Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-11

1 Tamin'ny fitsingerenan'ny taona, nony mby amin'ny fotoana fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nalefan'i Davida Joaba mbamin'ny mpanompony sy Israely rehetra, ka nofongoran'ireo ny taranak'i Amona, ary nataony fahirano Rabà; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.

2 Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny Davida ka nitsangantsangana teo amin'ny tafon-tranon'ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy ery ravehivavy io.

3 Nasain'i Davida nanontaniana hoe: Iza io vehivavy io? ka izao no nolazain'ny olona azy: Io no Betsabea, zanakavavin'i Eliama, vadin'i Oria, Heteana. 4 Dia naniraka olona haka azy Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin'ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony, 5 kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin'i Davida hoe: Manana anaka aho. 6 Tamin'izay, naniraka tany amin'i Joaba Davida handidy azy hoe: Alefaso hankaty amiko Oria Heteana. Dia nalefan'i Joaba hankany amin'i Davida Oria.

7 Ka nony tonga tany amin'i Davida Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an'i Joaba sy ny tafika ary ny ady. 8 Izay Davida vao nanao tamin'i Oria hoe: Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao. Nivoaka ny tranon'ny mpanjaka Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin'ny mpanjaka; 9 nefa niara-nandry tamin'ny mpanompon'ny tompony Oria, teo am-baravaran'ny tranon'andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony. 10 Nolazaina tamin'i Davida izany, natao hoe: Tsy nidina nody any an-tranony Oria. Ka hoy Davida tamin'i Oria: Moa tsy tonga avy amin'ny dia hianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao? 11 Dia hoy ny navalin'i Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy Israely mbamin'i Jodà, mitoetra an-day; Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Marina amin'ny ainao sy ny ain'ny fanahinao raha hanao izany aho! 12 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany àry aty anio; fa rahampitso dia halefako hianao. Dia nitoetra tany Jerosalema ihany Oria androtr'izay sy ny ampitson'izay. 13 Nasain'i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin'ny fandriany, teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony. 14 Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba Davida ka tànan'i Oria no nampitondrainy azy.

15 Izao no nosoratany tamin'ny taratasy: Apetraho amin'izay toerana iadiana mafy indrindra Oria, dia mihataha avy eo aoriany hianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy. 16 Nanao fahirano ny tanàna Joaba ka napetrany tamin'ny toerana fantany ho nisy ny lehilahy mahery indrindra Oria. 17 Nivoaka hamely an'i Joaba ny olona tao an-tànana, ka maro tamin'ny vahoaka, tamin'ny mpanompon'i Davida, no maty; ary maty koa Oria, Heteana. 18 Dia naniraka hilaza ny toetry ny ady any amin'i Davida Joaba; 19 ary ny iraka dia nomeny didy hoe: Rahefa vita ny fitantaranao amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady, raha misondrotra ny hatezeran'ny mpanjaka ka milaza aminao hoe: 20 Ahoana no nanakekezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda hianareo? 21 Iza no namely an'i Abimeleka zanak'i Jerobaala? Moa tsy nozeran'ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda va izy, ka matin'izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakekezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa Oria, Heteana, mpanomponao. 22 Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin'i Davida avokoa izay nasain'i Joaba nambara.

23 Hoy ilay iraka tamin'i Davida: Nivoahan'ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan'ny vavahady kosa izy, 24 ary notofirin'ny mpandefa zana-tsipìka avy ery ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin'ny mpanompon'ny mpanjaka no maty; Oria, Heteana, mpanomponao koa mba maty. 25 Dia hoy Davida tamin'ilay iraka: Izao no lazao amin'i Joaba: Aza malahelo loatra amin'izany hianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian'ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin'ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary hianao koa mba mankahereza azy. 26 Nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany azy izy.

27 Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain'i Davida sy noraisiny tao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak'Iaveh izany zavatra nataon'i Davida izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085