Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-13

1 Taty aorian'izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa Absaloma zanak'i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io Amnona zanak'i Davida.

2 Niritra aina Amnona ka nandraiki-narary terý noho ny amin'i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin'i Amnona fa toa tsy ho azony atao na inona na inona. 3 Nanan-tsakaiza anankiray atao hoe Jonadaba Amnona; zanak'i Semaa rahalahin'i Davida izy io, ary lehilahy fetsy loatra Jonadaba. 4 Ka hoy io taminy: Nahoana ity hianao, ry zanaky ny mpanjaka, no dia milonika be ihany toy izao isa-maraina? Tsy tianao halaza amiko va ny amin'izany? Ka hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara anabavin'i Absaloma rahalahiko aho. 5 Dia hoy Jonadaba taminy: Mandria eo am-parafara, ka modia marary. Ary rahefa tonga hamangy anao rainao, dia lazao aminy hoe: Avelao kely Tamara anabaviko no ho avy hampihinan-kanina ahy, raha sitrakao; aoka hamboariny eo imasoko ny nahandro mba ho hitako, ary hihinana izany avy eny an-tànany aho. 6 Dia nandry tokoa Amnona sy nody marary. Tonga namangy azy ny mpanjaka ary hoy Amnona taminy: Raha sitrakao, aoka Tamara anabaviko ho avy hanao mofo mamy roa eto imasoko, ka hihinana izany avy eny an-tànany aho. 7 Dia naniraka olona Davida hilaza amin'i Tamara tao an-trano hanao hoe: Mankanesa ao an-tranon'i Amnona, anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.

8 Lasa Tamara nankao amin'i Amnona anadahiny izay efa mandry. Naka koba izy, noditiny namboariny ho mofo mamy teo imasony, ary nandrahoiny ny mofo mamy; 9 rahefa izany, noraisiny ny lapoaly, dia noloarany teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa izy. Dia hoy Amnona: Asaovy mivoaka hiala eto amiko ny olona rehetra. Nony tafavoaka niala tao aminy daholo ny olona, 10 dia hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento ao anaty salobom-pandriana ny nahandro hihinanako azy avy eny an-tànanao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony, ka nentiny tao amin'i Amnona anadahiny, tao anaty salobom-pandriana. 11 Kanjo, raha ilay nanolotra izany hohaniny iny izy, dia nosavihiny ka hoy izy taminy: Avia handry amiko ranabavy. 12 Fa hoy ny navaliny azy: Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin'Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany. 13 Izaho moa dia aiza no halehako hitondra ity henatro? Hianao kosa dia ho toy ny anankiray amin'ny olona vetaveta amin'Israely. Koa aoka hiteny amin'ny mpanjaka hianao, fa tsy handà ny hanome ahy ho anao izy! 14 Tsy nety nihaino ny feony anefa izy, fa mahery noho razazavavy izy, ka nanaovany an-keriny io, dia nandriany. 15 Niaraka tamin'izay dia halan'i Amnona fatratra razazavavy ary tafahoatra lavitra ny fitiavana nitiavany azy taloha ny halam-po nankahalany azy, ka hoy Amnona taminy: Mitsangàna hianao, ka mandehana any. 16 Fa hoy izy namaly azy: Ny ratsy nataonao tamiko dia aza ampiana fandroahana ahy, fa zava-dratsy kokoa indray izany. Nefa tsy nety nihaino azy akory Amnona; 17 fa ny zatovo nanompo azy no nantsoiny, ka nataony hoe: Roahy any ivelany lavitra ahy ravehivavy ity, dia arindrino ny varavarana rahefa tafavoaka izy. 18 Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon'ny zanaky ny mpanjaka, dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan'ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy. 19 Nohosenan'i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra. 20 Hoy Absaloma anadahiny, taminy: Tsy maintsy nalehan'i Amnona anadahinao àry hianao izay ka? Fa amin'izao, ranabavy, mangina fa anadahinao iny, ka aza asiana alahelo ao am-ponao. Dia tao an-tranon'i Absaloma anadahiny, no nitoetra i Tamara notsindrian'ny alahelony. 21 Tezitra mafy Davida mpanjaka nony nandre izany rehetra izany. 22 Absaloma kosa tsy niteny tamin'i Amnona intsony na soa na ratsy na dia indraim-bava aza, fa halan'i Absaloma Amnona noho ny nametavetany an'i Tamara anabaviny. 23 Roa taona taorian'izay, dia tao amin'i Absaloma tao Baal-Hasora akaikin'i Efraima ny mpanety ondry, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra i Absaloma.

