Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-13

1 Tamin'ny fahatelo amby roapolon'ny taona nanjakan'i Jodà no vao nanjaka tamin'Israely tao Samaria kosa Joakaza zanak'i Jeho. Ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo izy, nanahaka ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, fa tsy niala tamin'izany. 3 Ka nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo dia natolony teo an-tànan'i Hazaela mpanjakan'i Siria sy teo an-tanan'i Benhadada zanak'i Hazaela mandrakariva izy. 4 Nitaraina tamin'ny Tompo Joakaza, dia nihaino azy Iaveh, fa hitany ity fahorian'Israely, tamin'ny nampijalian'ny mpanjakan'i Siria azy, 5 ka nanome mpamonjy ho an'Israely Iaveh. Nony afaka tamin'ny tànan'ny Siriana ny zanak'Israely dia nonina teo amin'ny lainy toy ny taloha indray. 6 Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin'ny fahotan'ny tranon'i Jeroboama, izay nampanota an'Israely, fa nizotra tamin'izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria. 7 Fa izao ihany no vahoaka ary fiadiana navelan'ny Tompo ho an'i Joakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan'ny mpanjakan'i Siria izy ireo, ka nampanjariany ho toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra. 8 Ny sisa tamin'ny asan'i Joakaza mbamin'izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

9 Ary nodimandry any amin'ny razany Joakaza ka nalevina tao Samaria, dia Joasa zanany no nanjaka nandimby azy. 10 Tamin'ny fahafito amby telopolon'ny taona nanjakan'i Joasa mpanjakan'i Jodà no vao nanjaka tamin'Israely tany Samaria kosa Joasa zanak'i Joakaza; enina ambin'ny folo taona no nanjakany.

11 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa tsy nisy nialany na dia iray aza ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely, fa nanaraka izany. 12 Ny sisa tamin'ny asan'i Joasa, mbamin'izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiny tamin'i Amasiasa, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany? 13 Dia nodimandry amin'ny razany Joasa, ary Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany; ka nalevina tao Samaria amin'ny mpanjakan'Israely Joasa. 14 Ary Elisea nararin'ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy Joasa mpanjakan'Israely, dia nitomany teo ambonin'ny tavany nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin'Israely amam-pitaingin-tsoavaliny!

15 Ka hoy Elisea taminy: Mangalà tsipìka aman-jana-tsipìka. Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy. 16 Ary hoy Elisea tamin'ny mpanjakan'Israely: Ataovy ambonin'ny tsipìka ny tànanao. Nony nanao ny tànany ambonin'ny tsipìka izy, da napetrak'i Elisea teo ambonin'ny tànan'ny mpanjaka ny tànany, ka hoy izy: 17 Vohay ny varavaran-kely tandrifin'ny atsinanana, dia namoha izy; ary hoy Elisea: Mandefasa zana-tsipìka iray; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon'i Elisea hoe: Zana-tsipìkan'ny famonjena avy amin'ny Tompo iny, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hamelezana ny Siriana. Fa hamely ny Siriana ao Afeka hianao, mandra-paharingany. 18 Ary hoy indray Elisea: Raiso ny zana-tsipìka. Dia nandray izy. Ary hoy Elisea tamin'ny mpanjakan'Israely: Tifiro ny tany, ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra. 19 Fa tezitra taminy ity olon'Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Tokony ho nitifitra indimy na inenina hianao, ary amin'izany, dia ho namely ny Siriana mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy. 20 Maty Elisea ka nalevina. Tamin'ny fitsingerena'ny taom-baovao dia nisisika tamin'ny tany ny andian-jirika Moabita.

21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin'ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan'i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin'ny tongony. 22 Tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joakaza dia nampahory an'Israely Hazaela mpanjakan'i Siria.

23 Namindra fo tamin'izy ireo anefa Iaveh ka niantra azy; nitodika azy izy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba; tsy te-handringana azy ireo izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak'ankehitriny. 24 Ary maty Hazaela mpanjakan'i Siria, ka Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy. 25 Nalain'i Joasa zanak'i Joakaza teo an-tanan'i Benhadada zanak'i Hazaela ireo tanàna nalain'i Hazaela tamin'ny adin'izy sy Joakaza rainy. Namely azy intelo Joasa dia azony indray ny tanànan'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0928