Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-19

1 Vao nandre ny filazana izany Ezekiasa mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiana, nitafy lasaka ary nankao an-tranon'ny Tompo,

2 dia naniraka an'i Eliasima lehiben'ny tao an-dapa, sy Sobna mpanoratra, mbamin'ireo lohan'ny mpisorona, samy mitafy lasaka, ho any amin'i Izaia mpaminany, zanak'i Amosa. 3 Hoy izy ireo taminy hoe: Izao no lazain'i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fanalam-baraka izao andro izao, fa ny zaza efa mby amin'ny hivoahany avy ao an-kibon-dreniny; nefa ny hery hiterahana azy tsy misy. 4 Angamba ho ren'ny Tompo Andriamanitrao ny teny rehetra nolazain'ny mpandroso divay ambony indrindra, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria tompony, haniratsira an'Andriamanitra velona, ka iny dia ho faiziny noho ny teniny efa ren'ny Tompo Andriamanitrao. Ka ny fivavahana no asondroty hamonjy izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'Izaia ny mpanompon'i Ezekiasa mpanjaka,

6 ka hoy Izaia tamin'izy ireo: Izao no holazainao amin'ny tomponareo, izao no lazain'ny Tompo: Aza mivadi-po amin'ny teny efa renao sy naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asiria ahy, 7 fa indro aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin'ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny izy. 8 Dia lasa niverina ny mpandroso divay ambony indrindra ka nihaona tamin'ny mpanjakan'i Asiria niady tany Lobna, fa efa reny ny nialan'ny tompony avy tao Lakisa.

9 Nisy vaovao ren'ny mpanjakan'i Asiria ny amin'i Taraka, mpanjakan'i Etiopia, dia nolazaina taminy fa hoe: Indro niainga hiady aminao izy. Ary nandefa iraka ho any amin'i Ezekiasa indray izy nanao hoe: 10 Izao no lazaonareo amin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà: Aza mety harebirebin'ny Andriamanitrao izay itokianao hianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria Jerosalema. 11 Indro efa renao ihany ny nataon'ireo mpanjakan'i Asiria tamin'ny tany rehetra, tamin'ny nanaovany anatema azy ka hianao indray ve no ho voavonjy? 12 Moa nahavonjy azy va ny andriamanitr'ireo firenena noravan'ny razako, dia Gosana, Harana, Resefa, mbamin'ny taranak'i Edena, tany Telasara? 13 Aiza avy ny mpanjakan'i Emata, ny mpanjakan'i Arfada, ny mpanjakan'ny tanàna Serfavaima, Anah ary Avah? 14 Nony voarain'i Ezekiasa ny taratasy teny an-tanan'ireo iraka dia novakiny. Rahefa izany niakatra nankao an-tranon'ny Tompo Ezekiasa ka namelatra io teo anatrehan'ny Tompo.

15 Nivavaka teo anatrehan'ny Tompo Ezekiasa nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, izay mipetraka amin'ny Kerobima, hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Iaveh ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin'i Senakeriba izay naniraka haniratsira an'Andriamanitra velona. 17 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan'i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny, 18 ary nanipy ny andriamaniny tao amin'ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan'olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona. 19 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tanan'i Senakeriba izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa hianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra. 20 Dia naniraka tany amin'i Ezekiasa Izaia zanak'i Amosa hilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin'i Senakeriba mpanjakan'i Asiria.

21 Ka izao no teny notononin'ny Tompo namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virijiny zanakavavin'i Siona: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanakavavin'i Jerosalema. 22 Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka? Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka, sy ami-maso misolanandrana ambony? Nanohitra ny Masin'Israely hianao...!

23 Naniratsira ny Tompo tamin'ny irakao hianao, Ka hoy hianao: Tamin'ny kalesiko maro be, no niakarako tany an-tampon-tendrombohitra, tany an-tendron'i Libana. Hokapaiko ny avo indrindra amin'ny sederany, ny tsara indrindra amin'ny sipresany; ho tonga any an-tampony indrindra aho, dia any amin'ny alany, izay toa saha be hazo mamoa.

24 Nihady aho, dia nisotro ranom-pirenena hafa; ary ny faladiako dia handritako ny onin'i Ejipta rehetra.

25 Tsy manan-kery ny mponina amin'ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahontsana izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan'ny fahamasahany.

26 Tsy manan-kery ny mponina amin'ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahontsana izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan'ny fahamasahany.

27 Kanjo kosa, hitako avokoa na ny fipetrakao, na ny fivoakanao sy fiditrao, na ny hatezeranao amiko.

28 Fa noho hianao tezitra amiko, ary efa tafasandratra ho ren'ny sofiko ny fiavonavonao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao; hasiako ny sakam-bavan-tsoavaly ny molotrao; dia hampiverina anao amin'ny lalana nihavianao.

29 Ary izao kosa no famantarana ho anao: Vokatra avy amin'ny voa mihintsana no hohanin'ny olona amin'ity taona ity; izay maniry ho azy no hohaniny amin'ny taona faharoan'ity, fa amin'ny taona fahatelo kosa hamafy hianareo, dia hijinja, hamboly voaloboka, dia hihinana ny vokatra avy aminy.

30 Ny voavonjy amin'ny taranak'i Jodà, ny sisa tafajanona, dia mbola haniry faka ao ambany, ka hamoa eo ambony. 31 Fa hisy sisa hivoaka avy amin'i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin'ny tendrombohitr'i Siona. Ka izany no ho vitan'ny zotom-pitian'ny Tompon'ny tafika. 32 Koa noho izany dia izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanana ity izy, na handefa zana-tsipìka aminy, na hanandratra ampinga tandrify azy, na hanorina fiarovana hamelezana azy;

33 fa hiverina amin'ny lalana nihaviany, ka tsy ho tafiditra amin'ity tanana ity izy, - teny marin'ny Tompo.

34 Hiaro ity tanana ity aho, hamonjeko azy. Noho ny amin'ny tenako, sy noho ny amin'i Davida mpanompoko.

35 Ny alin'izay ihany, dia nivoaka ilay anjelin'ny Tompo namono lehilahy dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin'ny tobin'ny Asiriana, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.

36 Dia noravan'i Senakeriba mpanjakan'i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva. 37 Ary raha ilay niankohoka teo an-tranon'i Nesraoka andriamaniny iny izy, dia novonoin'i Adramelaka sy Sarasara zanany lahy tamin'ny sabatra, ka nandositra nankany amin'ny tany Ararata ireo. Dia Asaradona zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0965