Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-23

1 Ary ny mpanjaka naniraka hamory ny loholon'i Jodà sy Jerosalema rehetra ho ao aminy.

2 Dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka mbamin'ny lehilahy rehetra amin'i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, ka novakiny teo anatrehan'izy ireo ny teny rehetra tao amin'ny bokin'ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon'ny Tompo. 3 Nitsangana teo amin'ny lampihazo ny mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan'ny Tompo, nanekeny hanaraka an'ny Tompo sy hitandrina ny didy amam-pitsipiny ary ny lalàny, amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, amin'ny fankatoavana ny tenin'izany fanekena izany, izay voasoratra ao amin'io boky io. Ary nankatò izany fanekena izany koa ny vahoaka rehetra. 4 Dia nandidy an'i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin'ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan'ny tempolin'ny Tompo ny fanaka rehetra natao ho an'i Baala, sy Astarte mbamin'ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan'i Jerosalema any amin'ny sahan'i Sedrona ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony.

5 Noroahiny ny mpisoron-tsampy notendren'ny mpanjakan'i Jodà handoro zava-manitra amin'ny fitoerana avo, tany amin'ny tanànan'i Jodà sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema mbamin'ireo nanatitra zava-manitra ho an'i Baala, ho an'ny masoandro amam-bolana, ho an'ny famantarana roa ambin'ny folo, ary ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra. 6 Nesoriny tao an-tranon'ny Tompo ny aserah, navoakany any ivelan'i Jerosalema tany amin'ny lohasahan-driaka Sedrona dia nodorany tany amin'ny lohasahan-driak'i Sedrona, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin'ny fasan'ny zana-bahoaka izany vovoka izany. 7 Noravany ny tranon'ireo olona nanolo-tena hijangajanga izay nitoetra tao an-tranon'ny Tompo, izay nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarte. 8 Nampanalainy ny mpisorona rehetra tany amin'ny tanànan'i Jodà, nolotoiny ny fitoerana avo nandoroan'ny mpisorona zava-manitra, hatrany Gabaà ka hatrany Bersabea, noravany ireo fitoerana avo teo am-bavahady, dia ilay teo amin'ny fidirana amin'ny vavahadin'i Josoe lehiben'ny tanàna, sy ilay teo an-kavian'ny vavahadin'ny tanàna. 9 Tsy niakatra teo amin'ny otelin'ny Tompo ao Jerosalema anefa ny mpisoron'ny fitoerana avo, fa nihinana mofo tsy misy lalivay teo afovoan'ireo rahalahiny ihany izy ireo. 10 Nolotoin'ny mpanjaka koa Tofeta, ilay teo an-dohasahan'ny taranak'i Enoma mba tsy hisy hampandeha ny zanany lahy na vavy hamaky ny afo, ho fanajana an'i Molaoka intsony. 11 Nofoanany ny soavaly natokan'ny mpanjakan'i Jodà ho an'ny masoandro teo amin'ny fidirana mankao an-tranon'ny Tompo, akaikin'ny efi-tranon'i Natana-Meleka, eonoka, izay tanatin'ny fanampin-trano; nodorany tamin'ny afo ireo kalesy ho an'ny masoandro. 12 Noravany ireo otely teo ambony tafon'ny efi-trano avon'i Akaza, nataon'ny mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny nataon'i Manase teo amin'ny kianja roa amin'ny tranon'ny Tompo; ary avy eo izy dia nandeha faingana nanary ny vovoka avy amin'ireny tao amin'ny lohasahan'i Sedrona. 13 Nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin'i Jerosalema, amin'ny an-kavanan'ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin'i Salomona mpanjakan'Israely, ho an'i Astarte fahavetavetan'ny Sidoniana sy ho an'i Kamosa fahavetavetan'ny zanak'i Amona;

14 nazerany ny tsangambaton-tsampy, nokapainy ny aserah, ary nofenoiny taolan'olona ny fitoerana nitoerany. 15 Torak'izany koa ny otely tany Betela, ny fitoerana avo nataon'i Jeroboama zanak'i Nabata, ilay nampanota an'Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany otely izany mbamin'ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah. 16 Nony nitodika Josiasa ka nahita irery fasana teny an-tendrombohitra, dia nampanalainy ny taolana tao am-pasana, nodorany teo ambony otely, nandotoany azy, araka ny tenin'ny Tompo, notononin'ilay olon'Andriamanitra izay efa nilaza izany rahateo.

