Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-16

1 Vao tafahoatra kely ny tampony Davida dia inty Sibà mpanompon'i Mifiboseta tonga nitsena azy, nitondra ampondra roa voaisy lasely, ka nibaby mofo roan-jato, ampembam-boaloboka maina zato, voankazo masaka zato, ary divay iray siny hoditra.

2 Dia hoy Davida tamin'i Sibà: Hataonao inona avy ireo? Ka hoy ny navalin'i Sibà: Ny ampondra ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan'ny zatovo, ary ny divay hisotroan'izay reraka any an'efitra. 3 Dia hoy ny mpanjaka: Fa aiza ny zanaky ny tomponao? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Indro fa nijanona any Jerosalema izy, fa hoy izy: Hampodin'ny taranak'Israely amiko izao ny fanjakan'ikaky. 4 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Sibà: Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan'i Mifiboseta. Dia hoy Sibà: Mihohoka amin'ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô! 5 Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeia zanak'i Gerà, iray fianakaviana tamin'ny ankohonan'i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,

6 ary nitora-bato an'i Davida mbamin'ny mpanompon'i Davida mpanjaka rehetra; ary ny vahoaka mbamin'ny lehilahy mahery kosa tamin'izay dia teo ankavanany sy ankaviany. 7 Izao no tenin'i Semeia nanozona azy: Mandehana any, mandehana any, ry ilay mpandatsa-drà, ry olon'i Beliala! 8 Indro natsingerin'ny Tompo aminao ny ran'ireo tamingan'i Saola rehetra izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao ny fanjakana ka indro fa idiran-doza hianao izao, satria lehilahy mpandatsa-drà hianao. 9 Ka hoy Abisaia zanak'i Sarvià tamin'ny mpanjaka: Ahoana no anozoan'ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan'io! 10 Fa hoy ny navalin'ny mpanjaka: Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak'i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria fa raha Iaveh no nanao taminy hoe: Ozony Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: Ahoana no anaovanao izany? 11 Ary hoy Davida tamin'i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin'ny Tompo taminy izany. 12 Angamba hijery ny fahoriako Iaveh ka soa no hataon'ny Tompo amiko ho valin'izao ozona androany izao. 13 Ary Davida sy ny olony nanohy ny diany, fa Semeia kosa nandeha tamin'ny kisolasolan'ny tendrombohitra akaikin'i Davida sady tsy nitsahatra ny nanozona azy, sy nitora-bato ary namafy vovoka. 14 Sasatra ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra nanaraka azy, no tonga tao... ary niala sasatra teo izy. 15 Niditra tao Jerosalema Absaloma sy ny vahoaka rehetra, ny lehilahy amin'Israely, ary niaraka taminy koa Akitofela.

16 Nony tonga nanatona an'i Absaloma Kosaia, ilay Arakita, dia hoy Kosaia tamin'i Absaloma nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 17 Fa hoy Absaloma tamin'i Kosaia: Izao ve no firaiketanao amin'ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao hianao? 18 Ary hoy Kosaia tamin'i Absaloma: Tsia fa ilay nofidin'ny Tompo sy ny vahoaka rehetra, mbamin'ny lehilahy rehetra amin'Israely no tiako hombana, ka dia ny hitoetra aminy no tiako. 19 Sady iza moa no hotompoiko? Moa tsy ny zanany va? Toy ny efa nanompoako an-drainao ihany no hanompoako anao koa. 20 Ka hoy Absaloma tamin'i Akitofela: Manaova fivoriana fakan-kevitra hianareo, ny amin'izay tokony hataontsika.

21 Dia hoy Akitofela tamin'i Absaloma: Mandehana amin'ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan'Israely rehetra amin'izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao hianao, ka dia hihamahery ny tànan'izay rehetra momba anao. 22 Dia nanangan-day teo ambonin'ny tafon-trano Absaloma ka nandeha tamin'ny vaditsindranon-drainy, teo imason'Israely rehetra, Absaloma. 23 Toy ny teny avy amin'Andriamanitra ho an'izay manontany azy, ny hevitra nomen'i Akitofela tamin'izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma dia toy izany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026