Epistola Faharoan'i Md. Piera

Toko faha-3

1 Ry malala, ity no fanindroan'ny epistolà nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara,

2 mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran'ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin'ny Apostolinareo. 3 Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin'ny kibony,

4 ka hilaza hoe: Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan'ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ihany. 5 Odian'izy ireo tsy fantatra fa hatramin'ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin'ny rano sy natao tamin'ny rano, noho ny tenin'Andriamanitra, 6 ary rano ihany koa no efa nandravana an'izao tontolo izao fahizany, tamin'ny nanasaforany azy. 7 Ary raha ny amin'ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin'Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin'ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.

9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo. 10 Ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon'ny afo, ny tany mbamin'ny asa rehetra eo aminy hodorana. 11 Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao, ho toy inona no tokony ho fahamasinan'ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,

12 amin'ny fiandrasana sy fanafainganana ny hihavian'ny andron'ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra? 13 Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan'ny fahamarinana. 14 Amin'ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo.

15 Minoa fa ny haelan'ny fandeferan'ny Tompontsika dia ho an'ny famonjena anareo, toy ny nanoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo koa, araka ny fahendrena nomena azy. 16 Toy izany koa no ataony amin'ny epistolàny rehetra izay ilazàny ny amin'izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin'ireny, izay aolan'ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin'ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy. 17 Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo hianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison'ny ratsy fanahy, ka hiala amin'izay niorenanareo.

18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1465