Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-15

1 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no vao nanjaka kosa Azariasa zanak'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà.

2 Vao enina ambin'ny folo taona izy, dia tonga mpanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelia, avy ao Jerosalema. 3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, araka izay rehetra nataon'i Amasiasa rainy. 4 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana; notohizan'ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo. 5 Ary Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin'ny trano manirery. Fa Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin'ny tany. 6 Ny sisa tamin'ny asan' i Azariasa mbamin'izay rehetra nataony moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà?

7 Ary nodimandry any amin'ny razany Azariasa, ka nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida. Joatama zanany no nanjaka nandimby azy. 8 Tamin'ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan'i Azariasa mpanjakan'i Jodà no vao nanjaka tamin'Israely tao Samaria kosa Zakariasa zanak'i Jeroboama. Enim-bolana no nanjakany.

9 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo toy ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely. 10 Nikomy taminy Seloma zanak'i Jabesa ary namely nahafaty azy teo anatrehan'ny vahoaka, dia nanjaka nandimby azy izy. 11 Ny sisa tamin'ny asan'i Zakariasa, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely.

12 Izany no tenin'ny Tompo nolazainy tamin'i Jeho hoe: Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely ny zanakao hatramin'ny taranaka fahefatra. Ka tanteraka izany. 13 Tamin'ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan'i Oziasa mpanjakan'i Jodà no vao tonga mpanjaka kosa Seloma zanak'i Jabesa, ary iray volana no nanjakany tao Samaria. 14 Fa niakatra avy any Tersà, i Manahema zanak'i Gadì, ary nony tonga tao Samaria dia namely nahafaty an'i Seloma zanak'i Jabesa tao Samaria ihany izy, ka nanjaka nandimby azy. 15 Ny sisa tamin'ny asan'i Seloma mbamin'ny fikomiana nataony, dia indro fa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely.

16 Tamin'izany, Manahema dia niala tao Tersà ary namely an'i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin'ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon'ny vehivavy bevohoka rehetra. 17 Tamin'ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan'i Azariasa tamin'i Jodà no vao tonga mpanjaka tamin'Israely kosa Manahema zanak'i Gadì. Folo taona no nanjakany tao Samaria.

18 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa nandritra ny andro niainany, tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely. 19 Tongan'i Fola mpanjakan'i Asiria, ny tany, ary nomen'i Manahema talenta volafotsy arivo Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany. 20 Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin'i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asiria, fa tsy niato teo amin'ny tany. 21 Ny sisa tamin'ny asan'i Manahema, mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

22 Ary nodimandry any amin'ny razany Manahema, ka Faseia zanany, no nanjaka nadimby azy. 23 Tamin'ny taona faha-dimampolo nanjakan'i Azariasa mpanjakan'i Jodà, no vao nanjakan'i Faseià zanak'i Manahema tamin'Israely tao Samaria kosa. Roa taona no nanjakany.

24 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely. 25 Nioko taminy Fasea, zanak'i Romeliasa, manamboninahitra lefiny, ary namono azy mbamin'i Argoba sy Arie tao Samaria, tao amin'ny trano avon'ny tranon'ny mpanjaka, ary nisy dimampolo lahy tamin'ny taranaky ny Gabaadita nomba azy. Namono an'i Faseià izy, dia nanjaka nandimby azy. 26 Ny sisa tamin'ny asan'i Faseià mbamin'izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely.

27 Tamin'ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan'i Azariasa mpanjakan'i Jodà, no vao nanjaka i Fasea, zana-dRomeliasa, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany.

28 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nabata izay nampanota an'Israely. 29 Tamin'ny andron'i Fasea mpanjakan'Israely no nahatongavan'i Teglathfalasara mpanjakan'i Asiria sy nahazoan'io an'i Ajona, Abela-Beta-Makaa, Janoe, Kedesa, Asora, Galaada ary Galileas, dia ny tanin'i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina. 30 Nikomy tamin'i Fasea zana-dRomeliasa, Osea zanak'i Ela, ka namono nahafaty azy, ary nanjaka nandimby azy, tamin'ny faha-roapolon'ny taona nanjakan'i Joatama zanak'i Oziasa. 31 Ny sisa tamin'ny asan'i Fasea, mbamin'izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely.

32 Tamin'ny faharoan'ny taona nanjakan'i Fasea zanak'i Romeliasa mpanjakan'Israely, no vao nanjaka kosa Joatama zanak'i Oziasa mpanjakan'i Jodà.

33 Dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany, tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanak'i Sadaoka. 34 Nanao izay mahitsy teo imason'ny Tompo izy, sahala tsara ny nataon'izy sy Oziasa rainy. 35 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin'ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo. Joatama no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'ny Tompo. 36 Ny sisa tamin'ny asan'i Joatama mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

37 Nanomboka tamin'izany andro izany ny nampandehanan'ny Tompo an'i Rasina mpanjakan'i Siria sy Fasea zana-dRomeliasa hanafika an'i Jodà.

38 Ary nodimandry any amin'ny razany Joatama ka nalevina tao an-tanànan'i Davida rainy, ao amin'ny razany. Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0378