Boky Faharoan'i Samoela
2 Samoela toko 2
Ny nanjakan'i Davida tamin'i Jodà, sy nanoheran'ny taranak'i Saola azy tao Gabaona.
1Taorian'izany dia nanontany an'ny Tompo Davida nanao hoe: Hiakatra any amin'ny anankiray amin'ny tanànan'i Jodà va aho? Dia hoy ny navalin'ny Tompo azy: Miakara. Hoy Davida: Aiza no hiakarako? Ary Iaveh namaly hoe: Any Hebrona. 2Dia niakatra tany Davida mbamin'ny vadiny roa, Akinoama avy any Jezraela sy Abigaïla avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala. 3Nampiakatra ny olona teo aminy mbamin'ny fianakaviany koa Davida ka nonina tamin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo. 4Dia tonga ny lehilahy amin'i Joda ka tao no nanosorany an'i Davida ho mpanjaka amin'ny fokon'i Joda.
Nisy nilaza tamin'i Davida fa ny olona any Jabesa any Galaada, no nandevina an'i Saola. 5Ka dia nandefa iraka ho any amin'ny olona any Jabesa any Galaada Davida hilaza aminy hoe: Ho tahin'ny Tompo anie hianareo, noho ny nanefanareo izany adidim-pitiavana izany tamin'i Saola tomponareo, dia tamin'ny nandevenanareo azy. 6Ary ankehitriny haneho hatsaram-po sy fahamarinana aminareo anie Iaveh! Ary izaho koa hamaly soa anareo tamin'ny nanaovanareo an'izany. 7Ary amin'izao hankaherezina anie ny tànanareo, ka ho lehilahy mahery hianareo! Fa maty izay Saola tomponareo, ary izaho no natsangan'ny fokon'i Jodà ho mpanjakany.
8Tamin'izany kosa Abnera zanak'i Nera, lehiben'ny foloalindahin'i Saola, dia naka an'i Isboseta, zanak'i Saola, ka rahefa nentiny nankany Mahanaima izy, 9dia nantsangany ho mpanjaka amin'i Galaada, amin'ny Asorita, amin'i Zesraela, amin'i Efraima, amin'i Benjamina ary amin'Israely rehetra. 10Efa efapolo taona Isboseta zanak'i Saola fony izy nanjaka tamin'Israely ary roa taona no nanjakany. Ny fokon'i Jodà irery ihany no nomba an'i Davida. 11Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny fokon'i Jodà.
12Nivoaka avy ao Mahanaima Abnera zanak'i Nera, mbamin'ny mpanompon'Isboseta zanak'i Saola hamely an'i Gabaona. 13Niainga Joaba zanak'i Sarvia, mbamin'ny mpanompon'i Davida, ka tafahoana teo amoron'ny kamorin'i Gabaona izy ireo; ny iray niorin-dasy teo amin'ny lafin'ny kamory anankiray, ny iray kosa tao amin'ny lafiny anankiray hafa. 14Dia hoy Abnera tamin'i Joaba: Aoka kely hitsangana ny tovolahy hikatroka eto anatrehantsika. Ary namaly Joaba hoe: Aoka hitsangana izy. 15Dia nitsangana izy ireo ka nandroso nitovy isa, roa ambin'ny folo tamin'i Benjamina sy amin'Isboseta zanak'i Saola, roa ambin'ny folo avy amin'ny mpanompon'i Davida. 16Samy nisavika ny tandrifiny tamin'ny lohany izy ireo, dia nanindrona ny lanivoan'ny namany tamin'ny sabatra ka indray niankarapoka. Ary natao hoe Helkat-Hatsorima ny anaran'io toerana io, any Gabaona izany. 17Rafitra mafy ny ady tamin'izay andro izay, ary resin'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'Israely.
18Teo daholo tamin'izay izy telo lahy zanak'i Sarvia dia Joaba sy Abisaïa ary Asaela. Faingan-tongotra hoatra ny iray amin'ny gazela any an-tsaha Asaela. 19Ka nanenjika an'i Abnera Asaela ary tsy nivily tsy hanjohy an'i Abnera na hiankavanana na hiankavia. 20Dia niherika Abnera, ka nanao hoe: Hianao ve ity, ry Asaela? Ary novaliany hoe: Izaho ity! 21Hoy Abnera taminy: Mivilia amin'ny ankavanana, na amin'ny ankavia, ka ny iray amin'ireny tovolahy ireny samborina ka entina ny babo aminy. Tsy nety nivily hiala aminy anefa Asaela. 22Ka hoy Abnera taminy fanindroany hoe: Mivilia tsy hanenjika ahy! Hataoko inona moa izay hamono anao hitsingidina amin'ny tany e? Ary hataoko ahoana no fanandratra ny tavako eo imason'i Joaba rahalahinao? 23Fa tsy nety nivily Asaela. Tamin'izay dia nasian'i Abnera tamin'ny antsin-defona ny kibony, ary niboroaka tamin'ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin'ny toerana nahalavoany sy nahafatesan'i Asaela. 24Ary Joaba sy Abisaïa nanenjika an'i Abnera ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro izy no tonga teo amin'ny havoan'i Amah izay eo atsinanan'i Giaka, amin'ny làlana mankany an'efitr'i Gabaona.
25Nitambatra indray nanaraka an'i Abnera ny taranak'i Benjamina ka nony tafakambana ho antoko miaramila iray ihany izy, dia niato teo an-tampon'ny havoana anankiray. 26Ary niantso an'i Joaba, Abnera ka nanao hoe: Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran'izany? Hiandry mandra-pahoviana hianao vao hilaza amin'ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny? 27Dia hoy ny navalin'i Joaba: Marina fa velona Iaveh! koa raha tsy niteny hianao dia ho tsy nitsahatra ny hanenjika ny rahalahiny avy ny vahoaka alohan'ny rahampitso maraina. 28Dia notsofin'i Joaba ny trompetra ka nijanona ny vahoaka rehetra tsy nanenjika an'Israely intsony izy, ary tsy nanohy ny ady intsony.
29Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin'ny Tany lemaka dia nita an'i Jordany ary namaky an'i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaima. 30Joaba kosa nitsahatra tsy nanenjika an'i Abnera, fa namory ny vahoaka rehetra; sivy ambin'ny folo lahy tamin'ny mpanompon'i Davida ary Asaela no latsaka. 31Ary enimpolo sy telon-jato lahy no matin'ny mpanompon'i Davida, tamin'ny lehilahy amin'i Benjamina sy ny olon'i Abnera. 32Dia nentin'izy ireo Asaela ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy izay ao Betleema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo Joaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrona izy. >