Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-17

1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Akaza mpanjakan'i Jodà, no vao nanjaka tamin'Israely tao Samaria Osea zanak'i Ela. Sivy taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, saingy tsy dia tahaka ireo mpanjakan'Israely talohany. 3 Niakaran'i Salmanasara mpanjakan'i Asiria notafihina Osea, ka tonga mpanompon'io nandoa hetra ho azy izy. 4 Vaky tamin'ny mpanjakan'i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa Osea fa naniraka olona tany amin'i Soa, mpanjakan'i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an'ny mpanjakan'i Asiria, isan-taona, ka nasain'ny mpanjakan'i Asiria nosamborina sy nogadraina, dia nalatsaka an-tranomaizina. 5 Notetezin'ny mpanjakan'i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an'i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona. 6 Nony tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Osea dia azon'ny mpanjakan'i Asiria Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria Israely namponeniny tany Hala, teo amoron'i Habora, ony any Gosana, ary teny amin'ny tanànan'ny Meda. 7 Izany no tonga, dia noho ny zanak'Israely nanota tamin'ny Tompo Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, avy teo ambanin'ny fahefan'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.

8 Narahin'izy ireo ny fombam-pivavahan'ireo firenena izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely, sy ny fomba noforonin'ny mpanjakan'Israely. 9 Nosarontsaronan'ny zanak'Israely ny zavatra tsy mety nataony tamin'ny Tompo Andriamaniny. Nanorina fitoerana avo tamin'ny tanànany rehetra izy, hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina, ka hatramin'ny tanàna mimanda. 10 Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin'ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny; 11 dia teny izy no nandoro zava-manitra amin'ny fitoerana avo rehetra, toy ny firenena izay nataon'ny Tompo babo teo anoloan'izy ireo, ary nanao zava-dratsy nampahatezitra an'ny Tompo. 12 Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan'ny Tompo taminy hoe: Aza manao izany hianareo. 13 Nitsangan-ko vavolombelona anefa Iaveh tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an'Israely sy Jodà nanao hoe: Miverena avy amin'ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo. 14 Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an'ny Tompo Andriamaniny. 15 Nolaviny ny lalàny amam-panekem-pihavanana nataony tamin'ireo razany mbamin'ny teni-vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin'ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran'ny Tompo tsy halainy tahaka. 16 Nafoiny avokoa ny didin'ny Tompo Andriamaniny; fa zanak'omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy; ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary Baala no notompoiny. 17 Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, ka nampahatezitra azy. 18 Dia tezitra indrindra tamin'Israely, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon'i Jodà irery no sisa, 19 ary na Jodà indray aza, tsy dia nitandrina ny didin'ny Tompo Andriamaniny, fa nanaraka ny fombam-pivavahana noforonin'Israely ihany koa. 20 Ka dia narian'ny Tompo avokoa ny taranak'Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan'ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny tavany. 21 Satria niendaka niala tamin'ny fianakavian'i Davida Israely, fa nanangana an'i Jeroboama zanak'i Nabata ho mpanjaka, ary Jeroboama nampiala an'Israely tamin'ny Tompo sy nampanao fahotana lehibe azy ireo. 22 Ary nandroso tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama ny zanak'Israely, fa tsy niala tamin'izany, 23 mandra-pandroak'Iaveh azy lavitra ny tavany, araka izay voalazany tamin'ny alalan'ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitry ny taniny Israely mandrak'androany. 24 Olona nasain'ny mpanjakan'i Asiria ho avy any Babilona sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin'ny tanànan'i Samaria, hisolo ny zanak'Israely, ka dia ireny no nahazo an'i Samaria, sy nonina tamin'ny tanànany.

25 Fony vao nanomboka nonina tany izy ireny, dia tsy natahotra an'ny Tompo, ka nandefasan'ny Tompo liona hamono azy. 26 Ary nisy nanao filazana tamin'ny mpanjakan'i Asiria nanao hoe: Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesi-tany sy namponeninao any amin'ny tanànan'i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany. 27 Ka dia izao no didy nomen'ny mpanjakan'i Asiria: Maniraha mpisorona anankiray amin'ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any. 28 Dia tonga ny anankiray amin'ireo mpisorona, nentin-ko babo avy any Samaria, ka nonina tao Betela, sy nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ataony hanajany an'ny Tompo. 29 Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin'ny tranon'ny fitoerana avo naorin'ny Samaritana, tamin'izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena. 30 Ny olona avy any Babilona nanao an'i Sokota-Benota, ny olona avy any Kota nanao an'i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an'i Asima; 31 ny avy any Avah, nanao an'i Nebahaza sy Tartaka, ny avy any Sefarvaima nandoro ny zanany tamin'ny afo ho fanajana an'i Adrameleka sy Anameleka andriamanitr'i Sefarvaima. 32 Nanaja an'ny Tompo izy ireo, ka nananganany mpisorona amin'ny fitoerana avo, mpisorona avy amin'ny vahoaka rehetra, ka nanatitra sorona ho azy ireo tao amin'ny tranon'ny fitoerana avo ireny. 33 Koa arak'izany, dia sady nanaja an'ny Tompo izy ireo, no nanompo ny andriamaniny, araka ny fanaon'ny firenena nangalana azy avy koa. 34 Mandrak'androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an'ny Tompo izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen'ny Tompo ny zanak'i Jakoba, izay nantsoiny hoe Israely.

35 Sady nanaovan'ny Tompo fanekem-pihavanana izy ireo, nomeny didy hoe: Aza matahotra andriamani-kafa na miankohoka eo anatrehany, na manompo ireny, na manatitra sorona amin'ireny. 36 Fa Iaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe sy tamin-tsandry nahinjitra, izy no atahory, eo anatrehany no iankohofy, ary izy no anatero sorona. 37 Tandremo ny didy amam-pitsipiny, mbamin'ny lalàna aman-didy nosoratany ho anareo, araho mandrakariva izany, ary aza matahotra andriamani-kafa. 38 Aza manadino ny fanekem-pihavanana nataoko taminareo, ary aza matahotra andriamani-kafa, 39 fa Iaveh Andriamanitrareo no atahory, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo rehetra izy. 40 Tsy nanaiky izany anefa izy ireo; fa ny fombany taloha ihany no narahiny; 41 koa araka izany dia natahotra an'ny Tompo ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon'ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak'androany izay nataon-drazany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2427