Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-7

1 Fa hoy Elisea: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo. Izao no lazain'ny Tompo: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin'i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan'ny famarana.

2 Fa namaly an'ity olon'Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany, ka nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Iaveh? Dia hoy Elisea: Ho hitan'ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao. 3 Teo anoloan'ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?

4 Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin'ny Siriana: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika. 5 Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin'ny Siriana; ka tonga teo amin'ny fidiran'ny tobin'ny Siriana izy, ka indro fa tsy nisy olona teo. 6 Fa tao an-tobin'ny Siriana, dia nampandrenesan'ny Tompo figondongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: Injao fa nanamby ny mpanjakan'ny Heteana sy ny mpanjakan'ny Ejipsiana ho tonga hamely antsika ny mpanjakan'Israely. 7 Dia niainga izy ireo, ka iny takariva iny ihany dia rifatra nandositra, nilaozany teo ny lainy, ny soavaliny, ny ampondrany, dia ny tobiny araka izay nanorenana azy ka nitsoaka namonjy ny ainy izy. 8 Nitsofoka tamin'ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin'ny fidiran'ny toby, ary rahefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina izany. Niverina indray izy nitsofoka tamin'ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa. 9 Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan'ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia ary handeha isika hilaza amin'ny ao an-tranon'ny mpanjaka. 10 Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazana nataony: Nitsofoka tany an-tobin'ny Siriana izahay, ka indro tsy misy olona, na feon'olona akory, fa saovaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin'ny toetra nananganana azy no hany ao. 11 Rafitra nihoby ny mpiambim-bavahady, sady nitondra ny vaovao tany anatin'ny tranon'ny mpanjaka. 12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Tiako hambara aminareo izay ataon'ny Siriana amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin'ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rahefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna. 13 Dia niteny ny iray tamin'ny mpanompony nanao hoe: Aoka ny dimy amin'ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, - fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin'Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy ny maro amin'Israely izay mandroso ho faty, - ka alefaontsika hizaha izany. 14 Dia nalaina ny kalesy roa mbamin'ny soavaliny, ka nandefa olona hanaraka ny dian'ny tafiky ny Siriana, ny mpanjaka, nanao hoe: Mandehana hianareo mizaha any. 15 Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalambe rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian'ny Siriana, tamin'ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin'ny mpanjaka. 16 Nivoaka namabo ny tobin'ny Siriana ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan'ny famarana, araka ny tenin'ny Tompo.

17 Ilay manamboninahitra nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin'ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io, ka maty, araka ilay teny voalazan'ny olon'Andriamanitra, tamin'ny mpanjaka nidina tany aminy. 18 Izany tokoa, satria raha niteny tamin'ny mpanjaka ny olon'Andriamanitra nanao hoe: Iray sikla, dia hahazo orja indroan'ny famarana, iray sikla, dia hahazo lafarina tsara indrindra eran'ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin'i Samaria, 19 dia namaly ny olon'Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Iaveh? Ary Elisea efa nanao hoe: Indro fa ho hitan'ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao. 20 Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin'ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367