Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Faharoan'i Samoela

2 Samoela toko 18
Ny naharesy an'i Absaloma sy nahafatesany.

       1Notsapain'i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tompon'arivo sy tompon-jato. 2Dia nalamin'i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin'i Joaba, ny ampahatelony fehin'i Abisaia, zanak'i Sarvia, rahalahin'i Joaba, ny ampahatelony fehin'i Etaia, Geteana. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo. 3Fa hoy ny vahoaka: Aoka tsy handeha hianao, fa raha hampandosiriny izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy hahoany akory; fa hianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy aty an-tanàna hianao no handeha hamonjy anay. 4Ary hoy ny navalin'ny mpanjaka azy ireo: Izay sitrakareo no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka nandritry ny nivoahan'ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo. 5Izao no didy nomen'ny mpanjaka an'i Joaba sy Abisaia ary Etaia: Tsimbino ilay zatovo Absaloma noho ny amiko. Ren'ny vahoaka rehetra fa nomen'ny mpanjaka didy momba an'i Absaloma ny filohan'ny tafika rehetra.
       6Dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hitsena an'Israely, ka rafitra tao anaty alan'i Efraima ny ady. 7Resy tao ny vahoakan'Israely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka vonoan'olona be no tao androtr'izay, fa nisy roa alina no maty. 8Nihahaka eran'ny tany rehetra ny ady, ka be ny matin'ala noho ny matin'ny sabatra tamin'izany andro izany.
       9Sendra teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Absaloma. Nitaingina mole Absaloma ary nitsofoka tao anatin'ny rantsan'ny terebinta ny lohany, dia tafahantona teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso. 10Hitan'ity lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin'i Joaba nanao hoe: Indro hitako tafahantona amin'ny terebinta àtsy Absaloma. 11Dia hoy Joaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany: Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka tery? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray hianao. 12Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin'i Joaba: Tsia, tsy mba haninji-tànana amin'ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan'arivo sikla aza no ho mby eo an-tànako, satria samy nandre isika ny didy nomen'ny mpanjaka anao sy Abisaia ary Etaia hoe: Samia hianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absaloma! 13Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy hiafina amin'ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy. 14Dia hoy Joaba: Tsy te-handany andro aminao aho. Dia nataony an-tànana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin'ny hazo terebinta iny Absaloma no notsatohany tamin'ny fony. 15Nanodidina an'i Absaloma ireto zatovo folo lahy, mpitondra fiadian'i Joaba, dia namono nahafaty azy izy ireo.
       16Notsofin'i Joaba ny anjomara, ka niverina avy amin'ny fanenjehana an'Israely ny vahoaka fa nohazonin'i Joaba ny vahoaka. 17Dia nalainy Absaloma ka natsipiny tao anatin'ny lavaka lehibe, tao afovoan'ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy Israely rehetra. 18Fony fahavelony, Absaloma dia efa nanao tsangam-bato ho azy, tao amin'ny lohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy mba manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho. Dia nataony araka ny anarany ihany ny anaran'ilay tsangam-bato, ka - Ny tànan'i Absaloma - no fiantson'ny olona azy mandrak'androany.
       19Ary hoy Akimaasa, zanak'i Sadaoka: Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin'ny mpanjaka, fa nomen'ny Tompo ny rariny izy, noafahany tamin'ny tànan'ny fahavalony. 20Fa hoy Joaba taminy: Tsy hitondra ny vaovao anio hianao fa andro hafa hianao no hitondra, fa tsy mba anio no hitondra, satria maty ny zanaky ny mpanjaka. 21Dia Kosita anankiray no nilazan'i Joaba hoe: Mandehana lazao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Niankohoka teo anatrehan'i Joaba ilay Kosita, dia lasa nandeha faingana. 22Mbola niteny tamin'i Joaba anefa Akimaasa, zanak'i Sadaoka, nanao hoe: Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita! Fa hoy Joaba: Ahoana hianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin'ny fitondrana izany vaovao izany anie hianao! 23Fa hoy ny navalin'i Akimaasa: Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho. Ka hoy Joaba taminy: Mihazakazaha àry. Dia nihazakazaka nihazo ny làlana amin'ny tany lemaka Akimaasa, ka tafahoatra an'ilay Kosita.
       24Nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa Davida. Ary niakatra teo ambonin'ny tafon'ny vavahady, teo ambonin'ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany. 25Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany. Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray, 26dia nisy olona anankiray nihazakazaka hitan'ity mpitily koa, ka niantso ny mpiandry vavahady ny mpitily nanao hoe: Indro misy lehilahy anankiray mihazakazaka ka irery ihany izy. Dia hoy ny mpanjaka: Vaovao tsara koa no entin'izy io. 27Ary hoy ny mpitily: Hitako fa fihazakazak'i Akimaasa zanak'i Sadaoka no fihazakazak'ity voalohany. Ka hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ihaviany.
       28Niantso mafy Akimaasa ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fandresena! Izay vao niankohoka tamin'ny tany, teo anatrehan'ny mpanjaka izy, nanao hoe: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tànana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko. 29Dia hoy ny mpanjaka: Mba tsara tsy misy maninona va ny amin'ny zatovo, Absaloma? Ka hoy ny navalin'i Akimaasa: Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany. 30Dia hoy ny mpanjaka: Mitanilà kely ary mitoera etsy àry hianao. Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo. 31Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen'ny Tompo anao androany ny rariny, ny amin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao. 32Fa hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara tsy misy maninona va ny amin'ny zatovo, Absaloma? Ary hoy ny navalin'ilay Kosita: Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko, mbamin'izay rehetra mitsanga-kanisy ratsy anao! >