Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-5

1 Ary tonga amin'i Davida tany Hebrona ny fokon'Israely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.

2 Hatramin'ny nanjakan'i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa hianao no nitondra an'Israely nivoaka sy niditra. Ary Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Hianao no hamahana an'Israely oloko, hianao no ho andrian'Israely. 3 Ary samy tonga tany amin'ny mpanjaka tany Hebrona avokoa ny loholon'Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo tany, teo anatrehan'ny Tompo, Davida mpanjaka; ary nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo. 4 Telopolo taona Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany. 5 Tao Hebrona izy nanjaka tamin'i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin'i Jodà sy Israely rehetra telo amby telopolo taona. 6 Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin'ny Jeboseana, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin'i Davida hoe: Tsy ho tafiditra aty hianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao. Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana Davida.

7 Kanjo afak'i Davida ny toerana mimanda tao Siona: ny tanànan'i Davida izany. 8 Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Na iza na iza hamely ny Jeboseana, ka hihazo amin'ny làlan-drano... Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain'i Davida. Izany no nihavian'ilay fitenenana hoe: Tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa. 9 Dia niorim-ponenana teo amin'ny toerana mimanda Davida, ka nataony hoe: Tanànan'i Davida izany. Ary nanorina trano tamin'ny manodidina Davida hatrany Melao, mbamin'ny ao anatiny koa. 10 Nandroso niha-ambony hatrany hatrany Davida, ary nomba azy Iaveh Andriamanitry ny tafika.

11 Nandefa iraka nankany amin'i Davida Hirama mpanjakan'i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an'i Davida.

12 Dia fantatr'i Davida fa naraikitry ny Tompo ho mpanjakan'Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho Israely vahoakany. 13 Naka vaditsindrano sy vady koa Davida tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrona izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray Davida.

14 Ireto no anaran'ireo naterany tany Jerosalema: 15 Samoà, Sobaba, Natana, Salomona, Jebahara, 16 Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta. 17 Ren'ny Filistina fa hoe nohosorana ho mpanjakan'Israely Davida ka niakatra hitady an'i Davida ny Filistina rehetra. Nahare izany Davida, ka nidina nankao amin'ny toerana mimanda.

18 Nony tonga ny Filistina dia nihahaka teny amin'ny lohasahan'ny Refaima. 19 Ka nanontany an'ny Tompo Davida, nanao hoe: hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànako va izy? Ary hoy Iaveh tamin'i Davida: Miakara fa hatolotro eo an-tànanao tokoa ny Filistina. 20 Dia nankany Baala-Farasima Davida ka namely azy tao Davida, ary hoy izy: Novakin'ny Tompo teo anoloako toy ny amakian'ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko. Izany no nanaovana ny anaran'io toerana io hoe: Baala-Farasima. 21 Navelan'izy ireo tao ny sampiny, ka nentin'i Davida sy ny olony. 22 Niakatra indray ny Filistina, ka nihahaka teo amin'ny lohasahan'ny Refaima.

23 Ka nanontany an'ny Tompo Davida, sy novaliany hoe: Aza miakatra fa hodidino avy any aoriany izy dia hirotsaka aminy, avy ary amin'ny balsamie, hianao, 24 ka nony injay mahare figodongodonan'olona any an-tendron'ny balsamie hianao dia mameleza faingana, fa amin'izay Iaveh no mivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistina. 25 Dia nanao araka izany Davida, araka ny nandidian'ny Tompo azy, ka nandresy ny Filistina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371