Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-22

1 Valo taona Josiasa fony tonga mpanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Idida zanak'i Hadaia avy any Besekata.

2 Nanao izay mahitsy teo imason'ny Tompo izy, ary nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, sady tsy nivily na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 3 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an'i Safàna, mpanoratra, zanak'i Aslia zanak'i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin'ny tranon'ny Tompo, nanao hoe:

4 Miakara any amin'i Helkiasa mpisorona lehibe, asaovy ataony an-tànana ny vola naterin'ny olona ao an-tranon'ny Tompo, noraisin'ny mpiandry varavarana avy tamin'ny vahoaka. 5 Hapetraka eo an-tanan'izay mandraharaha ny asa, dia izay voatendry ho mpitandrina amin'ny tranon'ny Tompo izany, ka homen'ireo ho an'izay miasa amin'ny asan'ny tranon'ny Tompo, hanamboatra ny banga amin'ny trano, 6 dia ny mpandrafitra, sy ny manevra, ny mpandrafi-bato, hividianana hazo amam-bato voapaika hanamboarana ny trano. 7 Aza ampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany anefa izy ireo, fa manaraka ny rariny. 8 Tamin'izay Helkiasa mpisorona lehibe nilaza tamin'i Safana mpanoratra hoe: Hitako tao an-tranon'ny Tompo ny bokin'ny lalàna. Ary natolotr'i Helkiasa an'i Safàna ny boky ka novakiny.

9 Rahefa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin'ny mpanjaka Safàna mpanoratra, ka nanao hoe: Efa nalain'ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan'izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao amin'ny tranon'ny Tompo. 10 Izao koa no nampandrenesin'i Safàna mpanoratra ny mpanjaka: Misy boky nomen'i Helkiasa mpisorona ahy; sady novakiny teo anatrehan'ny mpanjaka. 11 Nony nandre ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,

12 sady nanome didy an'i Helkiasa mpisorona, sy Ahikama zanak'i Safàna, sy Akobora zanak'i Mika, sy Safàna mpanoratra, ary Asaiasa mpanompon'ny mpanjaka hoe: 13 Mandehana hianareo manontany amin'ny Tompo ho ahy sy ny vahoaka mbamin'i Jodà rehetra, ny amin'ny teny ato amin'ity boky vao hita ity, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny Tompo, noho ny tsy naneken'ny razantsika ny tenin'ity boky ity, amin'ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika. 14 Dia nandeha Helkiasa mpisorona, Ahikama, Akobora, Safàna, ary Asaiasa nankany amin'i Holda mpaminany vavy vadin'i Seloma, zanak'i Tekoa, zanak'i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin'ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,

15 dia hoy izy tamin'izy ireo: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Lazao amin'ny lehilahy naniraka anareo hankatý amiko, ataovy hoe: 16 Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho hahatonga loza ho etý amin'ity fitoerana ity sy amin'ny mponina ao aminy, araka ny teny rehetra ao amin'ny boky novakin'ny mpanjakan'i Jodà. 17 Satria nafoiny aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zava-manitra, hampahatezerany ahy amin'ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin'ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina. 18 Lazao amin'ny mpanjakan'i Jodà izay naniraka anareo hanontany amin'ny Tompo, ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny amin'ny teny efa renao, 19 noho hianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan'ny Tompo, tamin'ny nandrenesanao izay notononiko hanjo ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho hianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa aho, - teny marin'ny Tompo: - 20 Ka indro hangoniko any amin'ny razanao hianao, hangonina amim-piadanana hianao any amin'ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin'ity fitoerana ity ny masonao. Dia nitondra izany valiny izany ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113