa, izany lehilahy anankiray be fahamendrehana noho ny hamaroan'ny taonany, sy ny tarehiny mahate-hanaja; mahatalanjona ny fijery azy, ary voahodidina fiandrianana mahamena-maso indrindra izy. 14Oniasa no niteny ka nanao taminy hoe: Ity no Jeremia, mpaminanin'Andriamanitra, sakaizan'ny rahalahiny, mazoto mivavaka ho an'ny firenena sy ny tànana masina. 15Rahefa izany, naninjitra ny tànany havanana Jeremia, nanolotra sabatra volamena an'i Jodasa ka hoy izy teo am-panolorana izany: 16Raiso ity sabatra masina ity, famonjen'Andriamanitra ity, ary amin'ity no hanorotoroanao ny fahavalonao.
17Izany teny mendrika avy amin'i Jodasa izany, izay mety hitarika ny olona hahery fo sy hampitomban-dahy ny tovolahy, dia nampirehitra azy ireo, ka tapa-kevitra tsy hiaro tena fotsiny eo an-toby fa hiantoraka an-kasahiana amin'ny fahavalo, hikiry amin'ny ady, ary hamita ny raharaha, fa ambanan-doza ity ny tanàna, ny fivavahana, ny tempoly. 18Tamin'izany ady izany, tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janany, na rahalahy aman-kavany, fa ny nahiny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina. 19Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin'ireo vahoaka tafajanona tao an-tanàna; nanahy izay hiafaran'ny ady efa ho rafitra any ivelany izy ireo.
20Raha ny olona rehetra nitaintaina amin'izay hiafaran'ny ady efa antomotra, raha ny fahavalo nivory nilahatra hiady ary ny elefanta efa voalamina amin'ny toerana mety sy ny mpitaingin-tsoavaly teo amin'ny vazan-tafika, 21Jodasa kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan'ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin'ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tànana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin'ny herin'ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an'izay mendrika azy. 22Izao no vavaka nataony: Ry Tompo lehibe indrindra, hianao tamin'ny andron'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, no naniraka ny anjelinao sy nandringana miaramila dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy, tamin'ny tobin'i Senakeriba; 23koa ankehitriny, ry Tompon'ny lanitra lehibe indrindra, iraho indray ny anjelinao soa eo anoloanay handrotsaka tahotra amam-badi-po. 24Ny herin'ny sandrinao anie no hamely an'ireo tonga hamely ny vahoakanao masina, sady miteny ratsy an'Andriamanitra. Izany no teny nataony.
25Tamin'izany Nikanora sy ny tafiny, nandroso tamin'ny feon-trompetra aman-kiran'ady. 26Jodasa sy ny momba azy kosa nandrafitra ny ady tamim-piantsoana sy fivavahana. 27Niady tamin'ny tànany izy, ary nivavaka tamin'Andriamanitra tao am-pony, ka dimy arivo sy telo alina, raha dia kely, no natsingidiny tamin'ny tany; dia faly sy ravo izy ireo tamin'ny vonjy miharihary avy amin'Andriamanitra. 28Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny izy ireo, dia indro hitany niampatra teo koa Nikanora nitafy ny akanjo fiadiany; 29ka hoby sy hahohaho be ihany no nisaorany an'ilay Tompo lehibe indrindra tamin'ny tenin-drazany. 30Ary Jodasa ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan'ny hatanorany ho an'ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan'i Nikanora, mbamin'ny tànany miray amin'ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema. 31Nankany koa ny tenany, nantsoiny ny iray firenena aminy mbamin'ny mpisorona dia nankao anoloan'ny otely izy; nampanalainy izay ao amin'ny trano mimanda, 32dia nasehony azy ireo ny lohan'i Nikanora mbamin'ny tànana nahinjitr'io mpiteny ratsy an'Andriamanitra io tamim-pireharehana, amin'ny fonenana masin'ny Tsitoha. 33Rahefa izany, notapahiny ny lelan'i Nikanora mpankahala ny fivavahana; nasainy nomena, voatetika, ho sakafon'ny voromanidina, ary nasainy nahantona tandrifin'ny tempoly, ny tamin'ny hadalany. 34Fisaorana ny Tompo be voninahitra no nasandratry ny olona rehetra ho any an-danitra, nanao hoe: Isaorana anie Ilay niaro ny fonenany tsy voakasi-doto! 35Nahanton'i Jodasa teo amin'ny trano mimanda ny lohan'i Nikanora ho famantarana miharihary sy mety hitan'ny olon-drehetra ny vonjy avy amin'ny Tompo.
36Nifanarahan'ny olona ny hamoaka didy am-pahibemaso mba tsy hamela izany andro izany tsy hankalazaina, 37fa hankalaza ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo atao hoe Adara, amin'ny teny siriaka, dia ny omalin'ny andro atao hoe andron'i Mardokea.
38Toy izany ny zavatra nitranga momba an'i Nikanora ary satria hatramin'izany andro izany dia nipetraka ho fananan'ny Hebrio ny tanàna, dia taperiko eo koa ny tantarako. 39Raha vita amim-pahaizana sy voaforon'ny saina tsara ny filaharan'ny zavatra, dia izany koa no nokendreko; ary raha tsy lavorary sy ratsiratsy aza izy, dia izay no hany azoko natao. 40Satria toy ny hoe samy tsy tsara ny misotro divay fotsiny, na rano fotsiny, fa ny divay miaro amin'ny rano no tsara sy miteraka fahafinaretana maharavo; toy izany koa, ny fahaizana mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny sofin'izay mamaky ny tantara, ka dia faranako eto izy. >