Epistola Faharoan'i Md. Piera

Toko voalohany

1 Simona Piera, mpanompo sy Apostolin'i Jesoa-Kristy, mamangy an'izay nahazo ny finoana saro-bidy toa anay, noho ny fahamarinan'i Jesoa-Kristy Andriamanitra Mpamonjy antsika:

2 Hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. 3 Ny herin'izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa izy no nampahalala antsika tsara an'ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsarany;

4 dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan'izany ho mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra hianareo, rahefa afaka tamin'ny fahalòvan'ny filan-dratsin'izao tontolo izao. 5 Ka noho izany, aoka kosa hianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy, fahalalana; 6 ny fahalalana, fahalalana onony; ny fahalalana onony, fandeferana; ny fandeferana, fitiavam-bavaka; 7 ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana; ny fitiava-namana, fiavana an'Andriamanitra. 8 Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo hianareo, sady manam-be, dia tsy havelan'ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin'ny fahalalana tsara an'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

9 Fa izay tsy manana an'ireo kosa dia jamba sy tsy mahajery lavitra ary manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny. 10 Koa amin'izany, ry rahalahy, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin'ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany hianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana. 11 Ary amin'izany dia homena fidirana malalaka amin'ny fanjakan'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika hianareo. 12 Noho izany, hazoto mampahatsiaro anareo an'izany zavatra izany mandrakariva aho, na dia efa mahalala sy miorina mafy amin'ny fahamarinana efa ao aminareo aza hianareo.

13 Ataoko fa raha mbola amin'ity tranolay ity koa aho, dia adidiko ny mamoha anareo amin'ny fananarana, 14 satria fantatro fa akaiky ny hialako amin'ny tranolaiko araka izay nambaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika tamiko, 15 ka hanao izay zakako aho, mba hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva rahefa lasa aho. 16 Fa tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.

17 Endrey izany haja amam-boninahitra nomen'Andriamanitra Ray azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'ny voninahitra lehibe nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra. 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary mafy orina kokoa ho antsika amin'izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin'ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan'ny kintana fitarik'andro ao am-ponareo. 20 Fantaro tsara anefa fa tsy avy amin'ny fisainan'olona fotsiny ny faminaniana rehetra ao amin'ny Soratra Masina; 21 satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin'ny sitra-pon ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin'Andriamanitra izay notsindriany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565