Boky Faharoan'ny Makabeo
2 Makabeo toko 4
Oniasa miampanga an'i Simona - Misazoka ny raharahan'ny mpisorona lehibe Jasona, ary izy indray nosongonan'i Menelasa.
1Io Simona voalaza teo io, ilay mpitati-bolana ny amin'ny rakitra sy ny tanindrazany, io no nilaza ratsy an'i Oniasa: Izy io hoy izy, no namoky an'i Heliodora, izy no fototry ny loza rehetra. 2Sahiny nolazaina ho mpanohitra ny fanjakana, ilay mpanao soa ny tanàna, sy mpiaro ny mpiray tanindrazana aminy, ary mpitandrina mahatoky ny lalàna. 3Lasa lavitra loatra izany fandrafiana izany, fa vonoan'olona aza no vitan'ny iray amin'ny mpiandany amin'i Simona. 4Ka nony nodinihin'i Oniasa ny loza avy amin'izany fifampiandaniana izany, sy ny hatezeran'i Apolloniosa governoran'ny miaramilan'i Sele-Siria sy Fenisia, izay namporisika ny haratsian'i Simona, dia lasa izy nankany amin'ny mpanjaka; 5tsy ny hiampanga ny mpiray tanindrazana aminy no nokendreny, fa ny soa an-kapobe sy manokana ho an'ny vahoakany rehetra. 6Satria hitany fa tsy misy azo andaminana izany toe-javatra izany sy hampiala an'i Simona amin'io zava-mahameloka efa natombony io, afa-tsy ny fanelanelanan'ny mpanjaka ihany.
7Nony maty anefa Seleokosa, ka Antiokosa, natao hoe koa Epifana, no nandimby azy, dia nanao izay hisazohany ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe Jasona rahalahin'i Oniasa. 8Lasa izy niresaka tamin'ny mpanjaka nampanantena azy talenta volafotsy enimpolo amby telon-jato sy talenta valopolo avy amin'ny zavatra niditra hafa koa. 9Nampanantena koa izy, ny hanao fanekena an-tsoratra fa hanome talenta dimampolo amby zato koa indray, raha homena làlana izy mba hanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, hisy fitoerana voatokana ho an'ny zatovolahy, miankina amin'ny fahefany ihany sy voalahatra araka ny heviny, ary handatsaka ny mponina ao Jerosalema ho isam-bahoakan'i Antiokosa. 10Neken'ny mpanjaka avokoa izany. Vao lasan'i Jasona ny fahefana, dia rafitra nampiditra ny fomba greka teo amin'ny mpiray tanindrazana aminy izy. 11Nofoanany ny fanafahana nomen'ny mpanjaka nentin'ny halemem-panahy ho an'ny Jody, noho ny nataon'i Joany, zanak'i Eopolema, izay nalefa ho ambasadaoro hanao fanekem-pihavanana sy fisakaizana amin'ny Romana; dia noravany ny sata ara-dalàna, fa ny fomba manohitra ny lalàna no naoriny. 12Fahafinaretana ho azy, ny nanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, teo am-pototry ny Akropola mihitsy, sy nanabe ny zaza avo firazanana indrindra nampanaoviny satroka be sofina. 13Nandroso fatratra ny fanarahana ny fomba greka, ary hita nifanarototra ny olona hanaraka ny fomban'ny firenen-kafa, voatariky ny haratsiana mihoa-pampana nananan'i Jasona, lehilahy mpakahala fivavahana, fa tsy mpisorona lehibe velively akory, 14ka ny mpisorona, efa tsy naneho fahazotoana kely akory, amin'ny fanompoana eo amin'ny otely intsony; ny tempoly notsiratsirainy, ny sorona nataony tsirambina, fa ny ho isan'ny hanao izay asa tena, raran'ny lalàna, any an-tokotany fanaovana asa tena no nahamaika azy, raha vao re ny fiantsoana hanao an-tsipibe. 15Tsy nasiany raharaha akory ny raharaha be voninahitra teo amin'ny taniny, fa ny ambony tamin'ny Greka no nataony ho zava-dehibe. 16Noho izany, nidiran-doza lehibe izy, ary ireo indrindra izay narahiny toe-piainana, sy notadiaviny hotahafina amin'ny zavatra rehetra aza no nahitany fahavalo amam-pampahory. 17Fa tsy afa-potsiny akory izay mandika ny didin'Andriamanitra; ho hita anefa izany amin'ny zavatra mbola hanaraka.
