Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko voalohany

1 Nony maty Akaba dia niodina tamin'Israely Moaba.

2 Ary Okoziasa potraka avy eny am-baravaran-kely makarakara, teo amin'ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: Mandehana hianareo manontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona raha ho sitrana amin'ity aretiko ity aho.

3 Fa hoy kosa ny anjelin'ny Tompo tamin'i Elia Tesbita: Mitsangàna hianao, ka miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, dia izao no lazao amin'izy ireo: Moa ny tsy fisian'Andriamanitra any amin'Israely va no andehananareo hanontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona? 4 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo: Tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao fa ho faty tokoa. Dia lasa Elia. 5 Niverina ho any amin'ny mpanjaka ireto irany, ka hoy izy tamin'izy ireo: Fa nahoana no miverina hianareo? 6 Ary hoy ny navalin'ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa ny tsy fisian'Andriamanitra ao amin'Israely va no anirahanao hanontany amin'i Beela-Zeboba andriamanitr'i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao, fa ho faty mihitsy. 7 Dia hoy Okoziasa tamin'izy ireo: Manao ahoana no endriky ny lehilahy izay niakatra nitsena anareo izay, sy nilaza izany teny izany taminareo? 8 Ka hoy izy ireo: Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy Okoziasa: Elia Tesbita izay. 9 Niaraka tamin'izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin'ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin'i Elia ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: Ry olon'Andriamanitra ô! midina hianao, hoy ny mpanjaka.

10 Fa izao no navalin'i Elia an'ity mpifehy dimampolo: Raha olon'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao. Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afo nandoro azy io sy ny dimampolo fehiny. 11 Naniraka mpifehy dimampolo hafa indray anefa ny mpanjaka, nomban'ny dimampolo fehiny. Ka dia niteny io mpifehy io, nanao tamin'i Elia hoe: Ry olon'Andriamanitra ô, midìna faingana hianao, hoy ny mpanjaka. 12 Fa hoy ny navalin'i Elia tamin'izy ireo: Raha olon'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao. Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon'Andriamanitra, ka nandoro an'io sy ny dimampolo fehiny. 13 Mbola naniraka mpifehy dimampolo fanintelony indray Okoziasa nomban'ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rahefa tonga dia nandohalika teo anatrehan'i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: Ry olon'Andriamantira ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto dimampolo lahy mpanomponao. 14 Indro fa efa nilatsaka ny afo avy any an-danitra sy nandoro azy roa lahy mpifehy dimampolo talohako, mbamin'ny dimampolo fehiny, fa ankehitriny kosa, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko. 15 Dia hoy ilay anjelin'ny Tompo tamin'i Elia: Miaraha midina amin'io, ary aza matahotra eo anatrehany. Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin'ny mpanjaka,

16 ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Noho hianao nandefa iraka hanontany amin'i Beela-Zeboba, andriamanitr'i Akarona: Moa tsy misy Andriamanitra any amin'Israely izay azo anontaniana ny teniny? - koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao hianao, fa ho faty mihitsy. 17 Dia maty Okoziasa araka ny tenin'ny Tompo izay nolazain'i Elia, ka Jorama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin'ny taona faharoan'i Jorama, mpanjakan'i Jodà, zanak'i Josafata, fa tsy nanana zanaka izy.

18 Ny sisa tamin'ny asan'i Okoziasa mbamin'izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0382