Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-14

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasa, zanak'i Joakaza mpanjakan'Israely, no vao nanjaka Amasiasa zanak'i Joasa, mpanjakan'i Jodà.

2 Efa dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Joadana avy any Jerosalema. 3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasa rainy ihany no nataony. 4 Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizan'ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo. 5 Nony azony mafy teo an-tànany ny fanjakana dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy. 6 Fa tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Moizy, izay misy izao didy nomen'ny Tompo izao: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy. 7 Nandresy Edomita iray alina tao amin'ny lohasahan-tSira izy, ary nananika nahafaka an'i Sela dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak'androany. 8 Tamin'izany Amasiasa nandefa iraka tany amin'i Joasa zanak'i Joakaza zanak'i Jeho mpanjakan'Israely nanao hoe: Avia, ary aoka hifankahita mifanatrika isika.

9 Ary Joasa mpanjakan'Israely naniraka hamaly an'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà: Ny tsilo ao amin'ny Libana no naniraka hilaza tamin'ny hazo sedra ao amin'i Libana hoe: Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy; ka ny biby dia ao amin'i Libana nandalo nanosihosy ny tsilo. 10 nandresy ny Edomita marina hianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mirehareha ary mijanona any aminao. Nahoana hianao no dia mihitsoka amin'ny loza; ka ho lavo hianao, dia ny tenanao sy Jodà miaraka aminao? 11 Tsy nihaino azy anefa Amasiasa, ka dia niakatra Joasa mpanjakan'Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an'i Jodà izy sy Amasiasa mpanjakan'i Jodà. 12 Resy teo anoloan'Israely Jodà ka samy nandositra ho any an-dainy avy. 13 Ary Joasa mpanjakan'Israely nisambotra an'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà, zanak'i Joasa zanak'i Okoziasa, tao Behtsamesa; nankany Jerosalema izy ka nahabanga ny mandan'i Jerosalema efa-jato hakiho, hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatreo am-bavahady an-jorony. 14 Naka ny volamena amam-bolafotsy rehetra hita tao an-tranon'ny Tompo sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka izy, ary olona natao antoka koa, vao niverina ho any Samaria. 15 Ny sisa amin'ny asan'i Joasa mbamin'izay rehetra nataony sy ny niadiany tamin'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

16 Ary nodimandry any amin'ny razany Joasa ka nalevina tao Samaria ao amin'ny mpanjakan'Israely. Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy. 17 Amasiasa zanak'i Joasa mpanjakan'i Jodà kosa, dia mbola velona dimy ambin'ny folo taona, taorian'ny nahafatesan'i Joasa zanak'i Joakaza mpanjakan'Israely.

18 Ny sisa tamin'ny asan'i Amasiasa moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà? 19 Nisy firaisan-tetika hikomy taminy, tany Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, nefa nisy olona nirahina hanaraka azy any Lakisa ka novonoina tany izy; 20 dia nentina tamin'ny soavaly izy, nalevina tao Jerosalema ao amin'ny razany, amin'ny tanànan'i Davida. 21 Ka Azariasa izay enina ambin'ny folo taona, no nalain'ny vahoaka rehetra amin'i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an'i Amasiasa rainy. 22 Nanorina indray an'i Elata izy sy nampody azy mba ho an'i Jodà indray, rahefa nodimandry any amin'ny razany ny mpanjaka. 23 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà no nanjakan'i Jeroboama zanak'i Joasa mpanjakan'Israely tany Samaria. Nanjaka iraika amby efapolo taona izy.

24 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo izy, fa tsy nisy nialany ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata, izay nampanota an'Israely. 25 Izy no nampody ny sisin-tanin'Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin'ny hadilalan'i Emata ka hatramin'ny ranomasin'i Arabah, araka ny tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely nolazainy tamin'ny alalan'ny mpanompony Jonasa mpaminany zanak'i Amati, avy any Geta-Kefera. 26 Fa hitan'ny Tompo ny fahoriana mangidy indrindra nanjo an'Israely, izay tsy nisy afa-namonjy an'Israely, na olona manambady, na olona afaka, na olona iza na iza. 27 Tsy mbola naraikitry ny Tompo anefa ny hamono ny anaran'Israely eo ambanin'ny lanitra, ka ny tànan'i Jeroboama zanak'i Joasa no namonjen'ny Tompo azy ireo. 28 Ny sisa tamin'ny asan'i Jeroboama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an'i Damasa sy Emata izay an'i Jodà taloha, mba ho an'Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

29 Ary nodimandry any amin'ny razany Jeroboama dia eny amin'ny mpanjakan'Israely, ka Zakariasa zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0497