Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-15

1 Taty aorian'izany nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimampolo lahy izay nihazakazaka teo alohany Absaloma.

2 Nifoha maraina koa Absaloma dia nitoetra teo akaikin'ny làlana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin'ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin'i Absaloma izy nataony hoe: An'inona no tanàna ihavianareo? ka nony namaly hoe: Avy any an'Ananona amin'ny fokon'Israely ny mpanomponao, 3 dia hoy Absaloma taminy: Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin'ny mpanjaka no tsy misy. 4 Ary nanampy indray Absaloma nanao hoe: Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin'ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga aty amiko ka homeko ny rariny avokoa. 5 Ary isaky ny misy olona manatona hiankohoka eo anoloany, dia tolorany tànana, ary noraisiny sy norohany. 6 Izany no nataon'i Absaloma tamin'ny olona rehetra amin'Israely izay nankao amin'ny mpanjaka nangataka fitsarana, ka nangoleny ny fon'ny olona amin'Israely. 7 Nony afaka efa-taona dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrona, hanefa ny voady nataoko tamin'ny Tompo.

8 Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin'ny Tompo any Jerosalema indray aho, dia hanompo an'ny Tompo aho. 9 Ka hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana amim-piadanana! Dia niainga izy nankany Hebrona. 10 Nandefa iraka mangingina hitety ny fokon'Israely rehetra Absaloma nanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara hianareo, dia lazao hoe: Manjaka ao Hebrona Absaloma!

11 Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin'i Absaloma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona. 12 Mbola eo am-panaterana ny sorona Absaloma, dia naniraka haka an'i Akitofela, Gilaonita, mpanolo-tsaina an'i Davida tany Gilao tanànany. Nihamasaka fatratra ny firaisan-tetika hikomy, fa nitombo teo ihany ny vahoaka nomba an'i Absaloma. 13 Dia nisy olona tonga nilaza tamin'i Davida, nanao hoe: Tafaraikitra amin'ny fanarahana an'i Absaloma ny fon'ny lehilahy amin'Israely.

14 Ka hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy misy hahafahantsika amin'i Absaloma. Andao faingana fandrao dia tampohiny isika, ka ataony idiran-doza eto, sady hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna. 15 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Na inona na inona no hevitra hotapahin'ny mpanjaka tompoko, dia indreto ny mpanomponao. 16 Dia niainga ny mpanjaka, narahin'ny fianakaviany rehetra, nandeha an-tongotra; fa vaditsindrano folo no najanony hiandry trano. 17 Nivoaka ny mpanjaka niaraka tamin'ny olona rehetra, nandeha an-tongotra, ary nijanona teo amin'ny trano farany. 18 Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretiana sy ny Feletiana, ary ny Geteana rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan'ny mpanjaka. 19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Etaia, Geteana: Nahoana kosa ity hianao no hiaraka aminay? Miverena hitoetra amin'ny mpanjaka, fa mpivahiny hianao, ary voasesi-tany tsy manam-ponenana.

20 Vao omaly no omaly hianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-manjenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany alehako akory? Koa miverena hianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan'ny Tompo! 21 Dia izao no navalin'i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao. 22 Ka hoy Davida tamin'i Etaia: Andeha àry handroso. Dia nandeha Etaia Geteana, sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza rehetra niaraka taminy. 23 Nitomany nikaikaika avokoa ny tany ama-monina tamin'ny nandalovan'ireo vahoaka rehetra ireo. Nony tafita ny ranon-driaka Sedrona ny mpanjaka, dia nandroso tamin'ny tandrifin'ny làlana mankany an'efitra ny vahoaka.

24 Ary indro ny fiaran'Andriamanitra fa napetrak'i Sadaoka, mbamin'ny Levita rehetra nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, raha ilay niakatra iny Abiatara, mandra-pahatapitry ny vahoaka rehetra nivoaka avy ao an-tanàna. 25 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Sadaoka: Ento miverina ao an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'ny Tompo aho dia mbola hoentiny miverina sy hataony mahita ny fiara sy ny fonenany ihany. 26 Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako hianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy. 27 Izao koa no nolazain'ny mpanjaka tamin'i Sadaoka mpisorona: Ary hianao, ry mpahita, miverena ao an-tanàna amim-piadanana, miaraka amin'i Akimaasa zanakao sy Jonatasy zanak'i Abiatara, izy roalahy zanakareo miaraka aminareo. 28 Jereo, izaho hijanonjanona any amin'ny tany lemaky ny efitra, mandra-pahazoko teny avy aty aminareo mampandre ahy. 29 Koa dia nentin'i Sadaoka sy Abiatara niverina tany Jerosalema ny fiaran'Andriamanitra ka nitoetra tao izy. 30 Niakatra ny tendrombohitra Oliva Davida, niakatra sy nitomany izy, sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro; ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha ary nitomany teny am-piakarana.

31 Ary nisy nilaza vaovao tamin'i Davida nanao hoe: Akitofela koa, isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma; ka hoy Davida: Iaveh ô, mangataka aminao aho, ampanjario ho tsinontsinona ny hevitr'i Akitofela. 32 Nony tonga tao an-tampony Davida teo amin'izay ivavahan'ny olona amin'Andriamanitra dia inty Kosaia, ilay Arakita, tonga teo anatrehany, ka ny ankanjony rovitra, ny lohany mihosom-bovoka. 33 Hoy Davida taminy: Raha mandeha miaraka amiko hianao, tonga enta-mavesatra ho ahy foana. 34 Fa raha miverina any an-tanàna kosa hianao ka milaza amin'i Absaloma hoe: Ry mpanjaka ô, te ho mpanomponao aho; mpanompon-drainao aho taloha ka dia ho mpanomponao aho hatramin'izao, amin'izany ho voahodinao hahasoa ahy ny torohevitr'i Akitofela. 35 Ho mpiaraka aminao ao koa i Sadaoka sy Abiatara mpisorona, ka hanambaranao izay rehetra ho renao ny amin'ny tranon'ny mpanjaka i Sadaoka sy Abiatara mpisorona. 36 Ary ao amin'izy ireo ny zanany roa lahy dia Akimaasa zank'i Sadaoka sy Jonatasy zanak'i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo. 37 Dia niverina nankany an-tanàna Kosaia sakaizan'i Davida, ka tamin'izay indrindra no nidiran'i Absaloma tao Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264