Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-4

1 Nony ren'ny zanakalahin'i Saola fa hoe maty Abnera, tao Hebrona, dia niraviravy tànana izy ary kivy ratsy Israely rehetra.

2 Roa no lehiben'ny antokon'olon'ny zanakalahin'i Saola, dia Baanà ny anankiray, ary Rekaba ny anankiray, samy zanak'i Remona avy ao Berota amin'ny taranak'i Benjamina. Fa natao isan'i Benjamina koa Berota, 3 ary ny Berotia dia nandositra nankany Getaïma, ka mbola monina any mandrak'androany. 4 Jonatasy zanak'i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin'i Saola sy Jonatasy hoe maty, ka nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan'izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifiboseta no anarany.

5 Ary tonga Rekaba sy Baanà zanak'i Remona avy any Berota, ka nony tamin'ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon'Isboseta izay nandrinandry niala sasatra tamin'ny misasaka andro.

6 Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin'ny kibony izy. Ary Rekaba sy Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko. 7 Ilay nandry teo am-parafarany, tao an'efitra fandriany iny Isboseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka. 8 Nentiny tany amin'i Davida tany Hebrona ny lohan'Isboseta, dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Indro ny lohan'Isboseta zanak'i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian'ny Tompo faty an'i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko. 9 Ary hoy ny navalin'i Davida tamin'i Rekaba sy Baanà rahalahiny, zana-dRemona, avy any Berota: Velona Iaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny loza rehetra! 10 Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin'ny vaovao tsara nentiny, 11 ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin'ny tànanareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin'ny tany! 12 Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo Davida; ary notapahin'izy ireo ny tongony aman-tànany, ka nahantony teo amoron'ny farihy any Hebrona. Rahefa izany dia nalainy ny lohan'Isboseta sy naleviny tao amin'ny fasan'i Abnera ao Hebrona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1442