Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-12

1 Nirahin'ny Tompo ho any amin'i Davida Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy, tao amin'ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.

2 Ondry aman'omby sesehena no an'ilay mpanan-karena; 3 fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an'ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin'ny zanany, nihinana tamin'ny mofony, nisotro tamin'ny kapaokany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy. 4 Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin'ny ondriny na ny ombiny izy hanamboatra sakafo ho an'ilay vahiny tonga tao aminy: fa ny ondrivavin'ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an'ilay olona tonga tao aminy. 5 Nirehitra fatratra tamin'izany olona izany ny fahatezeran'i Davida, ka hoy izy tamin'i Natàna: Raha velona koa Iaveh dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona manao izany,

6 ary ilay ondrivavy honerany efatra heny, noho izy nahavita an'izany sy tsy nanana antra. 7 Dia hoy Natàna tamin'i Davida: Tsy iza fa hianao izany olona izany. Ka izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin'Israely aho, ary nanafaka anao tamin'ny tànan'i Saola; 8 ny tranon'ny tomponao nomeko anao; ny vadin'ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak'Israely sy Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa. 9 Ka nahoana no nanamavo ny tenin'ny Tompo hianao, fa nanao ratsy eo imasony? Oria Heteana nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona! 10 Koa ankehitriny noho hianao nanamavo ahy, sy naka ny vadin'i Oria Heteana, ho vadinao, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra. 11 Izao no lazain'ny Tompo: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahako eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-body rindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan'izao masoandro izao; 12 fa hianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary izaho kosa dia eo imason'Israely rehetra sy anatrehan'izao masoandro izao no hanaovako izany. 13 Dia hoy Davida tamin'i Natàna: Nanota tamin'ny Tompo aho! Fa hoy kosa Natàna tamin'i Davida: Navelan'ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty hianao.

14 Nefa nampanesoinao an'ny Tompo ny fahavalony tamin'izany zavatra nataonao izany ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao. 15 Dia lasa nankany an-tranony Natana. Ary nasian'ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin'i Oria, tamin'i Davida, ka nandraiki-narary mafy. 16 Nivavaka tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin'ny tany nandritra ny alina. 17 Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony, mba hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin'ireo. 18 Nony tamin'ny andro fahafito, maty ny zaza, ka natahotra ny hilaza ny nahafatesany tamin'i Davida ny mpanompony, fa hoy ireo: Fony mbola velona aza ny zaza, niteny taminy isika fa tsy nohenoiny ny feontsika, ka hataontsika ahoana no filaza aminy hoe: maty ny zaza! Vao mainka loza no hafitsony. 19 Hitan'i Davida nitakoritsika ny mpanompony, ka fantatr'i Davida fa maty ny zaza. Hoy Davida tamin'ny mpanompony: Maty angaha ny zaza? Ary hoy ireo: Maty izy. 20 Dia niarina tamin'ny tany Davida ka nandro, nihosotra diloilo sy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon'ny Tompo izy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana. 21 Ka hoy ny mpanompony taminy: Izao ataonao izao kosa no mba ahoana? Fa fony mbola velona ny zaza, nifady hanina sy nitomany hianao, nony maty kosa ny zaza ankehitriny, miarina sy mihinana mofo hianao? 22 Dia hoy izy: Fony mbola velona ny zaza nifady hanina sy nitomany aho; fa hoy aho anakampo: Iza no mahalala? Hamindra fo amiko angaha Iaveh ka ho velona ihany ny zaza. 23 Fa rahefa maty kosa izy ankehitriny dia ahoana indray no hifadiako hanina? Mahay mamerina azy indray va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina hankaty amiko intsony! 24 Nanala alahelo an'i Betsabea vadiny Davida dia nankao aminy, ka nandry taminy. Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Salomona no anarany: tia azy Iaveh,

25 ka naniraka hilaza izany tamin'ny alàlan'i Natàna, mpaminany, izay nanome anarana azy hoe Jedidiah, noho ny amin'ny Tompo. 26 Ary Joaba ilay nanao fahirano an'i Rabàn'ny taranak'i Amona, dia nahafaka ny tanànam-panjakana.

27 Ka naniraka olona tany amin'i Davida Joaba hanao aminy hoe: Nataoko fahirano Rabà, ary efa afako ny tanànan'ny rano. 28 Koa ankehitriny vorio ny vahoaka sisa, dia avia hianao hitoby hamely ny tanàna sy haka azy, fandrao dia ny tenako no maka ny tanàna ka hantsoina amin'ny anarako izy. 29 Dia novorin'i Davida ny vahoaka rehetra ary nankany Rabà izy namely azy ka nahazo azy. 30 Nesoriny teny an-dohan'ny mpanjakan'izy ireo, ny satro-boninahiny lanjana talenta volamena iray, izay nisy vatosoa anankiray ka natao teny an-dohan'i Davida. Ary babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. 31 Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin'ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin'ny famaky vy, ary nafindrany tamin'ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan'ny taranak'i Amona. Dia niverina nankany Jerosalema Davida sy ny vahoaka rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767