17 Hoy izy tamin'izay: Tsangam-baton'iza, itsy hitako itsy? Ka hoy ny olona tao an-tanàna: Io no fasan'ilay olon'Andriamanitra, avy any Jodà, nanambara rahateo izao zavatra nataonao tamin'ny otely eto Betela izao. 18 Dia hoy izy: Avelao izany fa aza misy manetsika ny taolany. Ka noho izany dia navela tsy voakasika ny taolany, sy ny taolan'ilay mpaminany avy any Samaria. 19 Nofoanan'i Josiasa koa ny trano rehetra teny amin'ny fitoerana avo, amin'ny tanànan'i Samaria, nataon'ny mpanjakan'Israely, ka nampahatezitra an'ny Tompo. Tsy misy hivoasana amin'ny nanaovany an'i Betela no nanaovany azy.

20 Novonoiny teo ambonin'ny otely daholo ny mpisoron'ny fitoerana avo izay teo; sady nandorany taolan'olona koa teo, vao niverina nankany Jerosalema izy. 21 Izao no didy nomen'ny mpanjaka ny vahoaka rehetra: Mankalazà ny Paka, ho fanajana an'ny Tompo Andriamanitrareo, araka ny voasoratra amin'ity bokin'ny fanekena ity.

22 Ary tsy mbola nisy nahatoraka an'izany, ny fankalazana ny fetin'ny Paka, hatramin'ny andron'ny Mpitsara nitsara an'Israely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'Israely sy ny mpanjakan'i Jodà. 23 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa no nankalazana izany Paka izany tao Jerosalema ho fanomezam-boninahitra an'ny Tompo. 24 Nofoanan'i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin'ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin'ny tanin'i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna, voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Jelkiasa mpisorona, tao an-tranon'ny Tompo.

25 Tsy nisy mpanjaka talohany nitodika tahaka azy amin'ny Tompo amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, araka ny lalan'i Moizy rehetra, ary tatý aoriana tsy nisy nitovy taminy. 26 Kanefa tsy nionona Iaveh tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, satria nirehitra tamin'i Jodà ny fahatezerany, noho ny fihatsiana nampahatezeran'i Manase azy. 27 Fa hoy Iaveh: Hesoriko hiala eo anatrehan'ny tavako koa Jodà, tahaka ny nanesorako an'Israely, ary hariako ity tanànan'i Jerosalema nofidiko ity, sy ity trano nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako. 28 Ny sisa tamin'ny asan'i Josiasa mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

29 Tamin'ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan'i Asiria any amin'ny ony Elfrata, Faraona-Nekao mpanjakan'i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan'i Faraona izy dia matiny tao Magedao.

30 Maty izy no nitondran'ny mpanompony azy tao anaty kalesy, avy any Magedao, ka nentiny tao Jerosalema dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary Joakaza zanak'i Josiasa no nalain'ny vahoakan'ny tany, dia nohosorany sy natsangany ho mpanjaka hisolo an-drainy. 31 Telo amby roapolo taona Joakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak'i Jeremia avy any Lobnà.

32 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo tahaka izay rehetra nataon'ny razany izy. 33 Nogadran'i Faraona Nekao tany Reblà amin'ny tany Emata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema intsony, ary nampandoaviny hetra talenta volafotsy zato, sy talenta volamena iray ny tany.

34 Eliasima zanak'i Josiasa no natsangan'i Faraona Nekao ho mpanjaka, hisolo an'i Josiasa rainy, ary novany hoe Joakima ny anarany. Fa Joakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany. 35 Joakima dia nanome volafotsy sy volamena ho an'i Faraona, fa nampandoaviny hetra ny tany, hanomezana ny totalim-bola nodidian'i Faraona haloa; koa samy nampandoa volafotsy sy volamena ny vahoakan'ny tany avy izy ireo arak'izay voafetra ho anjarany. 36 Dimy amby roapolo taona Joakima fony vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zebidà zanak'i Fadaiasa avy any Rimà.

37 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo tahaka izay rehetra nataon'ny razany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0477