Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-21

1 Roa ambin'ny folo taona Manase fony tonga mpanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hafsiba.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, nanaraka ny fahavetavetan'ireo firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan'i Ezekiasa rainy, nanangana otely ho an'i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon'i Akaba mpanjakan'Israely, ary niankohoka teo anatrehan'ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny. 4 Nanorenany otely ny tranon'ny Tompo izay nolazain'ny Tompo hoe: Ao Jerosalema no hametrahako ny anarako. 5 Otely ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'ny Tompo. 6 Nampamakiny ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo hampahatezerany azy. 7 Ny sampin'i Astarte nataony, napetrany tao amin'ny trano izay nolazain'ny Tompo tamin'i Davida sy Salomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity, sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay. 8 Tsy hampandehandeha ny tongotr'Israely hiala amin'ity tany nomeko ny razany ity intsony aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian'i Moizy mpanompoko azy. 9 Kanjo tsy nety izy ireo, ary nampivily azy Manase ka nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena rehetra naringan'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 10 Ary tamin'izay, dia niteny Iaveh tamin'ny vavan'ny mpaminany mpanompony nanao hoe:

11 Noho Manase mpanjakan'i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amoreana teo alohany, ary noho izy nampanota an'i Jodà tamin'ny sampiny, 12 dia izao kosa no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Indro aho hahatonga loza ho any amin'i Jerosalema sy Jodà, ka izay rehetra handre izany dia hangintsingitsina ny sofiny roa. 13 Hohenjaniko amin'i Jerosalema ny famolain'i Samaria sy ny pilaon'ny fianakavian'i Akaba. Hamaoka an'i Jerosalema aho ho toy ny lovia izay faohina sy ahohoka rehefa avy nofaohina. 14 Hafoiko ny lovako sisa, fa hatolotro eo an-tanan'ny fahavalony, ka ho tonga sambotra sy babon'ny fahavalony: 15 satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra ahy, hatramin'ny andro nivoahan'ny razany tany Ejipta ka mandrak'ankehitriny. 16 Afatsy ny fahotany izay nampanotany an'i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason'ny Tompo, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa Manase, ka feno izany Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.

17 Ny sisa tamin'ny asan'i Manase, mbamin'izay rehetra nataony, sy ny fahotana vitany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

18 Ary nodimandry any amin'ny razany Manase ka nalevina tao an-tanimbolin'ny tranony, dia tao amin'ny tanimbolin'i Oza. Amona zanany no nanjaka nandimby azy. 19 Roa amby roapolo taona Amona fony tonga mpanjaka, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Mesalemeta, zanak'i Harosa, avy any Jeteba.

20 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, tahaka ny nataon'i Manase rainy, 21 fa nandeha tamin'ny làlana rehetra nalehan-drainy izy; nanompo ny sampy notompoin-drainy izy, ary niankohoka teo anatrehan'ireny. 22 Nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy, ary tsy nandeha tamin'ny lalan'ny Tompo. 23 Nikomy tamin'i Amona ny mpanompony, ka namono ny mpanjaka tao an-tranony. 24 Novonoin'ny vahoakan'ny tany kosa anefa izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, ary Josiasa zanany no natsangan'ny vahoakan'ny tany ho mpanjaka hisolo azy. 25 Ny sisa tamin'ny asan'i Amona, mbamin'izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

26 Tao amin'ny fasany ao amin'ny tanimbolin'i Oza no nalevina izy; ary Josiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1203