Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-19

1 Tera-kovitra tamin'ny fientanam-pony ny mpanjaka, ka lasa niakatra tany an'efitrano, ambonin'ny vavahady, dia nitomany; sady nandeha izy no nitanisa hoe: Ry Absaloma zanako! Ry zanako ô, ry zanako Absaloma ô! Inay anie aho no maty nisolo anao! Ry Absaloma zanako, zanako ô!

2 Nisy olona tonga nilaza tamin'i Joaba hoe: Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka noho ny amin'ny zanany.

3 Niova ho fisaonana ho an'ny vahoaka rehetra ny fandresena tamin'izany andro izany, satria ren'ny vahoaka rehetra tamin'izany andro izany fa hoe: Malahelo mafy noho ny amin'ny zanany, ny mpanjaka. 4 Niditra nisokosoko tao an-tanàna ny vahoaka tamin'izany andro izany hoatra ny olona resin-kenatra fa avy nandositra tamin'ny ady. 5 Fa nanarona ny tavany ny mpanjaka ary niantsoantso tamin'ny feo avo ny mpanjaka nanao hoe: Ry Absaloma zanako! Ry Absaloma zanako, ry zanako ô! Dia niditra tao amin'ny mpanjaka, tao aminy, Joaba, ka nanao hoe: 6 Saforanao henatra anio ny tavan'ny mpanomponao rehetra, izay namonjy ny ainao androany, sy ny ain-janakao lahy sy zanakao vavy, ny aim-badinao ary ny aim-baditsindranonao. 7 Ny nankahala anao no tianao, fa ny tia anao no halanao, satria ahariharinao amin'izao fa samy tsinontsinona aminao na manam-boninahitra na mpanompo; hitako izao fa raha Absaloma no velona ary izahay rehetra kosa no maty, amin'izao andro izao, dia izany no soa eo imasonao. 8 Koa mitsangàna, ary mivoaha ka mitenena araka ny fon'ny mpanomponao, fa mianiana amin'ny Tompo aho fa raha tsy mivoaka hianao dia tsy hisy olona hitoetra eto aminao anio alina, na dia iray aza, ary ho loza mafy aminao izany noho ny loza rehetra nanjò anao, hatramin'ny fahatanoranao ka mandrak'ankehitriny. 9 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nampandrenesina ny vahoaka rehetra fa hoe: Indro ny mpanjaka mipetraka eo am-bavahady. Dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Nandositra Israely samy nankao an-dainy avy. 10 Samy niaiky diso ny vahoaka rehetra, amin'ny fokon'Israely rehetra nanao hoe: Nanafaka antsika tamin'ny tànan'ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no namonjy antsika tamin'ny tànan'ny Filistina, fa ankehitriny hany heriny nandositra niala tamin'ny tany teo anatrehan'i Absaloma. 11 Efa maty tamin'ny ady anefa Absaloma izay nohosorantsika hanjaka amintsika. Ka ahoana ange ity hianareo no tsy miteny ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka akory? 12 Naniraka hilaza amin'i Sadaoka sy Abiatara mpisorona Davida nanao hoe: Mitenena hianareo amin'ny loholon'i Jodà, ka lazao aminy hoe: Nahoana no dia hianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Fa efa tonga hatrany amin'ny mpanjaka, any aminy, ny teny voabitsibitsika eran'Israely rehetra.

13 Hianareo no rahalahiko, hianareo no taolako aman-nofoko, ka nahoana no dia hianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka? 14 Ary izao koa no holazainareo amin'i Amasà: Tsy taolako ama-nofoko va hianao? Hataon'ny Tompo amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho tonga filohan'ny tafika eo anatrehako mandrakariva hianao, ho solon'i Joaba. 15 Voalefak'i Davida tamin'izany ny fon'ny lehilahy rehetra amin'i Jodà, toy ny fon'ny olona iray monja, ka naniraka nilaza tamin'ny mpanjaka izy ireo hoe: Modia hianao sy ny mpanomponao rehetra. 16 Dia nody ny mpanjaka, ka tonga tao Jordany, nankany Galgalà koa Jodà hitsena sy hampita ny mpanjaka an'i Jordany. 17 Ary Semeia zanak'i Gerà Benjamita, avy any Bahorima, mba nidodododo nidina niaraka tamin'ny lehilahy amin'i Jodà koa, hitsena an'i Davida mpanjaka.

18 Niaraka taminy koa ny lehilahy arivo amin'i Benjamina, sy Sibà mpanompon'ny taranak'i Saola, mbamin'ny zanany dimy ambin'ny folo lahy, ary ny mpanompony roapolo lahy, ka nikorapaka ho any Jordany teo alohan'ny mpanjaka izy ireo. 19 Efa tafita ny lakan-drafitra hitondra ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Nony efa hita an'i Jordany ny mpanjaka, dia nihohoka tamin'ny tongotry ny mpanjaka Semeia zanak'i Gerà, nanao tamin'ny mpanjaka hoe: 20 Aza tanan'ny tompoko ho meloka aho ary aza tsarovanao ny faniratsirana nataon'ny mpanomponao, fony nivoaka avy tao Jerosalema ny mpanjaka tompoko, ka mba hieritreritra izany hianao, ry mpanjaka ô! 21 Fa efa niaiky ny fahotany ity ny mpanomponao, ary indro fa izaho no tonga voalohany indrindra, amin'ny taranak'i Josefa rehetra androany midina hitsena ny mpanjaka tompoko. 22 Fa niteny kosa Abisaia zanak'i Sarvia ka nanao hoe: Tsy izany velively fa moa tsy vao mainka tokony hovonoina va Semeia noho izy nanozona ny voahosotry ny Tompo! 23 Fa hoy Davida: Moa manan-draharaha aminareo va aho, ry zanak'i Sarvia, no milatsaka ho mpanohitra ahy hianareo anio? Amin'ity andro ity ve ka hisy olona hovonoina eto amin'Israely? Moa tsy fantatro va fa tonga mpanjaka amin'Israely aho anio? 24 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Semeia: Tsy hovonoina hianao; sady nianianany taminy izany. 25 Nidina hitsena ny mpanjaka koa Mifiboseta zafin'i Saola. Tsy nanasa-tongotra na namboatra volom-bava, na nanasa ny fitafiany izy, hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny andro niverenany tamim-piadanana.

