Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-24

1 Fony fahavelony dia lasa niantafika Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona, ka nanoa azy telo taona Joakima; fa niodina taminy indray izy.

2 Nalefan'ny Tompo hamely an'i Joakima ny antoko-miaramila Kaldeana, ny antoko-miaramila Siriana, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amonita, ka ny nandefasany an'ireo hamely an'i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin'ny Tompo izay notononiny tamin'ny alalan'ny mpaminany mpanompony. 3 Lahatry ny Tompo tokana ihany no nahatongavan'izany tamin'i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan'ny tavany, noho ny fahotana rehetra nataon'i Manase, 4 sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny Jerosalema, koa tsy nety namela izany Iaveh. 5 Ny sisa tamin'ny asan'i Joakima mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?

6 Ary nodimandry any amin'ny razany Joakima ka Joasina zanany no nanjaka nandimby azy. 7 Tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Ejipta, fa lasan'ny mpanjakan'i Babilona avokoa izay an'ny mpanjakan'i Ejipta, hatramin'ny ranon-driakan'i Ejipta, ka hatramin'ny ony Eofrata.

8 Valo ambin'ny folo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohesta zanak'i Elnatana avy ao Jerosalema.

9 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy. 10 Niakatra hamely an'i Jerosalema ny mpanompon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona tamin'izany, ka natao fahirano ny tanàna.

11 Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan'ny tanàna koa Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona. 12 Tamin'izany dia nivoaka nankao amin'ny mpanjakan'i Babilona Joasina, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny reniny, ny mpanompony, ny manam-boninahiny sy ny eonokany, dia nataon'ny mpanjakan'i Babilona sambo-belona izy, tamin'ny taona fahavalo nanjakany. 13 Nogoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon'ny Tompo sy ny rakitra tao an-tranon'ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon'i Salomona, mpanjakan'Israely, tao an-tranon'ny Tompo, araka izay efa voalazan'ny Tompo rahateo. 14 Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin'ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin'ny tany ihany no sisa tafajanona. 15 Nentina ho any Babilona Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilona ny renin'ny mpanjaka, ny vadin'ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin'ny tany. 16 Fanampin'izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin'ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babilona ho babo any Babilona daholo. 17 Ary ny natsangan'ny mpanjakan'i Babilona ho mpanjaka hisolo an'i Joasina, dia Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany. 18 Iraika amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak'i Jeremia avy ao Lobnà.

19 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon'i Joakima. 20 Nihatra tamin'i Jerosalema sy Jodà izany, noho ny hatezeran'ny Tompo, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan'ny tavany. Ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Babilona Sedesiasa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0924