Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-8

1 Taorian'izany dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr'izy ireo teo an-tànany.

2 Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin'ny tany ireo, dia norefesiny tamin'ny kofehy, ka nandrefy indroan'ny kofehy izy, novonoiny ny eran'ny kofehy, novelominy ny eran'ny kofehy. Dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita, ka nanatitra hena ho azy.

3 Teny an-dàlana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron'ny ony Eofrata, dia resin'i Davida koa Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan'i Sobà.

4 Ary miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin'i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin'i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany. 5 Tonga namonjy an'i Hadadezera mpanjakan'i Sobà koa ny Siriana avy any Damasa, ka noresen'i Davida ny roa alina tamin'ny Siriana. 6 Nametrahan'i Davida miaramila mponina i Sirian'i Damasa, ka tonga mpanompon'i Davida nanatitra hetra ny Siriana. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena, tany amin'izay rehetra nalehany. 7 Nalain'i Davida ny ampinga volamena tao amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema; 8 varahina be dia be koa no azon'i Davida mpanjaka, tao Bete sy Berota, tanànan'i Hadadezera. 9 Nony ren'i Taohò mpanjakan'i Hamata, fa hoe resin'i Davida avokoa ny miaramilan'i Hadadezera,

10 dia nirahin'i Taohò ho any amin'i Davida mpanjaka, Jorama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an'i Hadadezera, fa niady lava tamin'i Hadadezera Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tànan'i Jorama. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny Tompo koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin'ny firenena rehetra nohitsahin'ny tongony, 12 dia Siria, Moaba, ny taranak'i Amona, ny Filistina, Amaleka; ary ny avy tamin'ny babo azony tamin'i Hadadezera zanak'i Rohoba, mpanjakan'i Sobà. 13 Nahazo laza Davida fony izy niverina avy nandresy ny Siriana valo arivo sy iray alina, teo amin'ny Lohasahan-tSira.

14 Nametrahany miaramila mponina tao Edoma, namehatrany miaramila avokoa Edoma tontolo, ka dia tonga mpanompon'i Davida avokoa Edoma rehetra. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena, tany amin'izay rehetra nalehany. 15 Nanjaka tamin'Israely rehetra Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

16 Joaba, zanak'i Sarvia, no nifehy ny miaramila; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana; 17 Sadaoka zanak'i Akitoba sy Akimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; Saraiasa no mpanoratra; 18 Banaiasa zanak'i Joiadà, no lehiben'ny Keretiana sy ny Feletiana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1393