Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-9

1 Ary niantso ny anankiray amin'ny zanaky ny mpaminany Elisea mpaminany, ka nanao hoe: Misikina hianao; raiso eo an-tànanao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramota any Galaada.

2 Rahefa tonga any hianao, zahao Jeho zanak'i Josafata zanak'i Namsì, ka rahefa tafahatona eo anilany dia asaovy hitsangana avy eo amin'ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an'efitrano mangingina, 3 ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin'ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan'Israely hianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona. 4 Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon'ny mpaminany, ho any Ramota, any Galaada.

5 Nony tonga izy, indreo ny lehiben'ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto? Dia namaly izy: Aminao, Komandy. 6 Koa nitsangana nankao an-trano Jeho, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin'ny lohany no nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Hosorako ho mpanjakan'Israely vahoakan'ny Tompo hianao. 7 Hamely ny tranon'i Akaba tomponao hianao, ary hampanodiaviko an'i Jezabela ny ran'ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran'ny mpanompon'ny Tompo rehetra. 8 Haringana ny tranon'i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an'i Akaba, na ny manompo olona na ny olona afaka amin'Israely, 9 ka hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata sy ny an'i Baasa zanak'i Ahia, ny tranon'i Akaba. 10 Hohanin'ny alika eo amin'ny sahan'i Jezrahela Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy. Dia novohan'ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy. 11 Fa Jeho kosa nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan'ilay adala iny tao aminao? Dia hoy ny navaliny azy ireo: Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.

12 Fa namaly izy ireo nanao hoe: Lainga izany, fa ambarao aminay izany! Ary hoy izy hoe: Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: izao no lazain'ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan'Israely hianao. 13 Niaraka tamin'izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin'i Jeho, teo an-tampon'ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: Jeho no mpanjaka! 14 Nanao teti-dratsy Jeho zanak'i Josafata, zanak'i Namsì, hamely an'i Jorama. Jorama sy Israely rehetra tamin'izany, dia niaro an'i Ramota any Galaada, tsy ho azon'i Hazaela mpanjakan'i Siria, 15 saingy niverina nankany Jezrahela Jorama mpanjaka hampitsabo tena amin'ny ratra nahavoazan'ny Siriana azy, tamin'izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Ka hoy Jeho: Raha maniry izany ary hianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka andeha hilaza izany any Jezrahela. 16 Dia niakatra teo amin'ny kalesiny Jeho, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany Jorama, ary nidina namangy an'i Jorama any koa Okoziasa mpanjakan'i Jodà. 17 Tazan'ny mpitily nitoetra tao an-tampon'ny tilikambon'i Jezrahela kosa ny nihavian'ny antoko-miaramilan'i Jeho ka nolazainy hoe: Mahatazana antoko-miaramila aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?

18 Dia nandeha nitsena an'i Jeho ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia aty aoriako hianao! Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina. 19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atý aoriako hianao! 20 Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin'ny fitarik'i Jeho zanak'i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy. 21 Dia hoy Jorama: Ataovy amin'ny kalesy ny soavaly. Dia natao tamin'ny kalesiny ny soavaly. Nivoaka samy tamin'ny kalesiny avy, Jorama mpanjakan'Israely, sy Okoziasa, mpanjakan'i Jodà, nivoaka nitsena an'i Jeho, ka nifanena taminy tao amin'ny sahan'i Nabota, any Jezrahela. 22 Raha nahita an'i Jeho Jorama, dia nanao taminy hoe: Fihavanana va izao, ry Jeho? Fa namaly kosa Jeho: Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan'i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony? 23 Dia nampihodina ny kalesiny Jorama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin'i Okoziasa hoe: Fivadihana ity, ry Okoziasa. 24 Fa noraisin'i Jeho teo an-tànany kosa ny tsipìkany, nasiany Jorama teo anelanelan'ny sorony; tafagorobaka tamin'ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsitra tao anaty kalesiny tao Jorama. 25 Ary hoy Jeho tamin'i Badakera lefiny: Raiso io, atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy hianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an'i Akaba iny, ka nitenenan'ny Tompo izao teny nihatra taminy izao hoe: 26 Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran'i Nabota sy ny ran-janany, - teny marin'ny Tompo izao, - dia hataoko ho todin'izany hianao ato amin'ity saha ity ihany, - teny marin'ny Tompo izao; - koa raiso io, atsipazo amin'ny saha araka ny tenin'ny Tompo. 27 Raha nahita izany Okoziasa mpanjakan'i Jodà, dia nandositra tamin'ny làlan'ny tranon'ny zaridaina. Fa nenjehin'i Jeho izy sady nataony hoe: Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny. Dia nasian'ny olona izy, teo amin'ny fiakaran'i Gavera, akaikin'i Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.

28 Nentin'ny mpanompony tamin'ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida. 29 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folon'ny nanjakan'i Jorama, zanak'i Akaba, no nahatongavan'i Okoziasa ho mpanjakan'i Jodà. 30 Dia niditra tao Jezrahela Jeho. Raha nandre izany Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.

31 Nony niditra ny vavahady Jeho dia hoy izy: Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo? 32 Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: Iza no momba ahy? Iza? Eonoka roa na telo no nitsirika avy, 33 dia nataony hoe: Azerao atý ambany izy io! Dia nazeran'ireo izy, ka nifantsitsitra tamin'ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen'i Jeho tamin'ny tongony izy. 34 Rahefa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjaka izy. 35 Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karan-dohany sy ny tongony aman-pelatanany sisa tratrany teo. 36 Ka niverina nilaza izany tamin'i Jeho izy, fa hoy izy: Izany no tenin'ny Tompo notononiny tamin'ny alàlan'i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin'ny alika ao amin'ny sahan'i Jezrahela ny nofon'i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin'ny tany ao amin'ny sahan'i Jezrahela ny fatin'i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: Jezabela ity.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1487