24 Nankao amin'ny mpanjaka Absaloma nanao hoe: Indro fa ao amin'ny mpanomponao ny mpanety ondry ka aoka ho any amin'ny mpanomponao ny mpanjaka sy ny mpanompony. 25 Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, tsy handeha daholo izahay fandrao dia mahavaky tratra anao. Nanao ditra ihany izy nefa tsy nandeha ny mpanjaka, fa nitso-drano azy. 26 Dia hoy Absaloma: Rahefa dia tsy handeha àry hianao dia avelao ahay Amnona rahalahiko handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny navalin'ny mpanjaka: Ahoana no hiarahany aminao? 27 Fa mbola nanao ditra ihany Absaloma, ka dia navelan'ny mpanjaka handeha hiaraka aminy Amnona sy ny zanaky ny mpanjaka rehetra. 28 Dia nomen'i Absaloma izao didy izao ny mpanompony, nataony hoe: Tandremo fa rahefa falifalin'ny divay ny fon'i Amnona ka hataoko hoe: Asio Amnona! Dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra satria tsy iza fa izaho no nandidy anareo izany ka matokia; misehoa ho mahery fo.

29 Dia nasian'ny mpanompon'i Absaloma araka ny nandidian'i Absaloma azy Amnona. Ary tafatsangana avokoa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, dia samy nitaingina ny moleny avy ka vaky nandositra. 30 Mbola teny an-dàlana izy ireo, dia efa tonga tao amin'i Davida sahady ny filazana hoe: Novonoin'i Absaloma tsy nasiany iray niangana ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra!

31 Nitsangana ny mpanjaka, norovitiny ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany izy; ny mpanompony rehetra nitoetra teo koa, sady rovi-pitafiana avokoa izy ireo. 32 Ary niteny Jonadaba zanak'i Semaa, rahalahin'i Davida, ka nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hilaza fa maty avokoa ny zazalahy rehetra, zanaky ny mpanjaka; Amnona irery no maty. Zavatra teo am-bavan'i Absaloma izany hatramin'ny andro nametavetan'i Amnona an'i Tamara anabaviny. 33 Ary ankehitriny dia aoka tsy hataon'ny mpanjaka tompoko fa hoe ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra no maty, Amnona irery ihany no maty. 34 Ary Absaloma dia lasa nandositra. Ary natopin'ity zatovo nalatsaka ho mpitily ny masony dia nijery izy ka indreny nisy andian'olona maromaro, avy amin'ny lalana any andrefana, any amin'ny ilany nisy ny tendrombohitra. 35 Dia hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo tamy tokoa ny zanaky ny mpanjaka; araka ny voalazan'ny mpanomponao no nahatanterahan'ny zavatra. 36 Vao tapitra ny teniny, dia tonga ny zanaky ny mpanjaka, ary nanandra-peo nitomany izy ireo ka nirotsaka be dia be koa ny ranomason'i Davida mbamin'ny mpanompony rehetra. 37 Absaloma kosa nandositra tany amin'i Tolomaia zanak'i Amioda, mpanjakan'i Gesora. Ary Davida nisaona ny zanany isan'andro isan'andro. 38 Nandositra i Absaloma nankany Gesora, dia tany izy telo taona.

39 Ary Davida nitsahatra tamin'ny hoe hanenjika an'i Absaloma, fa efa afaka ny alahelony tamin'ny nahafatesan'i Amnona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0483