18Tamin'ny nanaovana ilay lalao fanao isan-dimy taona tany Tira, izay natrehin'ny mpanjaka, 19dia nandefa mpizaha, isam-bahoakan'i Antiokia, avy ao Jerosalema, Jasona olo-meloka, nampitondrainy drakma volafotsy telon-jato, hanaovan-tsorona amin'i Herkola: ireo nitondra azy mihitsy no nangataka mba tsy hanaovan-tsorona, izay tsy fanao, izany vola izany, fa hoenti-manentsina ny lany amin'ny zavatra hafa. 20Ka ireo drakma telon-jato ireo, dia nokendren'ilay nandefa azy hanaovan-tsorona ho fanajana an'i Herkola, nefa nolanina tamin'ny fanaovan-tsambo misy fivoy intelo miantoana, araka ny fanirian'ireo nitondra azy.
21Nony nirahina ho any Ejipta Apolloniosa zanak'i Menestea, tamin'ny nisehoan'i Ptolemea Filometora mpanjaka, dia ren'i Antiokosa fa tsy tia azy, io mpanjaka io; koa nitady hiaro tena aminy mialoha izy, ka nankany Jope, dia tany Jerosalema indray nony avy ao. 22Fatratra ny nandraisan'i Jasona sy ny tao an-tanàna azy, fa notsilovin'ny fanilo sy narahin'ny hoby no niakarany; dia nentiny ho any Fenisia koa ny foloalin-dahiny.
23Nony afaka telo taona, nirahin'i Jasona Menelasa rahalahin'ilay Simona teo ambony, hanatitra ny vola tamin'ny mpanjaka sy hanefa ny fandoa amin'ny fanoratana raharaha lehibe amin'ny bokim-panjakana. 24Kanjo Menelasa nitady fahitana tamin'ny mpanjaka sy nanome voninahitra azy tamin'ny nanaovany fihetsiky ny olona ambony, ary nanao izay hanomezana ny tenany ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe; nanolotra talenta volafotsy telon-jato, mihoatra noho ny nataon'i Jasona. 25Nony voarainy tamin'ny mpanjaka ny taratasy fananganana azy ho mpisorona lehibe, dia niverina ho any Jerosalema izy, tsy nanana na inona na inona nahamendrika azy ny fisoronana, tsy nitondra afa-tsy ny toetry ny mpanapaka masiaka sy ny haromotan'ny biby dia. 26Noho izany Jasona izay efa namitaka ny rahalahiny, dia mba nofitahin'ny hafa kosa indray, ka hany heriny nandositra tany amin'ny tanin'ny Amonita. 27Ny amin'i Menelasa kosa, nahazo ny fahefana izy, nefa tsy nahatanteraka ny vola nampanantenainy ny mpanjaka tamin'izany, na dia efa nitaky aza Sostraty komandin'ny Akropola, 28tompon'adidy amin'ny fandraisan-ketra; ka dia samy voa-antso ho any amin'ny mpanjaka izy roa lahy. 29Menelesa moa nametraka an'i Lisimàka rahalahiny ho mpisorona lehibe, misolo azy; Sostraty kosa nametraka an'i Koratesa governoran'i Sipra ho solony.
30Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia mba niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Mallasa, satria natolotra natao fanomezana ho an'i Antiokida, vadi-tsindranon'ny mpanjaka ireo tanàna roa ireo. 31Ka niainga faingana ny mpanjaka, hanaketraka izany fikomiana izany; fa Andronika, iray amin'ireo mpifehy ambony no navelany hisolo azy.
