Boky Faharoan'ny Makabeo
2 Makabeo toko 7
Ny namonoana azy fito mirahalahy sy ny reniny noho ny firaiketam-pony tamin'ny lalana.
1Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa, noraran'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby. 2Niteny tamin'ny anaran'izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalan'ny razanay. 3Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hanokoana ny lapoaly amam-bilany. Vantany vao nafana mahamay ireo, 4dia io niteny tamin'ny anaran'izy rehetra no nasainy tapahina ny lelany, hodirana ny lohany, tapahina eo imason'iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny ny tongotr'aman-tanany. 5Nony voabory manontolo toy izany io, nasainy natao teo akain'ny afo mbola miaina ihany sy nendasina teo amin'ny lapoaly. Ilay mihahaka lasan-davitra eo ny fofona avy eo amin'ny lapoaly, izy mirahalahy avy mbamin'ity reniny kosa nifamporisika samy ho faty an-kerim-po. 6Marhiratra ny Tompo Andriamanitra, hoy izy ireo, ary mangoraka antsika marina tokoa izy, araka ny voalazan'i Moizy, ao amin'ny tonon-kira milaza an-kitsiloha mananatra an'Israely hoe: Hamindra fo amin'ny mpanompony izy.
7Toy izany no nahafatesan'ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijalina ny faharoa. Nohodirana ombam-bolony aloha ny lohan'io, dia nanontaniana izy raha mety hihinana henan-kisoa, alohan'ny hampijalina azy amin'ny rantsam-batany rehetra. 8Namaly io tamin'ny tenin-drazany nanao hoe: Tsia, ka dia niaritra fampijaliana torak'ilay voalohany koa izy. 9Hoy izy nony efa ho tapitra ny ainy: Hianao tsy misoro-doza izao manala anay amin'ny fiainana ankehitriny; fa ilay mpanjakan'izao tontolo izao kosa, hanangana anay ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa maty noho ny tsy fivadihana amin'ny làlany izahay.
10Nanarakaraka io, nampijalina indray ny fahatelo. Vao nasain'ny mpamono nataony, dia natrangany niaraka tamin'izay ny lelany, nahinjiny tsy aman-tahotra ny tànany, 11ary nolazainy an-kerim-po mahate-hidera izao: Ny Lanitra no nahazoako ireto rantsam-batako ireto; noho ny lalàny anefa tsy ataoko ho zavatra ireto: ary avy aminy no antenaiko hahazoana an'ireto indray, indray andro any. 12Na ny tenan'ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga avokoa tamin'ny herim-pon'io tovolahy io, fa tsy nahoany akory izay fijaliana.
13Maty io, dia fijaliana torak'ireo ihany koa no nahatra amin'ny fahefatra. 14Hoy izy, nony efa hiala aina: Sambatra izay matin'ny tànan'olombelona manam-panantenana avy amin'Andriamanitra, fa hatsangany amin'ny maty! Fa raha hianao kosa, dia tsy mba ho amin'ny fiainana ny fitsangananao amin'ny maty.
15Nentina indray ny fahadimy, dia nampijaliana. Fa nibanjina ny mpanjaka io, ka nanao hoe: 16Na dia olona mety maty aza hianao, dia manam-pahefana amin'ny olombelona, sy manao izay tianao. Aza ataonao anefa, fa afoin'Andriamanitra ny firenenay. 17Fa hianao kosa, hahita ny fahefany lehibe, sy ny hampijaliany anao mbamin'ny firenenao.
18Nanarakaraka an'io, dia nentina ny fahenina. Hoy izy nony efa ho faty: Aza mamita-tena foana hianao, fa izahay ihany no nitarika izao loza izao hanjò ny tenanay, noho ny nanotanay tamin'Andriamanitra ihany, ka niharan'ny loza mahatalanjona. 19Hianao anefa aza mihevitra ny ho afa-potsiny rahefa sahy niady tamin'Andriamanitra.
20Mahagaga mihoatra izay azo lazaina, sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin'ny indray andro monja; nefa notohanan'ny fanantenana ao amin'ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po. 21Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin'ny fitenin-drazany ary feno hevitra mendrika indrindra izy, ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohananay herim-pon-dehilahy. 22Dia hoy izy tamin'izy ireo: Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan'ny vatanareo. 23Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin'ny nahaterahany, sy manapaka ny fihavian'ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.
24Nataon'i Antiokosa fa tsiratsiraina izy, ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo. Raha mbola velona ihany ilay faralahy, dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamin-pianianana, fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn'ny razany, dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony. 25Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo; ka ny reniny no nantsoin'ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an'ity zatovo. 26Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany. 27Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an'itsy mpanjaka masiaka, ka dia niteny tamin'ny fitenin-drazany hoe: Mamindrà fo amiko, anaka, izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko, nampinono anao telo taona, nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin'izao taonanao izao. 28Ka mihanta aminao aho jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin'ny tsinontsinona, ary toy izany no nahazoan'ny taranak'olombelona fisiana. 29Aza matahotra ity mpamono, mbà mendrika an'ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin'ny rahalahinao, raha mby amin'ny andron'ny famindram-po.
30Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin'ny mpanjaka, ny didin'ny lalàna nomen'i Moizy ny razanay no ekeko. 31Ary hianao izay fototr'izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao, dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin'Andriamanitra. 32Fa izahay no mijaly, dia noho ny fahotanay, 33ary ny Tomponay izay velona, na maneho vetivety ny hatezerany aminay aza hahafaizany sy hananarany anay, dia mbola hihavana amin'ny mpanompony indray. 34Fa hianao kosa, ry ilay mpankahala ny fivavahana sy mahavanon-doza indrindra amin'ny olombelona rehetra, aza dia tafahoatra miavonavona foana, na mitoky foana manao hevi-dravina, raha manainga tànana hamely ny mpanompon'Andriamanitra, 35fa hianao akory tsy mbola afa-nandositra ny fitsaran'Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra sy mitandrina azy rehetra. 36Ny rahalahinay izao, vao avy niaritra fampijaliana mandalo, dia nahazo ny fihavanan'Andriamanitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, fa hianao kosa amin'ny fitsaran'Andriamanitra, dia hivesatra ny sazy tandrifin'ny fiavonavonanao. 37Raha ny amiko kosa, torak'ireo rahalahiko koa, dia afoiko ny aiko amam-batako noho ny lalàn'ny razako ary ihantako Andriamanitra mba hiantra faingana ny vahoakany, fa hitondra anao amin'ny fijaliana amam-pangirifiriana kosa, hiekenao fa izy irery no Andriamanitra; 38ary enga anie ka hianina amiko sy amin'ireo rahalahiko ny fahatezeran'ny Tsitoha, izay mirehitra amin'ny firenenay manontolo an-drariny. 39Nentin-katezerana loatra ilay mpanjaka ka nasiany mafy noho ireo taloha aza ity, fa tsy zakany izany vingavingain'olona. 40Toy izany no nahafatesan'ity zazalahy madio tsy voalotom-panompoan-tsampy akory sy nametraka ny fitokiany rehetra tamin'ny Tompo.
41Farany, dia maty nanarakaraka ireo zanany koa reniny.
42Ampy ireo ny amin'ny fisoronana sy ny halozan'i Antiokosa safatsiroa aman-tany. >