Boky Faharoan'i Samoela
2 Samoela toko 23
Fara-teny nataon'i Davida - Ny lehilahy maherin'i Davida.
1Izao no fara-tenin'i Davida:
Zava-marina nambaran'i Davida zanak'Isaia,
tenin'ilay lehilahy mipetraka amin'ny toerana ambony,
ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba,
ilay mpanao hiran'Israely mahate-ho tia.
2Ny Fanahin'ny Tompo no niteny tamin'ny alalako,
ary ny teniny no eo amin'ny vavako.
3Ny Andriamanitr'Israely niteny,
ny Vatolampin'Israely niteny:
Olo-marina mpanapaka ny olombelona,
izay manapaka amim-pahatahorana an'Andriamanitra,
4dia toy ny fahazavan'ny maraina raha miposaka ny masoandro,
toy ny andro maraina tsy misy rahona!
Ny tsirim-pahazavany manarakaraka ny ranonorana no itsimohan'ny ahitra amin'ny tany.
5Tsy toy izany va ny fianakaviako amin'Andriamanitra?
Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko,
voalamina sy voatandrina tsara indrindra;
ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.
6Fa ny olon'i Beliala rehetra kosa, dia toy ny tsilo arian'ny olona:
tsy fandrain-tanana izy;
7fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy;
ary dorana amin'ny afo eo ihany izy.
8Izao no anaran'ny lehilahy mahery izay eo amin'i Davida: Jesboama zanak'i Hakamoni, no filohan'ny manam-boninahitra. Nampandihy ny lefony tamin'ny olona valon-jato lahy, izay nataony maty tamin'ny indray mandeha monja, izy. 9Ny manarakaraka azy dia Eleazara zanak'i Dodao zanak'i Ahohì. Io no anankiray amin'izy telo lahy mahery niaraka tamin'i Davida raha ilay mihaika ny Filistina tafakambana mba hiady iny izy ireo, 10fa niakatra nihemotra kosa ny lehilahy amin'Israely. Nitsangana namely ny Filistina izy mandra-pahavizan'ny tànany, sy efa nihidy velona tamin'ny sabatra. Nanao famonjen-dehibe Iaveh tamin'izay andro izay, ka nandroso indray nanaraka an'i Eleazara ny vahoaka fa tsy nanao afa-tsy ny manangona ny zavatra babo izy ireo.
11Manarakaraka io, dia Semà, zanak'i Age, Hararita. Tafakambana ho antokony iray ny Filistina; nisy toerana anankiray, feno voanemba maniry teo, ary vaky nandositra teo anoloan'ny Filistina ny vahoaka. 12Fa lasa teo afovoan'io saha io Semà, dia narovany tsy hidiran'ny Filistina ary noreseny izy ireo. Ary nanao famonjen-dehibe Iaveh.
13Tamin'ny Filistina nitoby tao an-dohasahan'ny Refaima dia nisy telo lahy tamin'ireo Kapiteny telopolo, nidina nankany amin'i Davida, tao an-johin'i Odolama tamin'ny fotoam-pijinjana. 14Tao amin'ny trano mimanda Davida, tamin'izay, ary nisy antoko miaramilan'ny Filistina anankiray tao Betleema. 15Nanam-paniriana Davida, ka nanao hoe: Iza no mba hampisotro ahy ny rano avy amin'ny famorian-drano ao am-bavahadin'i Betleema? 16Niaraka tamin'izay, dia namakivaky ny tobin'ny Filistina ireto lehilahy mahery telo lahy, ka nanovo rano teo amin'ny famorian-drano ao am-bavahadin'i Betleema; dia noraisiny sy nentiny nankeo amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro Davida fa nataony fanatitra araraka ho an'ny Tompo izany, fa hoy izy: 17Sanatria ahy ny hanao izany, ry Iaveh ô! Satria inona ity fa tsy ny ran'ireo olona nandeha nanao vy very ny ainy! Ka dia tsy nety nisotro izany izy. Izany no nataon'izy telo lahy mahery ireo.
18Abisaia rahalahin'i Joaba zanak'i Sarvià dia filohan'ny manam-boninahitra koa. Nampandihy ny lefony tamin'ny lehilahy telon-jato lahy, ka nahafaty ireo, ka nahazo laza tamin'izy telo lahy ireo. 19Izy no malaza indrindra tamin'izy telo lahy ireo ka lehiben'izy ireo. Nefa tsy nahomby irerý telo lahy voalohany izy.
20Banaiasa zanak'i Joiadasa zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela, dia namely ireo ariela roa lahy avy any Moaba. Indray andro, nisy oram-panala, dia nidina izy ka namely ilay liona tamin'ny lavaka famorian-drano. 21Namono ny Ejipsiana anankiray mahatsiravin'endrika izy; lefona no teny an-tànan'ilay Ejipsiana. Izy kosa nidina nankany aminy nitondra tehina, ary ny lefona teny an-tànan'ny Ejipsiana no notsoahany ka ny lefony ihany no namelezany azy. 22Izany no nataon'i Banaiasa, zanak'i Joiadasa, 23ary nanan-daza tamin'izy telo lahy mahery izy. Nalaza noho izy telopolo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy irery izy. Noraisin'i Davida ho isan'ny mpanolo-tsaina azy izy.
24Isan'izy telopolo lahy: Asaela, rahalahin'i Joaba; Elkanàna, zanak'i Dodao, avy any Betleema; 25Semà avy any Haroda; Elikà avy any Haroda; 26Helesa avy any Falty; Hirà zanak'i Aksesa, avy any Tekoe; 27Abiesera, avy any Anatota; Mebonaia, Hosatita; 28Selmona, Ahohita; Maharaia avy any Netofah; 29Heleda zanak'i Baanà, avy any Netofah; Etaia zanak'i Ribaia, avy any Gabaan'ny taranak'i Benjamina; 30Banaia, avy any Farataona; Hedaia avy any an-dohasahan'i Gaasa, 31Abi-Albona, avy any Arabà; Azmaveta avy any Beroma; 32Eliaba, avy any Salabona; Bene-Yasena; Jonatàna; 33Semà, Haratita; Ahiama, zanak'i Sarara, Haratita; 34Elifeleta, zanak'i Asbaia zana-Makatiana anankiray; Eliama zanak'i Akitofela, avy any Gilao; 35Hesraia avy any Karmela; Faraia avy any Arbia. 36Igaala zanak'i Natàna, avy any Sobà; Bonì, avy any Gada. 37Seleka, Amonita, Nahanaia avy any Berota, mpitondra fiadian'i Joaba zanak'i Sarvià; 38Irà, avy any Jetera; 39Oria, Heteana. Fito amby telopolo no tontaliny. >