Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-11

1 Nony hitan'i Atalia renin'i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.

2 Fa Josaba zanakavavin'i Jorama mpanjaka, sy anabavin'i Okoziasa, naka an'i Joasa zanak'i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin'ny zanak'andriana, izay novonoin'ny olona, ary nametraka azy mbamin'ny mpitaiza azy, tao an'efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan'ny mason'i Atalia, ka tsy novonoina izy. 3 Enin-taona no nieren'izy sy Josaba tao an-tranon'ny Tompo. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany. 4 Tamin'ny taona fahafito, Joiada naniraka haka ny tompon-jaton'ny Kariana sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon'ny Tompo. Nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon'ny Tompo izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.

5 Rehefa izany, dia izao no baiko nomeny azy ireo: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra hanao fanompoana amin'ny andro sabata mba hiambina ny tranon'ny mpanjaka, - 6 ny ampahatelony eo am-bavahady Sora, ny ampahatelony eo am-bavahadin'ny mpiambina, - dia hiambina ny tranon'ny Tompo mba hiaro ny fidirana ao. 7 Ny roa toko sisa aminareo, izay rehetra miala fanompoana amin'ny andro sabata kosa mba hiambina ao amin'ny tranon'ny Tompo ao akaikin'ny mpanjaka, 8 dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin'ny mpanjaka hianareo na mivoaka izy na miditra. 9 Notanterahin'ny tompon-jato avokoa ny didy nomen'i Joiada mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin'ny fanompoana amin'ny andro sabata, na ny miala amin'ny fanompoana amin'ny andro sabata, dia nankany amin'i Joiada mpisorona.

10 Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman'ampinga izay an'i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon'ny Tompo. 11 Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin'ny lafin-trano ao an-kavanana, ka hatramin'ny lafiny havia, akaikin'ny otely, sy ny akaikin'ny trano, any ka voahodidiny ny mpanjaka. 12 Naroson'ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 13 Nony nandre ny fihahohahon'ny mpihazakazaka sy ny vahoaka Atalia dia nankao amin'ny vahoaka izy, ao an-tranon'ny Tompo.

14 Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny lapihazo araka ny fanao. Teo anilan'ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trompetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trompetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia, ka niantso hoe: Teti-dratsy! Teti-dratsy! 15 Tamin'izay Joiada mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: Ento izy eo anelanelan'ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin'ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza vonoina eto an-tranon'ny Tompo izy. 16 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin'ny làlana fidiran-tsoavaly ho ao amin'ny lapan'ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy. 17 Nampanaovin'i Joiada fanekena tamin'ny Tompo sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan'ny Tompo azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.

18 Ny vahoaka rehetra tamin'ny tany dia niditra tao amin'ny tranon'i Baala ka noravany; ny otely aman-tsary nomontsaniny, ary Matana mpisoron'i Baala novonoiny teo anoloan'ny otely. Nony nametraka mpiambina tao amin'ny tranon'ny Tompo 19 Joiada mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Kariana, ny mpihazakazaka, mbamin'ny vahoaka rehetra tamin'ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka, dia nididtra tao an-dapan'ny mpanjaka tamin'ny vavahadin'ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka Joasa. 20 Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin'ny tany, nandry fahizay ny tanàna, ary novonoina tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka Atalia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376