32Hitan'i Menelasa fa manambina azy ny toe-javatra ka nalainy ny kapoaka volamena vitsivitsy tao amin'ny tempoly nomeny an'i Andronika, ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tira sy tamin'ireo tanàna manodidina. 33Nony fantatr'i Oniasa marina izany heloka vao nataon'i Menelasa izany indray, dia nandefa faniniana azy izy, rahefa tafahataka tao amin'ny toerana fialofana tany Dafne, akakin'i Antiokia. 34Koa nalain'i Menelasa mangingina kosa Andronika, ary notereny hamono an'i Oniasa. Dia nankany amin'i Oniasa Andronika, nanao hafetsena, nanolotra ny tànany havanana taminy, tamim-pianianana; rahefa izany, na dia nampiahiahy aza, nahatarika azy hivoaka avy ao amin'ny fialofany, dia novonoiny niaraka tamin'izay izy, tsy nasiany raharaha akory izay rariny. 35Tamin'izany, tsy ny Jody ihany, fa betsaka koa tamin'izay hafa firenena no tezitra tamin'ny famonoana tsy an-drariny an'izany lehilahy izany. 36Ka nony tonga avy any Silisia ny mpanjaka, na ny Jody tao Antiokia, na ireo Greka mankahala ny fanaovana an-keriny koa, dia samy tonga tao aminy, noho ny amin'ny namonoana tsy an-drariny an'i Oniasa. 37Tafalatsaka lalina tao am-pon'i Antiokosa ny alahelo an'i Oniasa; nangoraka azy mafy izy, ka nirotsaka ny ranomasony nahatsiahy ny fahononan-tena amam-pitondran-tena hendry fatratra nataon'ity maty. 38Noho ny hatezerany, nasainy nesorina niaraka tamin'izay ny jaky teny amin'i Andronika, dia norovitina ny fitafiany, notaritarihina eran'ny tanàna izy, ary naongany teo amin'ny toerana nanatanterahany tamin-kasahiana ny famonoana an'i Oniasa ihany, ilay tsy mifaditrovana, ka dia nasian'ny Tompo tamin'ny sazy tandrifin'azy izy.
39Ary nisy hala-javatra masina betsaka nataon'i Lisimàka niray tetika tamin'i Menelasa tao an-tanàna, ka niodina tamin'i Lisimàka ny vahoaka, nony efa be sahady no tafahahaka ny kapoaka volamena. 40Nony nahita ity vahoaka nikomy sy izany fo mirehi-pahatezerana Lisimàka, dia nomeny fiadiana ny lehilahy sahabo ho telo arivo, ka rafitra namely an-keriny, notarihin'olona anankiray atao hoe Tiràna, lehilahy sady be taona no tsy latsa-paharatsiana koa. 41Vao nahalala ny famelezan'i Lisimàka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany kosa langilangy, misy aza nandraoka lavenona hitany teo, nafafiny tamim-pihorakorahana tamin'ny andanin'i Lisimàka. 42Ka betsaka no naratrany tamin'ireo mpiandany aminy, maro no matiny ary ny sisa rehetra nataony vaky nandotsitra, ary ilay mpamotsifotsy ny zavatra masina, dia novonoiny teo akaikin'ny trano firaketan'ny tempoly. 43Rahefa izany, natomboka ny famotorana momba izany zavatra izany hamelezana an'i Menelasa. 44Nony tonga tao Tira ny mpanjaka, dia nasehon'ny olona telo lahy, nirahin'ny loholona, taminy, ny fahamarinan'ny fiampangany. 45Hitan'i Menelasa fa resy izy, ka nampanantenainy vola be Ptolemea, zanak'i Dorimena, mba hampahazo fitia azy amin'ny mpanjaka. 46Dia notarihin'i Ptolemea ho eo ambanin'ny lavarangana manodidina ny mpanjaka, mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany. 47Nolazain'ny mpanjaka ho tsy diso araka ny fiampangana nitoriana azy Menelasa, nefa diso marina tokoa izy io nanao ny heloka rehetra, fa nohelohiny ho faty kosa iretsy fadiranovana, nefa na dia teo anatrehan'ny Sita aza no nitondran'ireo ny fitarainany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny, 48ka dia niaritra izany fanamelohana tsy marina izany, tsy misy hatak'andro akory, ireto olona nitolo-tena niaro ny tanàna sy ny vahoaka ary ny zavatra masina. 49Hatramin'ny Tiriana avy no tezitra tamin'izany ka nanao fandevenana kanto ho an'ireto novonoina. 50Fa Menelasa kosa, noho ny fitiavam-bolan'ny manam-pahefana, dia tafajanona tamin'ny voninahiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin'ny mpiray tanindrazana aminy. >