Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-5

1 Naamana, komandin'ny tafiky ny mpanjakan'i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin'ny tompony, fa izy no namonjen'ny Tompo ny Siriana; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.

2 Fahizany kosa nisy Siriana nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin'ny tanin'Israely, izay tonga mpanompon'ny vadin'i Naamana. 3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Raha mba any amin'ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompolahiko, dia hositranin'ny mpaminany amin'ny habokany tokoa! 4 Ka lasa Naamana nilaza izany tamin'ny tompony, nanao hoe: Izao sy izao avy no nolazain'ilay zazavavy kely, avy any amin'ny tanin'Israely. 5 Dia hoy ny mpanjakan'i Siria: Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan'Israely. Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla; ary akanjo impolo miova. 6 Nateriny tamin'ny mpanjakan'Israely ilay taratasy izay misy manao hoe: Rahefa tonga atý aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atý aminao Naamana mpanompoko, mba hositraninao amin'ny habokany. 7 Nony voavakin'ny mpanjakan'Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan'ilay iny olona ho atý amiko hositraniko amin'ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filany ady amiko izao. 8 Vao nandre Elisea olon'Andriamanitra fa hoe: notriarin'ny mpanjakan'Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin'ny mpanjaka hoe: Nahoana hianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatý amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin'Israely.

9 Dia nandeha Naamana mbamin'ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisea. 10 Olona no nirahin'i Elisea hilaza aminy hoe: Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao. 11 Tezitra Naamana, ka lasa niombotra nanao hoe: Indro aho nanao anakampò hoe: hivoaka hankatý amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran'ny Tompo Andriamaniny sy hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny fery, dia hahasitrana ilay boka. 12 Tsy tsara noho ny ranon'Israely rehetra va Abana sy Farfara onin'i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho, ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana. 13 Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain'ny mpaminany hataonao moa tsy ho nataonao ihany va? Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa, dia hadio hianao! 14 Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin'ny olon'Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy. 15 Dia niverina nankao amin'ilay olon'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra afatsy eto amin'Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin'ny mpanomponao hianao.

16 Fa hoy Elisea: Velona Iaveh izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho. Mbola nanery azy handray ihany Naamana, nefa tsy nety izy. 17 Ka hoy Naamana: Rahefa tsy mety hianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan'ny mole roa, satria tsy tian'ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin'andriamani-kafa, afatsy amin'ny Tompo ihany. 18 Fa aoka havelan'ny Tompo ny mpanomponao amin'izao ihany: raha miditra ao amin'ny tranon-dRemona ny tompoko mba hivavaka ao sy mitehina amin'ny tànako izy, dia mba miankohoka ao amin'ny tranon-dRemona koa aho; Iaveh anie hamela ny mpanomponao amin'izany hiankohofako ao amin'ny tranon-dRemona izany. 19 Dia hoy Elisea taminy: Mandehana amim-piadanana! Dia nilaozan'i Naamana izy. 20 Vao lasa kelikely izy, dia hoy kosa Giezi mpanompon'i Elisea olon'Andriamanitra anakampony: Nitsimbina an'i Naamana Siriana ny tompoko, ka tsy nandray avy amin'ny tànany ny zavatra nentiny. Velona Iaveh! fa hihazakazaka hanaraka azy aho, ka hahazo zavatra aminy.

21 Dia rafitra nanaraka an'i Naamana Giezi. Vao nahatazana azy nihazakazaka nanaraka azy Naamana, dia nidina niala tamin'ny kalesiny hitsena azy, ka nanao hoe: Tsara ihany daholo va? 22 Dia hoy Giezi: Tsara daholo ihany. Nirahin'ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atý amiko avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo. 23 Ary hoy Naamana: Aoka re ho talenta roa no horaisinao. Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasaka roa ny talenta roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin'ny mpanompony roa lahy izany hoentiny eo alohan'i Giezi. 24 Nony tonga tao amin'ny havoana, nalain'i Giezi teny an-tanan'ireo izany, napetrany tao an-trano, dia nandefa ireo olona ireo izy ka lasa ireo. 25 Dia lasa niseho teo anatrehan'ny tompony izy, ka hoy Elisea taminy: Avy taiza ity hianao, ry Giezi? Dia hoy izy namaly hoe: Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao. 26 Fa hoy Elisea taminy: Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin'ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na oliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy? 27 Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Naamana! Dia niala teo anatrehan'i Elisea Giezi ka fotsy hoatry ny oram-panala izy azon'ny habokana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0902