Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-10

1 Nisy zanak'i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy Jeho nampitondrainy tany Samaria ho an'ny lehiben'i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an'ny tonian'ny fikarakarana ny zanak'i Akaba, ary izao no teniny:

2 Raha vao tonga atý aminareo ity taratasy ity, - satria mbola eo aminareo ny zanaky ny tomponareo, eo aminareo koa ny kalesy aman-tsoavaly mbamin'ny tanàna mimanda sy ny fiadiana, - 3 dia zahao izay tsara sy mety indrindra amin'ny zanaky ny tomponareo ka apetraho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy, ary miadia ho an'ny tranon'ny tomponareo. 4 Fa raiki-tahotra mafy izy ireo, ka nilaza hoe: Indro fa mpanjakan roa aza tsy nahatohitra azy, ka hataontsika ahoana no fanohitra? 5 Dia naniraka olona ny lehiben'ny tao an-dapa, ny komandin'ny tanàna, ny loholona mbamin'ny toniany, hilaza amin'i Jeho hoe: Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy. 6 Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin'izy ireo Jeho nanao hoe: Raha momba ahy sy mihaino ny feoko hianareo, alao ny lohan'ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atý amiko atý Jezrahela rahampitso toy izao. Tao amin'ny lehiben'ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.

7 Ka nony tonga tany amin'izy ireo ny taratasy, novonoiny avokoa izy fitopolo lahy, ary nataony an-tsobiky ny lohany, dia nalefany ho any amin'i Jeho, tany Jezrahela. 8 Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: Nentiny ny lohan'ny zanaky ny mpanjaka; ka hoy izy: Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan'ny vavahady izany, mandra-pahamarain'ny andro. 9 Nony maraina, dia nivoaka izy ary niseho teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izy nanao hoe: Marina hianareo; indreo fa nikomy tamin'ny tompoko aho sy namono nahafaty azy, fa iza kosa no namono an'ireto rehetra ireto? 10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'ny Tompo, izay notononin'ny Tompo ny amin'ny taranak'i Akaba, ary notanterahin'ny Tompo izay nolazainy tamin'ny alàlan'i Elia mpanompony. 11 Dia novonoin'i Jeho avokoa izay sisa rehetra tamin'ny tranon'i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany amam-pisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza. 12 Rahefa izany dia nitsangana izy ary niainga nankany Samaria. Nony mby teo amin'ny trano anankiray fivorian'ny mpiandry ondry teny an-dàlana izy,

13 dia nahita ireo rahalahin'i Okoziasa Jeho ka nanao hoe: Iza hianareo? Ary hoy ny navalin'ireo: Rahalahin'i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka, sy ny zanakalahin'ny andriambavy. 14 Ka hoy Jeho: Ataovy sambo-belona ireo. Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon'ilay trano fivoriana; roa amby efapolo lahy no isany, ary tsy nasian'i Jeho niangana ireo na dia iray aza. 15 Nony niala teo izy, dia nifanena tamin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao? Dia namaly Jonadaba hoe: Izany indrindra. Raha izany ary, hoy Jeho, tolory tànana aho. Dia natolotr'i Jonadaba azy ny tànany, ka nasain'i Jeho niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe: 16 Andeha hiaraka amiko, ary ho hitanao ny zotom-poko ho an'ny Tompo. 17 Dia toy izany no nitondrany azy teny amin'ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin'i Jeho avokoa izay tamingan'i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'i Elia. 18 Nony efa izany, novorin'i Jeho ny vahoaka rehetra, ka hoy izy taminy: Kely no nanompoan'i Akaba an'i Baala, fa fatratra no hanompoan'i Jeho azy.

19 Koa ankehitriny vorio hankaty amiko avokoa ny mpaminanin'i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin'i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza. Kanjo hafetsena no nanaovan'i Jeho izany, handringanana ny mpanompon'i Baala. Hoy Jeho: 20 Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an'i Baala. Dia nolazaina ampahibemaso izany. 21 Nandefa iraka tany amin'Israely rehetra Jeho, ka tonga avokoa ny mpanompon'i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon'i Baala izy ireo, ka feno ny tranon'i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana. 22 Ary hoy Jeho tamin'ny mpiambina ny trano fitehirizana akanjo: Amoahy akanjo avokoa ny mpanompon'i Baala rehetra. Dia namoaka akanjo ho azy ireo izy. 23 Ary tamin'izay dia tonga tao an-tranon'i Baala Jeho niaraka tamin'i Jonadaba zanak'i Akaba, ka hoy izy tamin'ny mpanompon'i Baala: Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon'ny Tompo eto aminareo, fa ny mpanompon'i Baala ihany. 24 Rahefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Jeho nanao hoe: Raha misy mitsoaka amin'ireo olona apetrako eo an-tànanareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.

25 Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy Jeho tamin'ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra: Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka! Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ireo; narian'ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin'ny fitoerana masin'ny tranon'i Baala izy, 26 ka navoakany nodorana ny tsangam-bato tao an-tranon'i Baala, 27 nomontsamontsaniny ny tsangam-baton'i Baala ary nazerany koa ny tranon'i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak'androany. 28 Nofongoran'i Jeho ao amin'Israely Baala.

29 Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, na ny zanak'omby volamena izay ao Betela sy ao Dana. 30 Ary hoy Iaveh tamin'i Jeho: Noho hianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin'ny tranon'i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin'ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'Israely. 31 Tsy notandreman'i Jeho anefa ny handeha amin'ny fony rehetra araka ny lalan'ny Tompo Andriamanitr'Israely, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanota an'Israely izy. 32 Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanabangan'ny Tompo ny tanin'Israely. Noresen'i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin'ny sisin-tanin'Israely;

33 hatrany Jordany any amin'ny fiposahan'ny masoandro, dia ny tany Galaada rehetra, ny Gadita, ny Robenita, ny Manasita, hatrany Aroera, amin'ny ranon-driaka Arnona, ka hatrany Galaada sy Basana. 34 Ny sisa amin'ny asan'i Jeho mbamin'izay rehetra nataony sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

35 Ary nodimandry any amin'ny razany Jeho ka nalevina tao Samaria. 36 Joakaza zanany no nanjaka nandimby azy. Valo amby roapolo taona no andro nanjakan'i Jeho tamin'Israely tany Samaria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1205