Epistola Faharoan'i Md. Piera
2 Piera toko 2
Ny amin'ny mpampianatra sandoka - Ny haratsiany - Ny hanjo azy.
1Ary toy ny nisian'ny mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka fahiny, no hisian'ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an'ny tenany. 2Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin'izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina. 3Hataony varotra amin'ny teny manodòka hianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
4Fa matoa tsy namindra fo tamin'ny anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itànany azy ho amin'ny fitsarana; 5matoa tsy namindra fo tamin'izao tontolo izao fahiny izy, afa-tsy tamin'i Noe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony izy nahatonga safo-drano tamin ízao tontolo ratsy fanahy izao; 6matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan'i Sodoma sy Gomora, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy aty aoriana; 7ary matoa izy namonjy an'i Lota olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondran-tenan-dry zareo tsy misoro-doza, 8(fa ory loatra ny fanahin'io olo-marina io mahita sy mandre isan'andro ny fandikan'izy ireo ny Lalàna, fony izy niara-nitoetra taminy): 9dia satria hain'izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin'ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin'ny andron'ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazìna, 10indrindra fa ireo manaram-po amin'ny filan-dratsin'ny nofo, sy manamavo ny fahandrianana.
Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo voninahitra akory, 11nefa na ny anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan'ny Tompo. 12Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin'ny fahalotoany izy ireo: 13izany no ho valin'ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fý sendra isan'andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin'ny fiaraha-mihinam-py aminareo. 14Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo. 15Niala tamin'ny làla-mahitsy izy ireo, ary nivily nanaraka ny làlan'i Balaama zanak'i Bosora, izay nankasitraka ny tambin'ny tsy fahamarinana, 16nefa nahazo anatra noho ny fivadihany ity mpaminany, fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, nisakana ny hadalany. 17Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin'ny tadio, ka aizina mainty be no miandry azy. 18Teny manodoka sy tsy misy heviny no itarihany an'izay vao nandao ny olon-dratsin'ny nofo sy ny fahalotoana. 19Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon'ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon'izay naharesy azy. 20Ary raha olona efa niala tamin'ny faholotoan'izao tontolo izao, noho ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr'izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. 21Satria aleo tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalàna masina nampianarina azy. 22Tanteraka amin'ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin'ny loany, ary ny kisoa voasasa mihosim-potaka indray. >