Boky Faharoan'i Samoela
2 Samoela toko 3
Adin'ny fianakavian'i Davida sy ny fianakavian'i Saola - Ny nahafatesan'i Abnera.
1Naharitra ela ny adin'ny fianakavian'i Saola sy ny fianakavian'i Davida. Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian'i Saola kosa nihaosa miandalandalana.
2Niteraka lahy maro Davida tao Hebrona; Amona naterak'i Akinoama avy any Jezraela no lahimatoa. 3Keleaba naterak'i Abigaïla avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala, no lahiaivo; Absalona, zanak'i Maakà, zanakavavin'i Tolmaia, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; 4Adoniasy zana'i Hagita, no fahefatra; Safatià zanak'i Abitala, no fahadimy. 5Ary Jetraama naterak'i Eglà vadin'i Davida, no fahenina. Ireo no zazalahy naterak'i Davida tao Hebrona.
6Tamin'ny andro niadian'ny fianakavian'i Saola sy ny fianakavian'i Davida, dia nihamahery Abnera tao amin'ny tranon'i Saola. 7Ary nisy vaditsindranon'i Saola anankiray natao hoe Resfà zanakavavin'i Aià; ary hoy Isboseta tamin'i Abnera hoe: 8Ahoana no nandeha tamin'ny vaditsindranon'i Kaky hianao? Ka tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta ka namaly hoe: Lohan'alika anisan'i Jodà va aho? Amin'izao mampiseho fitiavana ny tranon'i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida ka dia izao hianao no maniny ahy amin'ny hadisoana tamin'iny vehivavy iny? 9Hoentin'Andriamanitra amin'izay ngidiny indrindra anie Abnera raha tsy hataoko amin'i Davida arak'izay nianianan'ny Tompo taminy, 10fa hoesoriny amin'ny fianakavian'i Saola ny fanjakana ka hatsangany amin'Israely sy Jodà hatrany Dana ka hatrany Bersabea ny seza fiandrianan'i Davida. 11Tsy nahavaly an'i Abnera Isboseta, na indraim-bava aza, fa natahotra azy.
12Dia nanefa iraka nankany amin'i Davida Abnera hilaza aminy, amin'ny anarany, hoe: An'iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tànako hampihodina an'Israely rehetra hankaminao. 13Ary novaliany hoe: Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao aty amiko Mikola zanakavavin'i Saola rahefa ho avy hianao hifankahita tava amiko. 14Dia nandefa iraka ho any amin'Isboseta zanak'i Saola Davida hanao aminy hoe: Omeo ahy Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan'ny Filistina zato. 15Ka nampanalain'Isboseta Mikola tany amin'i Faltiela vadiny, zanak'i Laïsa, 16ary nanaraka azy ny lahy, nandeha sy nitomany avy ao aoriany, hatreo Batorima, fa nony mby teo, dia hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Ka dia niverina izy.
17Nisy dinidinika nataon'i Abnera tamin'ny loholon'Israely, ka hoy izy tamin'izy ireo: Efa ela no nanirianareo an'i Davida ho mpanjakanareo, 18koa misikìna àry ankehitriny, fa Iaveh nilaza tamin'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida, mpanompoko, no hanafahako an'Israely vahoakako amin'ny tànan'ny Filistina, sy amin'ny tànan'ny fahavalony rehetra. 19Ary niresaka tamin'i Benjamina koa Abnera, ary lasa Abnera hilaza ho henon'i Davida any Hebrona izay noheverin'Israely sy ny taranak'i Benjamina rehetra ho mety. 20Dia tonga tany amin'i Davida, tany Hebrona Abnera, nomban'olona roapolo lahy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. 21Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hitsangana aho ka hiainga hamory an'Israely rehetra ho aty amin'ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fonao hianao. Dia nalefan'i Davida Abnera ka nandeha amim-piadanana.
22Fa indreto kosa tamy ny mpanompon'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy. 23Dia tonga Joaba sy ny antokon'olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin'i Joaba hoe: tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera zanak'i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy! 24Dia nankao amin'ny mpanjaka Joaba, ka nanao hoe: Inona no nataonao? Tonga teo aminao Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatrao anefa Abnera zanak'i Nera. 25Fa ny hamitaka anao no nahatongavany taty ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra!
26Nony avy eo amin'i Davida Joaba dia naniraka olona hanara-dia an'i Abnera, ka avy amin'ny famorian-drano any Sira no nitondrany azy miverina; tsy fantatr'i Davida velively anefa izany. 27Nony tafaverina tao Hebrona Abnera dia nentin'i Joaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin'ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin'ny ràn'i Asaela, rahalahin'i Joaba. 28Ren'i Davida izany, taty aoriana, ka hoy izy: Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo aho sy ny fanjakako, ny amin'ny ràn'i Abnera zanak'i Nera. 29Fa amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: Ka tsy ho tapaka eo amin'ny fianakavian'i Joaba ny marary mitsi-drà na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina. 30Dia toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisaïa rahalahiny an'i Abnera, noho ny namonoany an'i Asaela rahalahiny tany Gabaona tamin'ny ady.
31Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny vahoaka rehetra teo aminy: Triaro ny fitafianareo, misikìna lasaka, ary aoka hisaona eo anoloan'i Abnera hianareo. Dia nandeha teo aorian'ny tranovorona Davida mpanjaka. 32Tao Hebrona no nalevina Abnera. Nitomany tamin'ny feo avo ny mpanjaka teo amin'ny fasan'i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra. 33Nanao hira fisaoana an'i Abnera ny mpanjaka nanao hoe:
Toy ny fahafatin'adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera?
34Tsy nifatotra ny tananao,
tsy nigadra ny tongotrao,
Fa toy ny fahalavon'olona sehatra ny olon-dratsy ny nahalavo anao!
Dia nanohy nigogogogo nitomany an'i Abnera ny vahoaka rehetra; 35ary nanatona an'i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana Davida nanao hoe: Hoentin'ny Tompo amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan'ny maty masoandro! 36Hitan'ny vahoaka rehetra tsara izany, ka nankasitrahany, toy ny nankasitrahany an'izay rehetra nataon'ny mpanjaka koa. 37Fantatry ny vahoaka rehetra sy Israely rehetra, tamin'izany andro izany fa tsy mba avy amin'ny mpanjaka velively ny namonoana an'i Abnera, zanak'i Nera. 38Hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin'Israely no maty androany? 39Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak'i Sarvia ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian'ny Tompo anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony! >