Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-5

1 Takaikin'izany andro izany, nandamina fanafihana an'i Ejipta fanindroany indray Antiokosa.

2 Ary tamin'izany, eran'ny tanàna naharitra sahabo ho efapolo andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly niseho nihazakazaka teny amin'ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika; 3 dia nisy kosa antokon-tsoavaly voalahatra hiady, famelezana amam-pikatrohana ny an-daniny avy, firefodrefotr'ampinga aman-defona sesehena, sabatra notsoahana tamin'ny tranony, longy natoraka, fanjelajela-piadiana, mbamin'ny fiarovan-tratra isan-karazany. 4 Ka noho izany samy nivavaka avokoa ny olona rehetra, mba ho fambara tsara ho azy izany fisehoana izany. 5 Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty Antiokosa, ka naka miaramila tsy latsaka ny arivo Jasona, dia tonga namely tampoka ny tanàna. Niezaka namonjy ny manda ny mponina nefa afany ihany ny tanàna, ka niery tao amin'ny trano mimanda Menelasa. 6 Nianjadian'i Jasona tsy nananany antra akory ny mpiray tanindrazana aminy, tsy noheveriny fa ny andro iray naharesena ny mpiray tanindrazana amin'ny tena, no andro very mampalahelo indrindra; fahavalo no nataony ho nahazoam-pandresena, fa tsy olona iray tanindrazana aminy. 7 Sady tsy afa-nahazo ny fahefana anefa izy, no nahazo henatra tamin'ity teti-dratsy nataony, ka heriny nandositra nankany amin'ny tanin'ny Amonita. 8 Izao no niafaran'ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin'i Aretasa mpanjakan'ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin'ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana amam-piray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta. 9 Nanesi-tany olona betsaka handao tanindrazana izy, ka mba maty tany an-tanin'olon-kafa kosa indray nony efa nankany Lasedemona nanantena hahita fialofana tany, noho ny maha-iray nihaviana. 10 Nampiampatra olona betsaka tamin'ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa, na mpikarakara levenana, na nalevina am-pasan-drazana akory. 11 Nony avy izay nahalalan'ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana.

12 Nodidiany ny miaramila hamono tsy hanana antra akory izay azon'ny tànany sy hamono izay miakatra any ambony tafon-trano. 13 Zatovolahy sy anti-dahy no novonoina toy izany, lehilahy lehibe sy zaza amam-behivavy no maty toy izany, zatovovavy sy zaza minono no novonoin-ko faty toy izany. 14 Valo alina no isan'ny olona nahita loza tamin'izany hateloana izany: ny efatra alina maty novonoina; ny torak'izay kosa namidy ho andevo. 15 Tsy mbola afa-pon'izany halozana izany anefa izy, fa mbola sahiny nitsofohana indray koa ny tempoly, ilay masina indrindra amin'ny tany rehetra, ka Menelasa mpamadika ny lalàna aman-tanindrazany no mpitarika azy. 16 Nalain'io tamin'ireto tànany maloto ny zavatra masina, notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka sasany, hampitombo voninahitra amam-piamboniana io fitoerana io, ka napetrany eo an-tànana tsy voahasina. 17 Antiokosa izany nobohizin'ny fiavonavonana tao am-pony, tsy nandinika fa noho ny fahotan'ny mponina no nahatezitra ny Tompo amin'ny andro fohy ihany, ka izany no namiliany ny masony tsy hijery izany fitoerana izany. 18 Fa raha tany kosa tsy meloka tamin'ny fahotana be dia be izy ireo, dia ny tenany kosa hatramin'ny vao tonga izy no tsy maintsy ho voakapoka sy voasakana amin'izao hasahiany izao, tahaka an'i Heliodora nirahin'ny mpanjaka hizaha ny rakitra. 19 Tsy noho izany fitoerana izany anefa no nifidianan'Andriamanitra ny vahoaka fa noho ny vahoaka no nifidianany an'izany fitoerana izany. 20 Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin'ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin'ny soa avy amin'ny Tompo koa nanaraka izany; haolo izy aloha nohon ny hatezeran'ny Tsitoha, vao naverina tamin'ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin'ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra. 21 Talenta valon-jato amby arivo no nongoahan'i Antiokosa avy ao amin'ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiokia izy; ka azon'ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan'ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin'ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin'ny ranomasina. 22 Nametraka mpanao raharaha hampahory ny vahoaka izy, dia tao Jerosalema, Filipo avy any Frizia, masiaka noho ilay nametraka azy; 23 tao Garizima, Andronika, ary afa-tsy ireo, Menelasa izay ratsy lavitra noho ny hafa, nanandra-tena an'avonavona ho ambony noho ny iray tanindrazana aminy, 24 nanao an-dolom-po tamin'ireo Jody tia tanindrazana. Fanampin'izany, nalefan'i Antiokosa koa Apolloniosa tsivalahara nitondra tafika nisy miaramila roa arivo sy roa alina nomeny didy hamono ny lehilahy rehetra ampy taona, sy hivarotra ny zaza amam-behivavy. 25 Nony tonga tao Jerosalema Apolloniosa, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan'ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany. 26 Ka izay rehetra nivoaka hizaha, nasainy novonoina avokoa; dia niara-nitety tao an-tanàna izy sy ny miaramilany namono olona maro ho faty. 27 Ary Jodasa Makabeo, izy no fahafolony, nihataka nankany an'efitra nanao toe-piainan'ny biby dia tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ireo namany, tsy nihinana afa-tsy ny zava-maitso, na oviana na oviana, mba tsy handoto ny tenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0826