26 Nony tonga avy any Jerosalema hitsena ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana ity hianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mifiboseta? 27 Ka hoy ny navalin'io: Nofitahin'ny mpanompoko aho, ry mpanjaka tompoko; fa hoy ity mpanomponao: hampanisy lasely ny ampondrako vavy aho, hitaingenako, handehanako hanaraka ny mpanjaka, fa malemy tongotra moa ity mpanomponao. 28 Kanjo nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko ity izaho mpanomponao! Fa ny mpanjaka tompoko no toy ny anjelin'Andriamanitra ka ataovy izay ataonao ho mety. 29 Ny taranak'ikaky rehetra dia efa olona mendrika hovonoina avokoa eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko, nefa kosa dia noraisinao ho isan'ireo mihinana amin'ny latabatrao ny mpanomponao, ka nahoana indray no mbola hahazoako mitaraina amin'ny mpanjaka? 30 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mbola itenenanao izany teninao izany? Efa niteny aho: Hozarainao sy Sibà ny tany. 31 Ary hoy Mifiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy daholo ihany aza, fa efa niverina soa aman-tsara amin'ny tranony ny mpanjaka tompoko. 32 Nidina avy any Rogelima, Berzelaia Galaadita, ka nandeha nankany amin'ny mpanjaka tao Jordany, mba hiaraka aminy ho any amin'ny ony.

33 Efa antitra dia antitra Berzelaia, fa efa valopolo taona izy, ary nanatitra hanina ho an'ny mpanjaka, fony izy nitoetra tao Mahanaima fa lehilahy nanan-karena fatratra izy. 34 Hoy ny mpanjaka tamin'i Berzelaia: Andeha hiaraka amiko, fa hovelomiko any amiko any Jerosalema hianao. 35 Ka hoy ny navalin'i Berzelaia tamin'ny mpanjaka: Dia ho velona taona firy intsony moa aho no dia hiara-miakatra amin'ny mpanjaka any Jerosalema? 36 Efa valopolo taona aho izao. Ka mahay manavaka ny soa sy ny ratsy intsony va aho? Ary mahahaino izay feon'ny mpihira lahy amana vavy intsony va aho? Ka nahoana no dia ho enta-mavesatra foana amin'ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao? 37 Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordany, hiaraka amin'ny mpanjaka. Ka ahoana no dia hanomezan'ny mpanjaka ahy izany valim-pitia izany? 38 Mihanta aminao aho, aoka re ny mpanomponao hiverina, ary aoka aho ho faty any an-tanànako, akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa io eo Kamaama mpanomponao, ka izy no aoka handeha hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary aminy no ataovy izay sitrakao. 39 Dia hoy ny mpanjaka: Aoka fa dia Kamaama no hiaraka amiko, ka ataoko aminy izay rehetra sitrakao, ary hataoko aminao koa izay rehetra irinao amiko. 40 Nony tafita an'i Jordany ny vahoaka rehetra dia nita koa ny mpanjaka, ary nanoroka sy nitso-drano an'i Berzelaia ny mpanjaka, ka dia niverina nody tany aminy izy io. 41 Nandroso nankany Galgalà ny mpanjaka dia niaraka taminy Kamaama, ary ny lehilahy rehetra amin'i Jodà, sy ny antsasaky ny lehilahy amin'Israely samy nanotrona ny mpanjaka.

42 Fa indreo tonga teo amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'Israely, ka nanao taminy hoe: Ahoana no nangalaran'ny lehilahy amin'i Jodà, rahalahinay, anao; ka nitondrany ny mpanjaka sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra nomba an'i Davida nita an'i Jordany?

43 Dia namaly ny lehilahy rehetra amin'i Jodà, ka nanao tamin'ny lehilahy amin'Israely hoe: Satria havako akaiky ahy kokoa ny mpanjaka, ka ahoana no mahatezitra anao amin'izany? Moa ny fananan'ny mpanjaka va no nivelomako na nandray zavatra taminy akory aho? 44 Fa hoy ny lehilahy amin'Israely namaly ny lehilahy amin'i Jodà: Anjaram-polo no ahy amin'ny mpanjaka; eny manam-be noho hianao aho amin'i Davida; ka ahoana no nanaovanao tsinontsinona ahy? Tsy izaho va no niteny voalohany hanangana indray ny mpanjakako? Fa mafy noho ny an'ny lehilahy amin'Israely ny tenin'ny lehilahy amin'i Jodà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0966