Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-24

1 Nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'ny Tompo, ka namporisihiny hamely azy ireo Davida nataony hoe: Mandehana isao Israely sy Jodà.

2 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, filohan'ny tafika, izay teo aminy: Mandehana tetezo ny fokon'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea, hahafantarako ny isan'ny vahoaka.

3 Fa hoy Joaba tamin'ny mpanjaka: Hampitomboin'ny Tompo Andriamanitrao anie ny vahoaka injato toy izao, ka ny mason'ny mpanjaka tompoko anie hahita izany! Fa ahoana ange ny mpanjaka tompoko no mitady hafaliana manao izany? 4 Fa nahery ny tenin'ny mpanjaka nanoha an'i Joaba sy ny lehiben'ny tafika, ka dia nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka Joaba sy ny lehiben'ny tafika, hanisa ny vahoakan'Israely. 5 Nony tafita an'i Jordany izy ireo, dia nitoby tao Aroera aloha, ankavanan'ilay tanàna, eo afovoan'ny lohasahan'i Gada, dia vao tao Jazera. 6 Dia tonga tany Galaada sy any amin'ny tanin'i Taktima-Hodsì, izy; rahefa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin'ny manodidina an'i Sidona. 7 Ary nalehany koa Tiro, tanàna mimanda, mbamin'ny tanànan'ny Heveana sy ny Kananeana rehetra dia tafapaka amin'ny Negeban'i Jodà, any Bersabea. 8 Nony voatetiny ny tany rehetra dia niverina tany Jerosalema izy ireo, rahefa afaka ny sivy volana sy roapolo andro. 9 Ary natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin'Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'i Jodà. 10 Nandre ny fony nitebiteby Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy Davida tamin'ny Tompo: Nahavita fahotana lehibe aho, tamin'ny nataoko! Koa ankehitriny, Iaveh ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.

11 Nony ampitso, rahefa nifoha Davida, dia tonga tamin'i Gada, mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

12 Mandehana lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao. 13 Dia nankany amin'i Davida Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe: Ho tonga amin'ny taninao va ny mosary fito taona, sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao izay hanenjika anao va hianao; sa hasian'ny pesta hateloana ny taninao? Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an'ilay naniraka ahy. 14 Dia hoy ny navalin'i Davida tamin'i Gada: Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon'ny tànan'ny Tompo fa be famindram-po izy, toy izay ho azon'ny tànan'olombelona. 15 Ary Iaveh naniraka pesta any amin'Israely, hatramin'ny marainan'izay andro izay ka hatramin'ilay fotoana voafetra ka nahafatesana fito alina ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea.

16 Mbola naninjitra ny tànany tamin'i Jerosalema ihany ilay anjely handringana azy. Fa nanenenan'ny Tompo ny amin'izany loza izany, ka hoy izy tamin'ilay anjely namono ny vahoaka: Aoka izay, fa avonkony amin'izao ny tànanao. Teo akaikin'ny famoloan'i Areonà, Jeboseana, no nitoeran'ilay anjelin'ny Tompo tamin'izay. 17 Nony nahita ilay anjely namono vahoaka Davida dia hoy izy tamin'ny Tompo: Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin'ikaky no hasian'ny tànanao! 18 Dia tonga tao amin'i Davida Gada tamin'izay andro izay, ka nanao taminy hoe: Miakara ary manangàna otely ho an'ny Tompo any am-pamoloan'i Areonà Jeboseana.

19 Dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka ny nandidian'ny Tompo azy. 20 Nony nijery Areonà dia nahatazana ny mpanjaka, sy ireo mpanompony, tamy hankaty aminy, 21 dia nivoaka Areonà, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny mpanjaka nanao hoe: Inona izato nahatongavan'ny mpanjaka tompoko aty amin'ny mpanompony? Ary hoy ny navalin'i Davida: Hividy ity famoloana ity aminao, hanorenana otely ho an'ny Tompo mba hihatahan'ny areti-mandringana amin'ny vahoaka. 22 Dia hoy Areonà tamin'i Davida: Aoka halain'ny mpanjaka tompoko izany, ary aoka hateriny ho sorona izay sitrany. Indreo ny omby hatao sorona dorana ary ny rambaramba mbamin'ny jiogan'omby hatao kitay. 23 Atolotr'i Areonà ho an'ny mpanjaka izany rehetra izany, ry mpanjaka ô! Ary hoy Areonà tamin'ny mpanjaka: Hahita fitia eo imason'ny Tompo Andriamanitrao anie hianao! 24 Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Areonà: Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an'ny Tompo Andriamanitro aho. Dia volafotsy dimampolo sikla no novidianan'i Davida ny famoloana sy ny omby. 25 Ary nanorina otely teo Davida ho an'ny Tompo ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Dia nionona ny hatezeran'ny Tompo tamin'ny tany, ka nitsahatra ny areti-mandringana namely an'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1029