Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

1 Nony nampakarin'ny Tompo ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy any Galgala Elia sy Elisea.

2 Ary hoy Elia tamin'i Elisea: Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho tafahatra any Betela aho. Fa hoy kosa ny navalin'i Elisea: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho! Dia nidina nankany Betela izy ireo. 3 Ary nivoaka nankeo amin'i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa halain'ny Tompo anio ny tomponao, avy eo ambonin'ny lohanao? Dia hoy ny navaliny: Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina hianareo. 4 Ary hoy Elia taminy: Ry Elisea ô! mijanona eto, raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho any Jerikao aho. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho! Dia tonga tany Jerikao izy ireo. 5 Ary nanatona an'i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Jerikao, ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa halain'ny Tompo anio ny tomponao, avy eo ambonin'ny lohanao? Dia hoy ny navaliny: Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina hianareo. 6 Ary hoy Elia taminy: Mijanona eto raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho any Jordany aho. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho! Koa niara-nandeha izy roa lahy. 7 Nisy dimampolo lahy tamin'ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron'i Jordany. 8 Dia nalain'i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin'ny tany maina. 9 Nony tafita izy ireo dia hoy Elia tamin'i Elisea: Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan'ny hangalana ahy aminao. Ary hoy ny navalin'i Elisea: Ny mba hahazo anjara roa amin'ny fanahinao.

10 Ka hoy Elia: Mangataka zava-tsarotra hianao; kanefa raha mahita ahy hianao amin'ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany. 11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin'ny tafio-drivotra Elia.

12 Sady nijery Elisea no niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin'Israely sy mpitaingi-tsoavaliny! dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin'izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa, 13 ary noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Rahefa izay dia teo amin'i Jordany izy dia nijanona teo amorony. 14 Noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: Aiza Iaveh Andriamanitr'i Elia! Aiza izy! Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita Elisea. 15 Nahatazana azy ireo zanaky ny mpaminany izay any Jerikao tandrify azy, ka nanao hoe: Mipetraka ao amin'i Elisea ny fanahin'i Elia. Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany,

16 ary nanao taminy hoe: Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin'ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin'ny fanahin'ny Tompo izy ka natsipiny any amin'ny tendrombohitra anankiray, na any amin'ny lohasaha anankiray. 17 Nefa mbola noteren'izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: Iraho izy. Dia nirahin'izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy. 18 Nony tafaverina teo amin'i Elisea ireo, fa nitoetra tao Jerikao izy, dia hoy izy tamin'ireo: Tsy efa nilazako va hianareo fa hoe: Aza mandeha. 19 Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin'i Elisea: Araka izao hitan'ny tompoko, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.

20 Ka hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, asio sira ao anatiny. Dia nitondran'ny olona izany izy. 21 Nandeha nankany amin'ny fiandohan'ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony. 22 Dia tonga mahasalama ny rano mandrak'androany araka ny teny nolazain'i Elisea. 23 Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dàlana izy, dia nisy ankizilahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: Miakara, ry ilay sola, miakara, ry ilay sola;

24 dia niherika nijery an'ireo izy, ka nanozona azy tamin'ny anaran'ny Tompo. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny roa amby efapolo tamin'ireo ankizy ireo. 25 Avy ao izy dia nankany an-tendrombohitra Karmela; avy ao indray dia niverina ho any Samaria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0974