Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-14

1 Hitan'i Joaba zanak'i Sarvia fa nitodika nankany amin'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka.

2 Dia naniraka ho any Tekoà hitady vehivavy fetsy anankiray Joaba ka nilaza taminy hoe: Modia misaona hianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany. 3 Ho avy ao amin'ny mpanjaka hianao ka izao no resaka hataonao aminy... Dia nataon'i Joaba tao am-bavany ny teny holazainy. 4 Tonga ravehivavy avy any Tekoà hiresaka amin'ny mpanjaka. Lavo niankohoka tamin'ny tany izy vao niteny hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka ô!

5 Hoy ny mpanjaka taminy: maninona hianao? Hoy ravehivavy: Mpitondra tena aho, fa maty ny vadiko. 6 Ary roa lahy no zanaky ny ankizivavinao, nifanditra teny an-tsaha izy roa lahy; ary satria tsy nisy nampisaraka azy dia novonoin'ny anankiray ity rahalahiny ka maty. 7 Ary indro nitsangana ny tamingana rehetra hamely ny ankizivavinao, ka manao hoe: Atolory ilay namono ny rahalahiny, dia hataonay maty izy hanefa ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny, ka hataonay levona hatramin'ny mpandova aza! Ka izay tapa-porohana sisa amiko dia hovonoiny, mba tsy hisy tavela hamelo-maso ny anaran'ny vadiko na handimby azy eto ambonin'ny tany. 8 Hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia any an-tranonao, fa izaho hanome didy momba ny aminao. 9 Hoy ravehivavy avy any Tekoà tamin'ny mpanjaka: Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan'ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan'izany! 10 Hoy ny mpanjaka: Raha mbola misy manelingelina anao, dia ento aty amiko izy, tsy hanohina anao intsony izy. 11 Dia hoy izy: Aoka hantsoin'ny mpanjaka Iaveh Andriamanitrao, mba tsy hampitomboan'ny mpamaly ra ny loza, ka tsy hamonoany ny zanako! Hoy ny navaliny: Toy ny maha-velona an'ny Tompo, dia tsy hisy hihintsana amin'ny tany ny volon-dohan'ny zanakao, na iray aza.

12 Hoy ravehivavy: Aza mahafady ny ankizivavinao, fa hilaza teny indraim-bava amin'ny mpanjaka tompoko aho, raha sitrakao. Hoy ny navaliny: Lazao. 13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana hianao no nanao hevitra toy izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra - milaza ny tenany ho diso ny mpanjaka mamoaka izany teny fitsarana izany - dia ny amin'ny tsy fampiverenan'ny mpanjaka an'ilay nataony sesi-tany.

14 Fa ho faty marina isika: toy ny rano raraka an-tany ka tsy miangona intsony isika; Andriamanitra tsy manala ny aina, ary mamorona izay hevitra tsy hahatafajanona lavitra azy ilay voasesy tany.

15 Ary ankehitriny kosa notairin'ny vahoaka aho no tonga nilaza izany zavatra izany tamin'ny mpanjaka tompoko; ka hoy ny ankizivavinao: hiresaka amin'ny mpanjaka aho, sao hataon'ny mpanjaka tokoa izay holazain'ny ankizivavinao. 16 Eny, fa hihaino ny mpanjaka mba hanafaka ny ankizivaviny eo an-tànan'olona izay mitady hanesotra ahy sy ny zanako eo amin'ny lovan'Andriamanitra. 17 Efa niteny ny ankizivavinao hoe: Aoka hampahazo fiadanana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko. Fa tahaka ny Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko, hihaino ny tsara sy ny ratsy. Ary homba anao anie Iaveh Andriamanitrao.

18 Namaly ny mpanjaka ary nilaza tamin-dravehivavy nanao hoe: Aza misy afeninao izay hanontaniako anao. Hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko!

19 Ary hoy ny mpanjaka: Moa momba anao va ny tànan'i Joaba amin'izao rehetra izao? Hoy ny navalin-dravehivavy: Marina amin'ny mahavelona ny fanahinao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy hiviliana na ho any ankavanana na ho any ankavia izay rehetra lazain'ny mpanjaka tompoko. Eny, Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy nanao izao teny rehetra izao eo am-bavan'ny ankizivavinao. 20 Ny mba hanarona ny endriky ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao an'izany fa hendry toy ny anjelin'Andriamanitra ny tompoko hahalala ny zavatra rehetra mitranga eto ambonin'ny tany. 21 Hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro, hataoko izany, koa andeha hampody ny tovolahy Absaloma.

22 Lavo niankohoka tamin'ny tany Joaba, dia nisaotra ny mpanjaka, dia hoy Joaba: Fantatry ny mpanomponao anio fa nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, fa araka ny tenin'ny mpanompony no ataon'ny mpanjaka. 23 Nitsangana Joaba, dia lasa tany Gesora, ary nentiny nody ho any Jerosalema Absaloma.

24 Fa hoy ny mpanjaka: Aoka ho any an-tranony izy, ka tsy hahita ny tavako. Dia nankeo an-tranony Absaloma, ka tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. 25 Tamin'Israely rehetra tsy misy olona malaza tahaka an'i Absaloma noho ny hatsaran-tarehiny. Hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany tsy nanan-kilema akory izy. Raha mihara-doha izy - isan-taona izy no nanao izany, raha nahavesatra azy ny volon-dohany, dia noharatany, -

26 dia roan-jato sikla no lanjan'ny volon-dohany, lanjan'ny mpanjaka. 27 Zanakalahy telo no teraka tamin'i Absaloma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io. 28 Nipetraka roa taona tao Jerosalema Absaloma tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.

29 Nampiantsoin'i Absaloma Joaba ho irahiny hankao amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankao aminy Joaba. Nampiantsoin'i Absaloma fanindroany, fa tsy nety nankao. 30 Tamin'izay dia hoy Absaloma tamin'ny mpanompony: Hitanareo ny sahan'i Joaba manolotra ny ahy, misy orja ho azy ao, handeha doroy amin'ny afo. Dia nampirehitra afo ny saha ireo mpanompon'i Absaloma. 31 Nitsangana Joaba nankao amin'i Absaloma tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Nahoana no dia nampirehitra afo ny sahako ny mpanomponao? 32 Hoy ny navalin'i Absaloma tamin'i Joaba: Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia aty fa hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hianao, hanao aminy hoe: haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te-hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka aty amiko dia aoka hovonoiny aho! 33 Lasa Joaba nanatona ny mpanjaka sy nitantara taminy izany zavatra izany. Dia nantsoiny Absaloma, dia tonga tao amin'ny mpanjaka izy, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ary nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0641