Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-16

1 Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Fasea zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa Akaza, zanak'i Joatama mpanjakan'i Jodà.

2 Roapolo taona Akaza fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny tahaka an'i Davida rainy izy; 3 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'Israely; ny zanany lahy aza, nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ireo firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 4 Nanaterany sorona aman-java-manitra avokoa teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra teny. 5 Tamin'izany no niakaran-dRasina mpanjakan'i Siria, sy Fasea zana-dRomeliasa, hanafika an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy.

6 Tamin'izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasina indray an'i Elata ho ambany fahefan'ny Siriana, ka noroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Siriana no nankao Elata dia monina ao mandrak'androany. 7 Nandefa iraka tany amin'i Teglathfalasara mpanjakan'i Asiria, Akaza nanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin'ny tanan'ny mpanjakan'Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo. 8 Ary nalain'i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon'ny Tompo, sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan'i Asiria. 9 Nohenoin'ny mpanjakan'i Asiria izy, ka niakatra namely an'i Damasa ny mpanjakan'i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty Rasina. 10 Nankany Damasa Akaza mpanjaka hitsena an'i Teglathfalasara mpanjakan'i Asiria. Nony nahita ity otely tao Damasa Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny modelin'ny otely sy ny toetr'endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an'i Oriasa mpisorona.

11 Ka naorin'i Oriasa mpisorona ny otely, ary nataon'i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin'ny modely nampitondrain'i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan'ny mpanjaka avy any Damasa. 12 Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny otely. Nanatona ny otely ny mpanjaka dia niakatra teo; 13 nodorany teo ny sorona dorany sy ny fanatiny, nararany ny fanatiny araraka, ary naidiny teo ambonin'ny otely ny ran'ny sorom-pihavanany. 14 Ilay otely varahina teo anatrehan'ny Tompo, nafindrany hiala eo anoloan'ny trano, mba tsy ho eo anelanelan'ny tranon'ny Tompo sy ny otely vaovao, dia nataony eo anilan'ity otely vaovao, eo avarany. 15 Ary izao koa no didy nomen'i Akaza mpanjaka an'i Oriasa mpisorona: Doroy eo ambonin'ny otely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin'ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin'ny sorona. Fa ny amin'ny otely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy. 16 Notanterahin'i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian'i Akaza mpanjaka. 17 Fanampin'izany, dia novakin'i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin'ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato, 18 ary nafindrany toerana tao an-tranon'ny Tompo ny trano hevan-tsabata naorina tao amin'ny trano, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan'i Asiria. 19 Ny sisa tamin'ny asan'i Akaza mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

20 Ary nodimandry any amin'ny razany Akaza, ka nalevina ao an-tanànan'i Davida ao amin'ny razany. Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1048