Boky Faharoan'ny Mpanjaka
2 Mpanjaka toko 20
Aretina amam-pahasitranan'i Ezekiasa - Irak'i Merodaka-Baladàna mpanjakan'i Babilona - Ny nahafatesan'i Ezekiasa.
1Tamin'izany andro izany, narary efa ho faty Ezekiasa. Ka tonga tao aminy Izaia zanak'i Amosa nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Ataovy izay hafatrao amin'ny ankohonanao, fa efa ho faty hianao, fa tsy ho velona intsony. 2Dia nitodika nankany amin'ny rindrina kosa Ezekiasa, ka nivavaka tamin'ny Tompo nanao hoe: 3Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan'ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin'ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao! Sady nirotsaka be dia be ny ranomason'i Ezekiasa.
4Tsy mbola lasa nivoaka hatrany amin'ny kianja afovoany akory Izaia, dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 5Miverena hianao, ka lazao amin'i Ezekiasa mpanapaka ny vahoakako hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'i Davida rainao: Reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao, ka indro sitraniko hianao; ao anatin'ny hateloana dia hiakatra ao an-tranon'ny Tompo hianao, 6hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao. Hovonjeko amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria hianao sy ity tanàna ity, hiaro ity tanàna ity aho, noho ny amin'ny tenako sy noho ny amin'i Davida mpanompoko. 7Dia hoy Izaia: Makà ampempan'aviavy. Dia nalaina izany, dia napetaka tamin'ny boiboika dia sitrana i Ezekiasa. 8Efa niteny tamin'Izaia Ezekiasa nanao hoe: Inona no famantaran'ny fahasitranan'ny Tompo ahy, sy hiakarako any an-tranon'ny Tompo ao anatin'ny hateloana? 9Ary hoy Izaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'ny Tompo, hahalalànao fa ho tanterahin'ny Tompo ny teny voalazany: handroso ambaratonga folo va ny aloka sa hihemotra ambaratonga folo? 10Ka hoy ny navalin'i Ezekiasa: Zavatra kely ny handrosoan'ny aloka ambaratonga folo, fa aoka hihemotra ambaratonga folo izy. 11Tamin'izay nangataka tamin'ny Tompo ny mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia teo amin'ny ambaratonga efa nidinany.
12Tamin'izany andro izany ihany koa, no nampitondran'i Merodaka-Baladàna zanak'i Baladana mpanjakan'i Babilona taratasy sy fanomezana ho an'i Ezekiasa, satria reny fa hoe narary Ezekiasa. 13Faly tamin'ireo iraka Ezekiasa, ka naneho tamin'ireo ny trano rehetra fitehirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitehirizam-piadiany, mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy tsy nasehon'i Ezekiasa tamin'izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin'ny taniny. 14Fa tonga tao amin'i Ezekiasa mpanjaka kosa Izaia mpaminany, ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireny olona ireny, ary avy aiza moa izy ireny no tonga tatý aminao? Dia hoy ny navalin'i Ezekiasa: Avy amin'ny tany lavitra izy, dia avy any Babilona. 15Ary hoy ny mpaminany: Inona avy no hitany tao an-tranonao? Ka hoy ny navalin'i Ezekiasa: Hitany avokoa izay tato an-tranoko rehetra, tsy misy tsy nasehoko azy ny tao amin'ny firaketako. 16Dia hoy Izaia tamin'i Ezekiasa: Henoy ny tenin'ny Tompo: 17Indro, ho avy ny andro hitondran'ny olona ho any Babilona, izay rehetra ao an-tranonao sy izay nangonin'ny razanao hatramin'izao andro izao, tsy hisy hijanona amin'izany, na inona na inona, hoy Iaveh. 18Ary ny zanakao izay naloaky ny kibonao izay naterakao, dia hangalany hatao eonoka any an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona. 19Dia hoy ny navalin'i Ezekiasa tamin'Izaia: Tsara ny tenin'ny Tompo notononinao. Dia hoy indray izy hoe: Eny, satria homba ahy amin'ny andro hiainako ny fiadanana sy ny hatezana.
20Ny sisa tamin'ny asan'i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin'ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà. 21Ary nodimandry any amin'ny razany Ezekiasa ka Manase zanany no nanjaka nandimby azy. >