Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-6

1 Namory ny olona voafantina rehetra amin'Israely indray Davida, dia telo alin-dahy.

2 Dia nitsangana Davida ka niainga izy narahin'ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodà mba hampiakatra avy any ny fiaran'Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny anaran'ny Tompo-n'ny tafika, izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima. 3 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ka Ozà sy Akiao zanak'i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao. 4 Ary nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, mbamin'ny fiaran'Andriamanitra. Akiao no nandeha teo aloha. 5 Davida sy ny taranak'Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan'ny Tompo, tamin'ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin'ny hazo sipre, ny harpa, ny valoha, ny amponga tapaka, ny sistra, ary ny kipantsona. 6 Nony tonga teo am-pamoloan'i Nakora izy ireo, dia naninjitra ny tànany nankamin'ny fiaran'Andriamanitra Ozà sy nandray azy, fa nisolifatra ny omby.

7 Fa nirehitra tamin'i Ozà ny fahatezeran'ny Tompo ka nasian'Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8 Nahatezitra an'i Davida ny namelezan'ny Tompo an'i Ozà toy izany; ary io toerana io dia nantsoina mandrak'androany hoe Ferets-Ozà. 9 Natahotra an'ny Tompo Davida tamin'izany andro izany, ka hoy izy: Hanao ahoana ny hankanesan'ny fiaran'ny Tompo any amiko? 10 Koa Davida tsy nety nandray ny fiaran'ny Tompo ho any aminy, any an-tanànan'i Davida, fa nasain'i Davida nentina nankany an-tranon'i Obedeboma, any Geta, ny fiara. 11 Dia nipetraka tao an-tranon'i Obededoma any Geta telo volana ny fiaran'ny Tompo, ka nambinin'ny Tompo Obededoma sy ny ankohonany rehetra. 12 Nisy olona tonga nilaza tamin'i Davida mpanjaka nanao hoe: Nambinin'ny Tompo ny ankohonan'i Obededoma sy ny ananany rehetra, noho ny amin'ny fiaran'Andriamanitra. Dia niainga nandeha Davida, ka nampiakatra ny fiaran'Andriamanitra avy any an-tranon'i Obededoma ho any an-tanànan'i Davida, nombam-panotrona maro niravoravo.

13 Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'ny Tompo, dia nisy ombalahy iray sy zanak'omby matavy izay natolotra ho sorona. 14 Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy Davida teo anatrehan'ny Tompo, ary nisikina efoda rongony madinika Davida. 15 Tamin'ny hobin-kafaliana sy ny feon'anjomara no nampakaran'i Davida sy ny taranak'Israely rehetra ny fiaran'ny Tompo. 16 Nitsirika teo am-baravaran-kely Mikola zanak'i Saola, nony niditra ny tanànan'i Davida ny fiaran'ny Tompo, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan'ny Tompo izy, ka nikizaka azy tao am-pony. 17 Nony tafiditra ny fiaran'ny Tompo ka efa voapetraka tamin'ny fitoerany tao afovoan'ny lay nasain'i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan'ny Tompo Davida.

18 Ary rahefa tapitra naterin'i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'ny Tompo-n'ny tafika izy. 19 Dia samy nomeny mofo mamy iray avy ny vahoaka rehetra, ny olona marobe rehetra amin'Israely na lahy na vavy. Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra. 20 Raha ilay nody hitso-drano ny ankohonany iny Davida, dia nivoaka hitsena an'i Davida Mikola zanak'i Saola, sy nanao hoe: Endrey izany voninahitry ny mpanjakan'Israely androany, tamin'izy nanary lamba teo anatrehan'ny ankizivavin'ny mpanompony, tahaka ny fanary lamban'ny olom-poana!

21 Fa hoy kosa ny navalin'i Davida tamin'i Mikola: Teo anatrehan'ny Tompo izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra, ka nanangana ahy ho andriana tamin'ny vahoakany, tamin'Israely, teo anatrehan'ny Tompo no nandihizako. 22 Mbola hanetry tena noho izany aza aho, sy ho olona tsinontsinona eo imasoko, ary eo anatrehan'ny ankizivavy antsoinao, eo amin'izy ireo aho dia ho be voninahitra. 23 Ary tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny Mikola zanakavavin'i Saola.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1376