Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-17

1 Ary hoy Akitofela tamin'i Absaloma: Avelao aho hifantina lehilahy roa arivo sy roa alina, dia hiainga hanenjika an'i Davida anio alina ihany.

2 Hirotsaka aminy tampoka aho, ilay mbola sasatra iny izy sy vizaka ny tànany, dia hampivadi-po azy aho; ka ny vahoaka rehetra momba azy handositra, ary ny mpanjaka irery ihany no hasiako amin'izany, 3 dia hoentiko mankaty aminao indray ny vahoaka rehetra, fa io lehilahy tadiavinao hasiana io dia mety raha hesorina izy io, mba hiverenan'izy rehetra, dia hiadana ny vahoaka rehetra. 4 Nankasitrahan'i Absaloma sy ny loholon Israely rehetra izany teny izany. 5 Nefa hoy Absaloma: Mba antsoy ihany koa Kosaia, Arakita, mba handrenesantsika izay ao am-bavany koa.

6 Nony tonga toe amin'i Absaloma Kosaia dia hoy Absaloma taminy: Izao sy izao no tenin'i Akitofela, ka tokony hataontsika va izay nolazainy? Raha tsy hatao izany dia mitenena hianao izao. 7 Ary hoy ny navalin'i Kosaia tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nomen'i Akitofela tamin'ity indray mitoraka ity. 8 Ary nanampy teny Kosaia nanao hoe: Fantatrao fa be herim-po rainao sy ny olony. Mitroatra izy ireo izao hoatra ny orsa very anaka any an-tsaha izao. Lehilahy mpiady rainao, ka tsy mba miara-mitoetra amin'ny vahoaka izy amin'ny alina. 9 Indro fa miery izy ankehitriny any an-dava-driaka na any amin'ny fitoerana hafa any. Sady raha izao voalohany izao no misy lavony, dia ho ren'ny olona izany ka hataony hoe: Naharesena ny olona manaraka an'i Absaloma. 10 Ary amin'izay dia ho rera-po na izay mahery indrindra aza, na dia manana fo tahaka ny fon-diona aza izy, satria fantatr'Israely rehetra fa rainao, lehilahy mahery fo indrina, ny olo-manaraka azy koa lehilahy mahery. 11 Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso ho amin'ny ady. 12 Fa tsy maintsy azontsika iny, na aiza na aiza misy azy, sady ho toy ny filatsaky ny andro amin'ny tany no ho filatsatsika aminy, ka tsy hisy havelatsika afaka, na izy na ny anankiray amin'ny olona rehetra ao aminy. 13 Na hihataka ho any amin'ny tanàna anankiray aza izy, dia hitondran'Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika ho any amin'ny ranon-driaka mandra-pahafoanany tsy misy intsony na dia vato iray aza. 14 Dia hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'Israely: Aleo ny hevitr'i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr'i Akitofela. Fa efa notapahin'ny Tompo ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen'i Akitofela, mba hampidiran'ny Tompo loza amin'i Absaloma. 15 Dia hoy Kosaia tamin'i Sadaoka sy Abiatara mpisorona: Izany sy izany no hevitra natoron'i Akitofela an'i Absaloma sy ny loholon'Israely ary izao sy izao kosa no hevitra nomeko.

16 Koa maniraha olona miaraka amin'izay hampandre an'i Davida ka asaovy lazainy aminy hoe: Aza mitoetra amin'ny tany lemaka any an'efitra anio alina, fa mità faingana fandrao ho azon'ny loza mafy indrindra na ny mpanjaka na ny vahoaka rehetra ao aminy. 17 Nitoetra tao En-Rogela Jonatasy sy Akimaasa fa ny ankizivavy no nivoivoy nilaza tamin'izy ireo, ary izy ireo kosa no nandeha nanambara izany tamin'i Davida mpanjaka.

18 Nahatsikaritra azy ireo ny zazalahy anankiray, ka nilaza izany tamin'i Absaloma. Saingy nitsoaka faingana izy roa lahy, ka tonga tany Bahorima, amin'ny tranon'ity lehilahy anankiray, izay nisy lavaka fantsakàna teo an-tokotaniny, dia nidina tao. 19 Ary nalain'ny vadin-dralehilahy kosa ny firakofana anankiray ka novelariny teo ambony lavaka fantsakàna dia nanahazany voan-javatra voatoto, ka tsy fantatra velively ho inona. 20 Niditra tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma ka hoy izy hoe: Aiza Akimaasa sy Jonatasy? Fa hoy ravehivavy namaly azy: Tafita ny renirano kely izy izay. Dia nitady izy ireo, ka nony tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema. 21 Rahefa lasa izy ireo, dia niakatra avy eo an-davaka fantsakàna kosa izy roa lahy, ka nandeha nampandre izany tamin'i Davida mpanjaka. Hoy izy ireo tamin'i Davida: Mitsangàna hianareo, ka mità faingana ny ony, fa izao sy izao no hevitra nomen'i Akitofela hamelezana anareo. 22 Dia niainga Davida sy ny vahoaka rehetra tao aminy ka nita an'i Jordany. Nony maraina ny andro tsy nisy tsy tafita an'i Jordany izy ireo na dia iray aza. 23 Nony hitan'i Akitofela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany, ka niainga nandeha ho any aminy tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.

24 Tonga tao Mahanaïma Davida, ary Absaloma nita an'i Jordany mbamin'ny lehilahy rehetra amin'Israely.

25 Amasà no notendren'i Absaloma ho filohan'ny tafika solon'i Joaba. Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jethrà, Ismaelita, izay nandeha tamin'i Abigaïla, zanakavavin'i Naasa, rahavavin'i Sarvia, renin'i Joaba. 26 Dia tany amin'ny tany Galaada no nitoby Israely sy Absaloma. 27 Nony tonga tao Mahanaïma Davida, dia indreo Sobì zanak'i Naasa, avy any Raban'ny taranak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lodobara, ary Berzelaia Galaadita, avy any Rogelima,

28 tonga nanatitra fandriana, vilia, kapoaka tany, fromenta, orja, lafarina, lango, tsaramaso, voanemba, lango, 29 tantely, dibera, ondry, ary fromazin'omby: nateriny izany mba hohanin'i Davida sy ny vahoaka tao aminy, fa hoy izy: Nihafy tamin'ny hanoanana sy ny fahasasarana ary ny hetaheta any an'efitra ity vahoaka ity.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0561