Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-21

1 Tamin'ny andron'i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny tavan'ny Tompo Davida ary hoy Iaveh: Avy amin'i Saola sy ny ankohonany, avy amin'ny rà izao; fa namono ny Gabaonita izy.

2 Dia nampaka ny Gabaonita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: Tsy mba isan'ny zanak'Israely ny Gabaonita, fa avy amin'ny sisan'ny Amoreana. Efa nifanaiky tamin'izy ireo tamim-pianianana ny zanak'Israely, nefa nitady izay hamelezana azy Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak'Israely sy Jodà. - 3 Izao no nolazain'i Davida tamin'ny Gabaonita: Inona no hataoko ho anareo? Ary amin'inona no hanaovako ny fanonerana mba hitsofanareo rano ny lovan'ny Tompo? 4 Dia hoy ny Gabaonita taminy: Tsy raharaham-bolafotsy na volamena amin'i Saola sy ny taranany no anay, na mitady ain'olona amin'Israely izahay. Ka hoy ny mpanjaka: Inona àry no tianareo hataoko aminareo? 5 Ary hoy ny navaliny tamin'ny mpanjaka: Nandringana anay sy nikasa handevona anay tsy hisy velona intsony eto amin'ny tanin'Israely rehetra iny lehilahy iny. 6 Ka tolory fito lahy amin'ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan'ny Tompo, any Gabaan'i Saola, ilay voafidin'ny Tompo. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro ireo. 7 Mifiboseta zanak'i Jonatasy, zanak'i Saola, no notsimbinin'ny mpanjaka, noho ny fianianana tamin'ny Tompo teo anelanelan'izy roa lahy, dia Davida sy Jonatasy zanak'i Saola.

8 Nalain'ny mpanjaka izy roa lahy zanak'i Resfà, zanakavavin i Aià, izay naterany tamin'i Saola, dia Armonì sy Mifiboseta, ary izy dimy lahy zanak'i Mikola, zanakavavin'i Bersabea avy any Molatì, 9 dia natolony ireo ho eo an-tànan'ny Gabaonita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan'ny Tompo. Niara-maty izy fito lahy tamin'ny andro voalohan'ny fijinjana, fiandohan'ny fijinjana ny orja. 10 Nalain-dResfà zanak'i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin'ny fiandohan'ny fijinjana ka mandra-pahalatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.

11 Nampandrenesina an'i Davida izany nataon-dResfà zanak'i Aià, vaditsindranon'i Saola izany, 12 ka lasa Davida naka ny taolan'i Saola sy ny taolan'i Jonatasy zanany, tany amin'ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin'ny kianjan'i Betsàna, fony izy nahanton'ny Filistina tao, nony avy nandresy an'i Saola tao Jelboe ny Filistina. 13 Dia nentiny avy any ny taolan'i Saola sy ny taolan'i Jonatasy zanany, ary voaangona koa ny taolan'ireroa nahantona. 14 Nalevina tany Selà, amin'ny fasan'i Kisa rain'i Saola, any amin'ny tanin'i Benjamina ny taolan'i Saola sy ny an'i Jonatasy zanany, ary nataon'ny olona avokoa izay rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ka nony vita izany, dia nionona ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny tany. 15 Nisy adin'ny Filistina sy Israely indray, ary mba nidina niaraka tamin'ny mpanompony Davida ary niady tamin'ny Filistina izy ireo; kanjo trotraka Davida.

16 Ary Jesbi-Benoba, ny iray amin'ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana telon-jato sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an'i Davida. 17 Fa tonga namonjy an'i Davida kosa Abisaia zanak'i Sarvià, ka namono nahafaty an'ilay Filistina. Nanaovan'ny olon'i Davida fianianana izy tamin'izay, ka nataony hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony hianao, ka tsy hamono ny fanilon'Israely. 18 Taty aorian'izany mbola nisy ady tamin'ny Filistina koa tao Goba. Tamin'izay no nahafatesan'i Sabokai ilay Hosatita an'i Safà, anankiray amin'ny tarana-dRafà.

19 Mbola nisy ady tamin'ny Filistina koa tao Goba, ary Elkanàna, zanak'i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an'i Goliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, ohatra ny vodi-tenon'ny mpanenona.

20 Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny: tarana-dRafà koa izy io.

21 Ary naniratsira an'Israely izy, fa matin'i Jonatana zanak'i Samaà rahalahin'i Davida. 22 Tarana-dRafà avy any Geta avokoa izy efa-dahy ireo, fa matin'ny tànan'i Davida sy ny tànan'ny mpanompony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166