Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-20

1 Nisy olon'i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak'i Bokrì, Benjamita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: Tsy manana anjara amin'i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin'ny zanak'i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô!

2 Dia nandao an'i Davida avokoa ny lehilahy rehetra amin'Israely, ka nanaraka an'i Sebà zanak'i Bokrì. Fa ny lehilahy amin'i Jodà ihany no nifikitra tamin'ny mpanjaka, hatrany Jordany ka hatrany Jerosalema. 3 Nody tao an-tranony tao Jerosalema Davida ary nalain'ny mpanjaka ny vaditsindranony folo, izay napetrany hiandry trano, ka nataony teo amin'ny trano anankiray nasiana fiambenana. Niantohany ny fiveloman'ireo, nefa tsy nandeha taminy intsony izy, ka voahiboka mandra-pahafatiny izy ireo, dia nitoetra nanano-tena.

4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasà: Vorio ho eto amiko ny lehilahy amin'i Jodà, hatramin'ny hateloana, ary aoka ho eto koa ny tenanao.

5 Dia niainga Amasà hamory an'i Jodà nefa tratra aorian'ny fotoana nomen'ny mpanjaka azy izy. 6 Ka hoy Davida tamin'i Abisaia: Sebà zanak'i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho Absaloma. Koa ento ny mpanompon'ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimamda eo ihany izy, ka tsy ho hitan'ny masontsika intsony. 7 Nanaraka an'i Abisaia dia niainga koa ny olon'i Joaba, ny Keratiana sy ny Feletiana ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì. 8 Nony mby teo akaikin'ilay vato lehibe ao Gabaona izy ireo, dia inty Amasà tonga teo anoloan'izy ireo. Niakanjo ny akanjo tonika Joaba ary eo ambonin'ny tonika dia nisy sabatra anankiray anaty tranony, nifehy teo am-balahany. Nony nandroso izy dia latsaka ilay sabatra.

9 Ary hoy Joaba tamin'i Amasà: Tsara ihany va izato hianao, ry rahalahy? Sady noraisin'i Joaba amin'ny tànany havanana, ny somotr'i Amasà hanoroka azy. 10 Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba Amasà, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin'ny tany; tsy nasiana fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì Joaba sy Abisaia rahalahiny. 11 Fa ny anankiray tamin'ny zatovon'i Joaba nijanona teo anilan'i Amasà, ka nanao hoe: Izay mankasitraka an'i Joaba izay miandany amin'i Davida, dia aoka hanaraka an'i Joaba! 12 Amasà izany nihosinkosina tamin'ny ràny teo afovoan'ny làlana teo. Nony hitan-dralehilahy fa nijanona ny olon-drehetra dia nesoriny teo an-dalamba Amasà nataony tany an-tsaha, sady nosaronany kapaoty, satria hitany fa izay tonga teo anilany nijanona avokoa. 13 Ka nony voaalany teo an-dalambe izy, vao samy nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra, hanenjika an'i Sebà zanak'i Bokrì. 14 Namakivaky ny fokon'Israely rehetra Joaba, hatrany Abelà sy Beta-Maakà, ary nivory nanaraka azy avokoa ny lehilahy voafantina rehetra.

15 Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano an'i Sebà tao Abela-Beta-Maakà. Nanandratra tovon-tany hamely ny tanàna izy ka nahatratra ny manda izany, ka samy nikezaka hanjera ny manda ny vahoaka rehetra nomba an'i Joaba. 16 Tamin'izay nisy vehivavy hendry anankiray niantso avy ao an-tanàna hoe: Mihainoa, mba mihainoa kely é! Ilazao kely Joaba ataovy hoe: Manatòna eto, fa te-hiresaka aminao aho! 17 Dia nanatona azy izy, ka hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no izy. Dia hoy ravehivavy taminy: Henoy kely ny tenin'ny mpanompovavinao. Ka hoy ny navaliny: Mihaino aho. 18 Dia hoy ravehivavy: Fitenin'ny olona taloha ny hoe: Milà saina ao Abelà, dia voalamina avokoa ny raharaha. 19 Izaho dia anankiray amin'ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin'Israely. Fa hianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin'Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan'ny Tompo? 20 Fa hoy kosa Joaba: Lavitra ahy, lavitra dia lavitra ahy izany. Tsy handrava tsy handrigana ny hevitro! Tsy izany velively. 21 Fa misy lehilahy anankiray atao hoe Sebà, zanak'i Bokrì, avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima nanainga tànana hikomy amin'i Davida; ka io ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro hatsipy aminao hihoatra ny manda ny lohany. 22 Dia nanatona ny vahoaka rehetra ravehivavy sy niteny taminy tamim-pahendrena, ka notapahin'izy ireo ny lohan'i Sebà, zanak'i Bokrì, natsipiny tany amin'i Joaba. Ary nasain'i Joaba notsofina kosa ny anjomara, ka ny olona rehetra moa niala tamin'ny tanàna, samy nody any aminy avy; Joaba kosa niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka. 23 Joaba no komandin'ny tafika tamin'Israely rehetra; Banaiasa zanak'i Joiadà no lehiben'ny Keretiana sy ny Feletiana,

24 Adorama no mpandamina ny momba ny fanompoana; Josafata zanak'i Ahiloda no mpitahiry ny bokim-panjakana; 25 Sivà no mpanoratra; Sadaoka sy Abiatara no mpisorona, 26 ary Irà ilay Jairita no mpanolo-tsaina manolotra an'i Davida.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868