Boky Faharoan'i Samoela
2 Samoela toko 22
Hiran'i Davida noho ny nahafahany tamin'ny fahavalony.
1Izao no tenin'ny tonon-kira nataon'i Davida tamin'ny Tompo tamin'ny andro namonjen'ny Tompo azy, tamin'ny tànan'ny fahavalony rehetra sy tamin'ny tànan'i Saola.
2Hoy izy:
Iaveh no harambatoko sy trano mimandako ary Mpamonjy ahy.
3Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana.
Izy no ampingako sy tandro-pamonjena ahy,
toerana avo fandosirako sy fialofako.
Ry Mpamonjiko o, hianao no nahafaka ahy tamin'ny fahasiahana.
4Nantsoiko Ilay mendrika ho deraina, dia Iaveh,
ka afaka tamin'ny fahavaloko aho.
5Fa ny onjam-pahafatesana efa nanodidina ahy;
ny riak'i Beliala efa nampitahotra ahy;
6ny fatoran'ny fonenan'ny maty efa nahasingotra ahy,
ny haratom-podiamandry efa nalatsaka teo anatrehako.
7Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho
ary nandefa fitarainana nankany amin'ny Andriamanitro,
ka reny tao an-tempoliny ny feoko,
tonga tao an-tsofiny ny fitarainako.
8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany,
nihovitrovitra koa ny fanorenan'ny lanitra.
Ary ireo no nihozongozona dia satria tezitra Iaveh
9ka nivoa-tsetroka ny vava-orony,
nivoak'afo mandevona ny vavany,
ary nisy vain'afo mivaivay nipitika avy ao aminy.
10Naronany ny lanitra dia nidina izy,
ka rahona matevina no teo ambanin'ny tongony.
11Nitaingina Kerobima izy dia nanidina,
ary niseho teo ambonin'ny ela-drivotra.
12Nahodidiny azy toy ny lay ny aizina,
mbamin'ny ranobe aman-drahona matevina.
13Avy ao amin'ny famirapiratana nialoha azy
nisy vain'afo nipitipitika.
14Nandefa kotroka avy any an-danitra Iaveh
ary nampanakoako ny feony, ny Avo indrindra.
15Dia nandefa zana-tsipìka ka nampihahaka azy ireo izy,
nandefa ny varatra ka nampisaritaka an'ireny.
16Niseho tamin'izay ny ambanin'ny ranomasina,
nihanjahanja ny fiorenan'ny tany,
tamin'ny fandrahonana nataon'ny Tompo,
tamin'ny fifofofofon'ny fofon'ain'ny vavorony.
17Naninji-tanana avy any ambony izy, dia nandray ahy,
nanintona ahy hiala amin'ny rano be.
18Nanafaka ahy tamin'ny fahavaloko mahery,
tamin'ireo nankahala ahy fony izy ireo nahery noho izaho.
19Nosovohin'ireny aho tamin'ny andro nahitako loza,
Iaveh no nanohana ahy.
20Napetrany eo amin'ny malalako aho,
ary novonjeny, satria sitrany.
21Namaly soa ahy araka ny fananako ny rariny Iaveh
namaly ahy araka ny hadiovan'ny tanako.
22Fa nanaraka ny lalan'ny Tompo aho,
ary tsy nanao ny ratsy izay hanalavitako ny Andriamanitro.
23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako
ary ny lalany tsy mba nihatahako.
24Tsy nanan-tsiny taminy aho,
ary nitandrina mba hanohitra ny haratsiako.
25Namaly ahy araka ny fananako ny rariny Iaveh,
sy araka ny fahadiovako eo imasony.
26Ny tsara, isehoanao ho tsara,
ny olo-marina isehoanao ho marina,
27Ny madio isehoanao ho madio
fa ny fetsy ratsy anaovanao an-kafetsena.
28Ny vahoaka manetry tena vonjenao,
fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin'ny fanandrinanao.
29Fa hianao no faniloko, ry Tompo o!
Iaveh no manazava ny aizina momba ahy.
30Manana anao aho, ka mahatsarapaka hamely ny antoko-miaramila ary fiadiana;
manana an'Andriamanitra aho, ka mahatsambikina mihoatra ny manda.
31Andriamanitra!... lavorary ny lalany.
Ny tenin'Andriamanitra dia fantatra ho to;
ampinga izy ho an'izay rehetra matoky azy.
32Fa iza no Andriamanitra raha tsy Iaveh
ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
33Andriamanitra no trano mimandako mahery,
mitondra ny olo-marina amin'ny lalany izy.
34Ny tongotro ampanahafiny ny an'ny serfavavy,
ary ajorony aho eo amin'ny fitoerako avo.
35Mampianatra ny tanako hiady izy
ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36Nomenao ahy ny ampinga famonjenao,
ary ny hamoram-ponao no miasa manalehibe ahy.
37Nohalalahinao ny diako teo ambaniko,
ka tsy mangozohozo akory ny tongotro.
38Manenjika ny fahavaloko aho, dia mandringana azy;
ary tsy miverina raha tsy ripaka ireny.
39Ataoko levona, ataoko montsana ireny; ka tsy maharina,
mifitsaka ao ambanin'ny tongotro.
40Sikinanao hery aho hiady;
ary aforitrao ao ambaniko izay mandrafy ahy.
41Ny fahavaloko ataonao miamboho ahy,
mbamin'izay mankahala ahy koa, handringanako azy.
42Miherikerika ireny fa tsy misy mamonjy!
Mitaraina amin'ny Tompo fa tsy valiany akory!
43Ka torotoroiko hoatra ny vovo-tany izy;
hoseko sy hitsahiko hoatra ny fotaka eny amin'ny arabe.
44Manafaka ahy amin'ny fikomian'ny vahoakako hianao,
ary mitahiry ahy ho filohan'ny firenen-tsamihafa,
ka manaiky ho mpanompoko ny vahoaka tsy fantatro.
45Ny zanak'olon-kafa firenena midoka ahy;
raha vao mandre dia manoa ahy izy.
46Reraka ambony ihany ny zanak'olon-kafa firenena,
ka mivoaka amin-kovitra avy ao amin'ny trano mimandany.
47Ho velona anie Iaveh ary hankalazaina anie ny vatolampiko!
Andriamanitra vatolampy fialofako, hankalazaina anie izy!
48Andriamanitra izay mamaly faty noho ny amiko,
sy mampitambotsotra ny firenena eo ambanin'ny tongotro,
49sy mampitsoaka ahy ho afaka amin'ny fahavaloko;
hianao manandratra ahy ho ambonin'izay mandrafy ahy,
ary namonjy ahy tamin'ny olona mpanao an-keriny.
50Izany, ry Tompo o, no hiderako anao eo amin'ny firenena,
sy hihirako ny voninahitry ny anaranao.
51Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjakany izy,
ary manome famindram-po amin'ilay voahosony,
dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay. >