Boky Faharoan'i Samoela
2 Samoela toko 10
Ady tamin'ny Amonita.
1Taty aorian'izany, maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka dia Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy. 2Ary hoy Davida: Hampiseho fankasitrahana amin'i Hanona zanak'i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko. Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy Davida tamin'ny alàlan'ny mpanompony. Nony tonga tany amin'ny tanin'i Amona ny mpanompon'i Davida, 3dia hoy ny filohan'ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa heverinao ho fanajana an-drainao no nanirahan'i Davida mpanala alahelo aty aminao? Moa tsy ny hizaha sy ny hisafo ny tanàna va, mba handravany azy no nanirahan'i Davida ny mpanompony ho aty aminao? 4Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjony nofolonany hatreo amin'ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody. 5Nisy nampandre izany an'i Davida, dia naniraka olona hitsena azy ireo izy fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo, ka izao no nasain'ny mpanjaka nambara taminy: Mitoera any Jerikao aloha, mandra-panirin'ny somotrareo, vao mody hianareo.
6Fantatry ny taranak'i Amona, fa ankahalan'i Davida azy ny nataony ka ny taranak'i Amona dia naniraka olona haka miaramila hokaramainy avy amin'ny Siriana any Beta-Rohoba sy amin'ny Siriana any Sobà, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary any amin'ny mpanjakan'i Maakà koa roa arivo lahy, ary any amin'ny olona ao Toba roa arivoa sy iray alin-dahy. 7Ren'i Davida izany, ka mba nalefany kosa Joaba sy ny miaramila rehetra, lehilahy voafantina. 8Dia nivoaka ny taranak'i Amona, ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ny Siriana avy any Sobà sy Rohoba mbamin'ny lehilahy avy any Toba sy Maakà kosa nitokana teny an-tsaha. 9Nony hitan'i Joaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin'izay voafantina tamin'Israely no nofidiny hilahatra mifanatrika amin'ny Siriana, 10fa ny vahoaka sisa rehetra kosa nomeny hotarihin'i Abisaia rahalahiny, izay nampilahatra azy ireo hanoloana ny taranak'i Amona. 11Ary hoy izy: Raha mahery noho izaho ny Siriana, dia handeha hamonjy ahy hianao, fa raha mahery noho hianao kosa ny taranak'i Amona dia handeha hamonjy anao aho. 12Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an'ny firenentsika sy ho an'ny tanànan'ny Andriamanitsika; dia aoka Iaveh hanao izay ataony ho mety. 13Dia nandroso namely ny Siriana Joaba sy ny vahoaka nomba azy, ka nandositra teo anoloany ireny. 14Nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Siriana, dia nandositra teo anoloan'i Abisaia koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna indray. Dia niverina Joaba nony avy namely ny taranak'i Amona, ka niditra tany Jerosalema.
15Nony hitan'ny Siriana ny nahareseny teo anatrehan'Israely dia nikambana izy ireo. 16Ary nisy olona nirahin'i Hadarezera haka ny Siriana izay tany an-dafin'ny ony, ka tonga teo Helama izy ireo; ary Sobàka, lehiben'ny tafik'i Hadarezera no nitarika azy. 17Novorin'i Davida Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an'i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin'i Davida ny Siriana, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy. 18Kanjo vaky nandositra teo anoloan'Israely ny Siriana, ka matin'i Davida ny an-kalesy fiton-jato, sy an-tsoavaly efatra alina tamin'izy ireo; nasiany koa Sobàka lehiben'ny tafik'izy ireo, ka maty teo izy. 19Hitan'ny mpanjaka rehetra fehezin'i Hadarezera fa resy teo anatrehan'Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin'Israely, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak'i Amona intsony ny Siriana. >